FANJA RAZAH : « TSY TOKONY ANDREFESANA NY MAHA-IZY AZY NY TSIRAIRAY NY FAHAIZANA TENY FRANTSAY »

Hiaraka amintsika ao anatin’ny antsan-tononkalo « FOHA FOTA-MANDRY » ny zoma 26 Aogositra izao amin’ny 4 ora tolakandro i Fanja Razah sy i Kaja. Ny Faribolana Sandratra dia manasa anao hianoka tanteraka ao anaty kanto amin’io fotoana io ao amin’ny foiben-toerany, Tahaka Rarihasina Analakely.

Mpanoratra tononkalo sy tantara fihaino amin’ny onjam-peo no ahafantarana an’i Fanja Razah. Tompon’andraikitra ao amin’ny Foiben’ny Teny Malagasy koa izy. Anisan’ireo mipetraka amoron’ala ka mahita ny mahitsy hokapaina, mipetraka amoron-drano ka mahita ny marivo irobohana, ary mipetraka miaraka amin’ny teny malagasy lalandava ka mahatsapa ny hamaminy ity mpanakanto ity. Izany indrindra ary no fototry ny resadresaka nifanaovan’i Voniary taminy.

Voniary : Ahoana ny fahitanao an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao ?
Fanja Razah : Niezaka nanimba antsika malagasy ny vazaha hatramin’ny fanjanahan-tany ary mbola notohizany miandalana teny ihany izany. Enina amby dimampolo taona niverenan’ny fahaleovan-tena isika izao, vao mainka miha-mahazo vahana ny vahiny ary tratrany ny tanjony. Diniho fotsiny, taloha voaozona izay mivarotra tanindrazana teo amin’ny malagasy. Ankehitriny anefa, jereo fa amidy amin’ny vahiny ny tany etsy sy eroa. Tsy vitan’izay fa lasa ny fahaizana teny frantsay no ifampitsarana eto Madagasikara. Vao misy tolotra asa iray dia tsy takiana ao ny fahaizana teny frantsay. Impiry, adin’ny firy ao anatin’ny indray andro anefa ireny olona ireny no ampiasa izany ao anatin’io asany io ? Mety tsy misy akory fa teny gasy ihany no ifaneraserany sy ilainy ao am-piasana. Amiko, tsy tokony andrefesana ny maha-olona sy ny maha-izy azy ny tsirairay ny fahaizana teny frantsay.

V : Inona no fomba hanarenana izany ?
FR : Ny ady hevitra tokony apetraka dia ny hoe : « Ahoana no ifantohana amin’ny hoe tena Malagasy miaina eto Madagasikara ? » Raha io no tsy voavaly dia aleo varotana ambongadiny amin’ny vahiny ny tany fa tsy mody alefa antsinjarany. Eto amintsika manko izao efa kolontsaina vazaha no tena manjaka. Ohatra amin’izany ny firehan-kevitra demokratika izay voizina etsy sy eroa. Tena mifanaraka amin’ny foto-pisainana Malagasy ve io zavatra io sa noterena atsofoka eto Madagasikara fotsiny ? Maro amin’ny Malagasy no tsy mahazo tsara an’io fa raisiny anjambany fotsiny noho ilay firehan-kevitra malaza. Tsy ny fandikana teny iray amin’ny teny malagasy akory no ahatonga ilay hevitra ho malagasy. Lasa mandeha ila raha izany no itondrana azy. Ny tokony atao dia ny mandray ilay hevitra vahiny, tsy maka tahaka be fahatany fa mampihatra azy amin’ny maha-malagasy antsika. Izany no mampandroso ny firenena tantsinanana indrindra ny sinoa sy ny japoney. Tsy manary ny kolontsainy velively izy ireo fa izay hitany tsara amin’ny tandrefana dia ampihariny amin’ny maha-izy azy.

V : Mety hanova zavatra ve ny fampiasana teny malagasy amin’ny fampianarana ?
FR : Antony betsaka no mbola tsy ahavitana ny fanagasiana ny fampianarana eto amintsika, raha tsy ilaza fotsiny ny antony ara-politika aho. Ny tsy nampahomby ny fanagasiana tamin’ny fotoan’androny manko dia noho ilay izy tsy matipaika. Fiovam-penitra mahery vaika no nokasaina natao nefa tsy nisy olona voaofana tamin’izany. Tsy nomanina ilay fanagasiana fa noterena. Raha hihevitra ny hanatanteraka fanagasiana ny fampianarana isika amin’izao dia mila fanomanana eo amin’ny dimy taona na mihoatra. Tena ilaina io satria mampandroso ny fanabeazana. Amin’izao fotoana izao, mianatra mba ahazoana diplaoma fotsiny ny ankizy sy ny tanora satria ny fianarana azony dia mikasika tontolo tsy hita maso sy tany tsy diavin’ny tongony. Ny ray aman-dreny indray dia tsy maintsy miaina amin’izay zava-misy ka voatery mampiditra ny zanany ao anatin’izao rafitra sadasada izao. Adidin’ny ray aman-dreny kosa anefa ny mampifantsika ny ankizy sy ny tanora amin’ny maha-malagasy azy.

V: Hafatra ho an’ny mpamaky ny blaogy!
FR : Ho an’ny Malagasy mpiray Tanindrazana rehetra, ilaina ny fahaizana mifampihaino mba hamoaka hevi-dehibe mahasoa. Samy mitonona ho tia Tanindrazana daholo ny rehetra ka ilaina ny mifampaka hevitra. Amin’izay dia ho afaka miara-mandroso isika satria ny erikerika mahatondra-drano.

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l’aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l’aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑

%d blogueurs aiment cette page :