TENY MALAGASY ISAN’ANDRO

Andao hoe ezahintsika ny hiteny malagasy eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Andao ampiasaina ireo voambolana malagasy araka izay azo atao mba ialana amin’ny teny vahiny. Amin’ny voalohany mety ho sahirana ianao fa rehefa ampiarahana amin’ny fikirizana izany dia tsy maintsy ho vita. Ataovy an-tsaina fotsiny hoe tenindrazanao ny teny malagasy dia ho mora aminao ny hankafy azy.

FANAMBY : TENY FOLO

Atombohy amin’ny teny vahiny folo mahazatra anao indrindra izany. Manaova fanamby fa ho vitanao ny hizatra hanolo ireo amin’ny teny gasy ao anatin’ny iray volana. Rehefa tapitra ny fetra dia mitadiava teny folo hafa indray. Azonao atao  ny manoratra izany ao anaty diary. Raha mety aza dia apetaka eo amin’ny rindrina na toerana talaky maso mba tsy ho very tadidy.

Ireto misy teny sy fehezan-teny vitsivitsy fampiasako ary mety fampiasanao koa :

a.jpg

MIZATRA MITENY GASY

Raha manana finiavana sy faharetana ianao dia ho hitanao fa tsy iambakavaka intsony ianao hiteny gasy. Eny fa na ny voambolana hafa tsy voafaritra tao anatin’ny tanjonao aza dia hoezahinao avadika. Tsy sarotra ny teny gasy fa isika no tsy zatra mampiasa azy. Ireo voambolana sientifika, arak’asa, matematika sy ny maro hafa tsy voadika dia azontsika tazomina amin’izay namoronana azy ihany. Fa aoka kosa tsy ataontsika toy ny valalan’amboa, ny teny gasy, ka na ny tompony aza tsy tia.

Ireto misy andalan-teny entin’ny Foibe momba ny Teny Malagasy anentanana antsika :

b

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l’aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l’aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑

%d blogueurs aiment cette page :