GASY AHO… TSY AN-TENDROMOLOTRA FOTSINY FA…

Andao hoe isika mba samy hilaza izay fihetsika fanaontsika na fanaon’olon-kafa fantatsika manambara ny maha-malagasy antsika, hatramin’ny goavana indrindra ka hatramin’ny bitika indrindra !

REHEFA MIHEVINA : VELONA… ISIKA REHETRA !

Ny ahy izao rehefa misy olona mihevina dia teneniko hoe : Velona ! Raha izaho indray no mihevina ka misy miteny tahaka izany dia valiako hoe : Isika rehetra !

FRANCOIS XAVIER LASA RIVO

Misy rangahy fantatro izay, François Xavier no anarana nomen’ny ray aman-dreniny azy. Taty aoriana nony ampy taona izy dia novainy teny amin’ny fitsarana io ka nataony hoe Rivo.

FEON’ANTSO AMIN’NY FINDAY : RY TANINDRAZANAY MALALA

Misy rangahy efa lehibe hafa indray, manamboninahitry ny tafika Malagasy izy, rehefa misy antso ny findainy dia « Ry tanindrazanay malala » no feon-kira re.

FACEBOOK TENY GASY

Ny an’izay tovovavy iray izay indray, vantany vao fantany hoe misy teny gasy ny Facebook dia novainy avy hatrany ny azy, tsy an-kiandriandry mihitsy.

Ohatra fotsiny ireo, entina ilazana amintsika fa tsy toe-javatra misavoana eny an-danitra ny maha-Malagasy antsika, fa zavatra iainantsika andavanandro. Tsy ireo mpankafy literatiora fotsiny koa no Malagasy fa isika rehetra. Ary tsy ny Ntaolo ihany no Malagasy fa isika amin’izao fotoana izao indrindra.

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l’aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l’aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑

%d blogueurs aiment cette page :