Ny Teny Malagasy : Fanentanana ny Fon’ny Vahoaka amin’ny Fampandrosoana (Tapany I)

Lahateny nataon’i Rado tetsy amin’ny Akademia Malagasy tetsy Tsimbazaza, ny 25 Jona 1994, indray no entina amintsika anio. Samia àry maka izay tandrify azy avy :

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Tantara kely iray no entinay ho fampidirana izao famelabelarana izao. Hoy ity tovolahy iray avara-pianarana sady tia tanindrazana, raha namory ireo tanora tantsaha sakaizany izy, teny ambanivohitra :

« Ni-inviter anareo Tantsaha iray génération amiko aho, mba hiara mi-étudier ity projet de développement nanaovako étude plus ou moins approfondie ity. Mi-concerner ny région-tsika mantsy izy io, ka tokony hi-sensibiliser-na antsika masse paysanne amin’izao période de décollage économique izao. Ny cohésion sy ny participation de tout un chacun anefa no tena primordiale amin’izany, ka tsy ny élites sy ny intellects ihany no ho décideurs sy piliers amin’ny réalisation sy ny exécution-ny, fa ny population active sy isika izay avenir-n’ity tany ity. Raha tsy izany, tsy avotra izao situation déplorable sy catastrophique izao. Mila stratégie sy plan triennal bien au point anefa izany fa tsy azo atao au pif fotsiny.

Izany no ni-convoquer-na antsika exprès amin’ity réunion de sensibilisation ity. Isika rehetra sans exception izany no samy hilaza izay point de vue-ny avy, vis-à-vis de ce projet. Tout au moins, izay mba suggestion na solution intermédiaire sy adéquate any an-tsainareo any.
Misokatra àry izao ny débat sy ny discussion ka tout le monde peut prendre la parole. Merci ! »

Nangina eran’ny trano. Azontsika an-tsaina avy hatrany fa tsy naharay afa-tsy teny vitsy tamin’ny kabarin’Andriamatoa ireto Tantsaha sakaizany. Ary tsy nahagaga koa raha tsy nanan-kolazaina fa nifampijerijery sy nifampiandriandry fotsiny.

Untitled-2-01-01.jpg

Nisafoaka ilay tovolahy mpandahateny, ka niriatra nanao hoe : « izao ihany ilay mampi-décevoir ny technicien aminareo, fa tsy capable hi-saisir ny occasion profitable sy favorable tahaka itony, » sady lasa izy nandeha.

Miomehy isika mandre ny tenin’Andriamatoa, anefa, moa tsy ny sarintsika ihany koa ve no nasehony tamin’io fotoana io ? Mety tsy hihomehy koa anefa isika, satria efa zatra fiteny vandambadana toy izany ny sofintsika. Ny fihomehezantsika na tsy fihomehezantsika azy dia zavatra iray, fa ny mampalahelo dia ireto fatiantoka roa nitranga tamin’io fotoana io.

  • Fatiantoka voalohany : tsy tafita ilay hevitra sy fikasana tsara natolotr’Andriamatoa, satria tsy nisy azon’ny tantsaha sakaizany izay tiany holazaina.
  • Fatiantoka faharoa : kivy ilay manampahaizana satria noraisiny ho fahalainan-kandroso ny fanginan’ireto tanora, tsy nanan-kolazaina tamin’izay hevitra narosony.

(Mbola hitohy)

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l’aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l’aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑

%d blogueurs aiment cette page :