Felana « Poetan’ny fo tena tia » – 20 taona niangaliana ny kanto

Hanatanteraka hetsika ho fankalazana ny faharoapolo taona nanoratany sy nivoizany zava-kanto i Felana RAVELOARISON na Felana ny 6 hatramin’ny 10 desambra ho avy izao. Izy no andriambavilanitra voalohany nanaiky ho vahinin’ny Blaogin’i Voniary. Hizara sombintsombiny amin’ny fiainany àry izy ao anatin’ity resadresaka ity.

Voniary : Nanao ahoana ny fahazazanao sy ny nitaizana anao ?

Felana : Nobeazina tamin’ny vakiboky izahay ary notaizaina hatrany mba handàla ny maha-maha-malagasy. Na tsy nianatra manokana momba ny fomban-drazana malagasy aza aho dia tsy vitsy no fantatro satria nampitain’ireo raiamandreniko tamiko izany ary nampiako fandalinana koa taty aoriana. Tadidiko tsara rehefa fetim-pirenena, hafa mihitsy ny fanaovanay harendrina tao an-trano. Ny fanaonay miaraka amin’ny bebenay manko dia mandrehitra bozaka ao an-trano, avy eo entina mivoaka mankany an-tokontany ho fanehoana ny fandroahana ny fanahy ratsy. Ankehitriny dia very ireo FOMBA MALAGASY noho ny antony maro. Tsy tokony ihinana am-bolony fotsiny anefa isika fa mba hijery ny hevi-dalina fonosin’izy ireny raha tsy ilaza hafa-tsy ny famadihana aho.

V : Inona avy ireo sehatra ivelaranao eo amin’ny tontolon’ny kanto ?

F : Ny tononkalo voalohany indrindra ! Vao sivy taona monja, taona fahaenina (T6) aho tamin’izay dia efa nandray anjara tamina fifaninanana tononkalo sy sary. Na tsy nahazo voalohany aza aho dia nahatsapa fa nanana zavatra atolotra teo amin’io sehatra io aho. Tamin’ny taona fahavalo (T8) aho no nanomboka tena nanoratra ka namorona tononkalo maromaro. Ny taona 2001 aho no niditra ny Faribolana Sandratra. Herintaona tao aorian’io, nivoaka ny boky « VOAHANGY TSANGY » nifarimbonan’ny mpanoratra enina mirahavavy. Tamin’ny 2005 aho no nankalaza ny fahafolo taona nanoratako ka namoaka ny boky « MANKATIA ». Hatramin’izay ka hatramin’izao, tsy mitsahatra mandray anjara amin’izay hetsika ataon’ny Faribolana Sandratra hatrany aho toy ny antsan-tononkalo ary ny boky itambarana.

fa

V : Ankoatra ny fanoratana tononkalo, manan-talenta hafa koa izany ianao ?

F : Mpikabary koa aho. Azo lazaina hoe talenta nolovaina ihany io satria mpikabary ny dadako. Avy eo nohamafisiko tamin’ny alàlan’ny fiofanana sy fandalinana tao amin’ny FIMPIMA izany. Vao 19 taona monja aho dia efa nanentana lanonana. Betsaka ny hetsika efa nandraisako anjara toy ny Sahobin’ny Tafika Malagasy ary ny fanentanana ny fety teo anoloan’ny lapan’ny tànana tamin’ny 2008. Ankoatra izany, manao tonian-danonana amin’ny fety maro samihafa aho ary mikabary am-panambadiana sy an-kafaliana isan-karazany.

Manaraka izany, miangaly peta-kofehy koa aho. Izahay mianakavy tao an-trano mihitsy moa no nivoy io asa tànana io. Rehefa lehibebe aho dia nahavita nampidi-bola tamin’ny alàlan’ny zava-bitako ka tsy tsy niantoka ny akanjoko sy izay kojakoja madinika ilaiko intsony ny ray aman-dreniko.

15226381_1266488433408204_1078440992_n

V : Inona no tena ireharehanao tao anatin’izay roapolo taona izay ?

F : Voalohany indrindra, tsy nanakana ahy mihitsy ny ray aman-dreniko fa nanohana hatrany tamin’izay rehetra nataoko. Vao mainka mahatsiaro sambatra koa aho amin’ny tontolo iainako ankehitriny satria manohana ahy koa ny vady aman-janako. Misy koa ireo namako mampirisika hatrany hatrany. Zavatra faharoa lehibe tena ireharehako dia ny fisian’ireo mpankafy. Misy olona tsy ampoiziko sy tsy azon’ny eritreritro akory tia ny asa soratro : misy amin’ny sokajin-taona rehetra izy ireo ary eran’i Madagasikara mihitsy.

V : Mba zarao aminay hoe ny teny manentana anao !

F : « ADIDY TENA MASINA NY HIAKAM-PANANDRATANA NY TENINDRAZANTSIKA ». Io teny io dia midika hoe tsy voatery midina an-dalambe na mitabataba etsy sy eroa vao lazaina hoe tia tanindrazana. Ny fampiasana ny teny malagasy eo amin’ny fiainanao sy ny sehatra iasana isan’andro dia efa porofo lehibe amin’ny fanandratanao ny tenindrazanao sy ny tanindrazanao.

V : Inona àry ny fanirianao ho an’i Madagasikara ?

F : Sady hafatra moa izy ity no faniriana. Tokony miverina sy miaina ny kolontsaina fototra isika malagasy vao afaka mandroso. Raha tsy izany manko dia ho olona TSY MISY FOTONY ny malagasy, mitsingevaeva eny fotsiny satria tsy ao intsony ny maha-malagasy, eny ny maha-olona mihitsy aza. Tsikaritra indrindra izany eo amin’ny tanora ankehitriny. Noho izany mila harenina ny tontolon’ny FANABEAZANA mba hanamboarana ireo simba.

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l’aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l’aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑

%d blogueurs aiment cette page :