LESONA DIMY AZO TSOAHINA AVY AMIN’NY FAHOMBIAZAN’I TAHINA

Voahosotra ho mpandraharaha tanora mendrika indrindra eto Afrika i RANDRIARIMANANA Tahina tamin’ny 25 Oktobra 2016 lasa teo. Mirehareha tokoa isika Malagasy manana azy manandratra avo ny firenentsika. Tsy tokony avelanao handalo fotsiny anefa ny fandresena toy ireny fa tokony hisintonanao lesona mba hoentinao eo amin’ny fiainanao koa. Nofintiniko ao anatin’ireto teboka dimy ireto ny tsara ho tadidina avy amin’ny fahombiazan’i Tahina :

  1. Mahay ny malagasy

Tanora 12 nisolo tena ny fireneny avy no nifaninana tamin’ny Anzisha Prize 2016 izay nahitana ny Sénégal, Egypte, Mozambique, Maroc, Nigeria, Niger, Ghana, Tanzanie, Kenya, Ouganda, Côte d’Ivoire ary Madagasikara. Ny FAHAIZA-MAMORONA amin’ny alalan’ny fitondrana vahaolana ho an’ny mpiarabelona ary ny FINIAVANA HANDROSO sy hampandroso ny nitsarana ireo tanora ireto. Nivoaka ho mpandresy i Tahina tamin’izany. Midika izany fa manam-pahaizana ary mahavita zavatra ny malagasy ka tsy tokony hitsanga-menatra ianao.

  1. Tsy ny mari-pahaizana no inona fa ny fahaizana mampiasa izay talenta ananana

Vao 16 taona monja i Tahina dia tsy maintsy nandao ny sekoly. Herintaona tao aorian’io dia nisafidy ny ianatra manokana momba ny fandrahoana sy fanodinana sakafo izy.  Tsy manana mari-pahaizana ambony izy nefa nahavita NANANGANA SY MITANTANA ORINASA. Nanamboatra sy nivarotra « fromage » no niantombohany avy eo nitariny tamin’ny fanodinana voankazo sy vokatra fihinana isan-karazany toy ny ranom-boankazo, « yaourt »sy « confiture » izany.

economie-collaborative-lexemple-de-tahina-randriarimanana_1462091159-b

  1. Azo atao ny manangana orinasa na tsy misy famatsiam-bola aza

Tsy niandry famatsiam-bola avy atsy na aroa i Tahina raha nanangana ny FIOMBONANA. Ny vola voahangony tamin’ireo asa an-tselika toy ny fivarotana « caca-pigeon », fitaterana ranon’olona sy ny maro hafa no RENIVOLA nampiasainy voalohany. Niainga avy amin’ny ZAVATRA TSOTRA sy nisy teo an-toerana izy mba hanomezany asa ny mpiara-belona aminy. Tsy nanao fandaniana be koa izy satria izy ihany no nanatitra ireo entana tamin’ny alalan’ny bisikiletany.

  1. Ny finiavana no laro fototra amin’ny fahombiazana

Nihamaro ny mpanjifa ny vokatr’i Tahina. Rehefa tsy ampy intsony ny « Fromage » vita teo Faratsiho dia nanafatra « Fromage avy any Antsirabe, Ambatolampy sy toerana maro hafa izy. Eo amin’ny sehatra rehetra, tsy mianona amin’izay efa misy izy fa MITADY VAHAOLANA HATRANY. 12 ny olona miasa ao amin’ny FIOMBONANA amin’izao fotoana izao. Tsy vitan’izany fa tantsaha aman-jatony maro no manana antom-pivelomana avy amin’ny alalan’ny fivarotana ny vokatry ny famboleny na ny fiompiny amin’io orinasa io.

14657262_1794695780770381_5063758092380556878_n

  1. Tsy mamaritra ny ho avy ny tranga ratsy teo amin’ny fiainana

Kamboty ray sy reny i Tahina . Ny reniny moa nandao ny tany efatra andro monja tao aorian’ny nahaterahany. Ny rainy kosa tsy fantany. Tsy nahaketraka azy nefa izany fa nijoro ho MPANDRESY hatrany izy. Hany ka na nisedra ny mafy aza izy dia nilofo, niasa mafy ary niketrika hatrany. Noho izany, natao ho fanoitra hampandroso ny olana mitranga eo amin’ny fiainana fa tsy natao hahakivy

Hamaranako azy ity tenin’i Tahina ity raha nanontaniana ny amin’izay tanjony izy : «  Ny tena tanjoko dia hanafoana ny mahantra eto amintsika, ny mpangataka sy ny tariny ary hanome asa ny olona tsy an’asa ».

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l’aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l’aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑

%d blogueurs aiment cette page :