DIARY : ASIO LAMINA EO AMIN’NY FIAINANAO

Tsy misaraka amin’ny olona tompon’andraikitra ny diary. Io no anisan’ny fitaovana maneho fa mandray an-tànana ny fiainany ny olona iray ary manome lanja ny andraikiny manoloana ny hafa (fianakaviana, fiangonana, fikambanana, sns). Mety endrika maro samihafa izy io fa ny ahy aloha dia ity diary an-kisary 2017 ity no entiko miatrika ny taona.

Inona ny antony ilàna diary ?

Manampy anao hametraka lamina eo amin’ny fiainanao ny diary. Amin’ny ankapobeny, natao iraketana an-tsoratra ny VINA, TANJONA, FANDAHARAN’ASA sy ireo zavatra maro tsy tokony hadinoina izy io. Ireo mpandinika manokana ny sain’olombelona aza milaza mihitsy fa mora mirakitra ao an-tsaina kokoa ny zavatra iray rehefa soratana. Manampy izany koa ilay fomba fiteny hoe « Ny soratra mitoetra fa ny teny mandalo ». Noho izany, mba ho voatahiry ao anaty fitaovana iray ireo fandaminana tianao hotanterahina dia tsara raha mampiasa diary ianao.

diary-2

Inona no zavatra hita ao anaty diary ?

Raha ity diary an-kisary 2017 ity dia feno dia feno tokoa. Ireto avy ny pejy mandrafitra azy :

  • Ny mombamomba
  • Ireo laharana ilaina
  • Ny halaviran’Antananarivo sy ny tànana hafa
  • Ny Tanjoko
  • Ny tetiandro 2017
  • Ny tetiandro 2018

Ho an’ny volana iray dia misy :

  • Ny tetiandro
  • Ireo tsingerin-taona
  • Ny fitsiahy
  • Ny antsipirihan’ny herinandro

Ary ambonin’izany rehetra izany dia ahitana kisarisary mahafinaritra natao hanentana sy hamparisika anao hiatrika am-pifaliana ny tontolo andro, ny herinandro, ny volana ary ny taona.

diary-3

Diary vita malagasy

Raha ny hevitro dia mampisongadina ny vita malagasy mihitsy ity diary an-kisary 2017 ity. Mahafatifaty sy mahatehotia ary moderina, izay angaha no ilazana azy. Hita avy amin’ny endriny ety ivelany fa tovovavy miaina ao anatin’izao vanim-potoana izao no namorona azy ary te-hanandratra ny vita avy eto an-toerana. Izany rehetra izany dia entina ampahatsiahivana anao fa mahavita zavatra tsara ny Malagasy. Ary tsy voatery ho zavatra vita amin’ny rofia, herana, bararata na koa misy sarina mpamboly vary sy mpiasa tany no atao hoe vita malagasy.

Diary amin’ny endriny hafa

Tsy voatery toy io anefa no ampiasainao fa maro ireo karazana diary misy eny an-tsena. Azonao atao koa ny mampiasa karine na kahie tsotra. Ireo manana finday avo lenta aza moa dia efa tsy zatra mikirakira taratasy intsony fa ao daholo ny fandaminana rehetra. Tsy maninona izany fa ny zava-dehibe dia ny fandraisanao an-tànana ny fiainanao. Ary ny diary fitantarana ny fiainana manokana mba ahoana ? Iny resaka hafa indray iny !

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l’aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l’aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑

%d blogueurs aiment cette page :