Diary: vita Malagasy, kanto sy tena ilaina

Omano dieny izao ny taona vaovao 2018: mamarita tanjona, mametraha fanamby ary asio lamina ny fiainanao. Indro ary atolotra anao ny Diary an-kisary 2018 misy ireo pejy ilainao mba hanana fiainana milamina sy feno fifaliana. Inona avy no hitanao ao?

Diary 2018 hafa kely

  • Tsy misy datin’andro fa manaraka izay fandaminanao
  • Ahitanao ny halaviran’ireo toerana malaza eto Madagasikara miala avy eto Antananarivo
  • Toerana manokana anoratanao ny teny filamatrao ho an’ny herinandro

P6

P5

 

 

 

 

 

Alamiko ny fiainako

  • Pejin’ny tanjona: tsarovy fa izay tsy manana tanjona dia tsy mahafantatra izay alehany sady tsy tonga na aiza na aiza.

p3

  • Fintina sy lamina isam-bolana: anoratanao ireo tokony hatao, ireo andro manan-danja sy ny maro hafa.
  • Ireo fahazarana tohizana na ajanona: Raiso ireo fahazarana tsara mitondra fahombiazana ary ialao tsikelikely ireo fahazaran-dratsy.

P7

  • Saritanin’i Madagasikara sy izao tontolo izao: ho an’ny fanirianao hitety tany, hoy indrindra ny mpandinika iray “Farafahakeliny, tokony mba mahita toerana iray vaovao ianao isan-taona”.

P8

  • Pejy ho anao manokana: azonao ampiasaina araka izay itiavanao azy.

 

Tiako ny manao lisitra

  • Ireo nofinofiko: ny nofinofy ihany no mivadika ho tanjona ary lasa tena izy rehefa ela.
  • Ireo boky hovakiako: Ny firenena mandroso indrindra eto an-tany, hono, dia ireo firenena ahitana olona be mpamaky boky indrindra.
  • Ireo horonantsary hojereko: Sady fialam-boly no fianarana ny horonantsary. Misy tsara mivoaka foana isan-taona ary ao koa ireo lasa tsy fanadino. Ataovy ny lisitra e!

P4

Tahirim-piainako

  • Ireo serasera ilaiko: laharana finday, adiresy sy ny mombamomba ireo olona, orinasa, fikambanana mifanerasera aminao.
  • Ireo teny miafinako: Mba hitadidinao ny teny miafin-ny mailakao, Facebook, Tweeter, LinkedIn, Wi-Fi, Carte bancaire sy ny sisa.

P9

Diary 2018 vita Malagasy

  • Kisarisary iray isam-bolana maneho ny hakanton’ny andriambavilanitra Malagasy
  • Ohabolana Malagasy iray isam-bolana

Sahia àry mirehareha fa mahavita zavatra kanto, meva sady tena ilaina ny Malagasy.Jifao dieny izao ny Diary an-kisary 2018 eto amin’ny blaogin’i Voniary amin’ny vidiny 40 000 Ar.

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l’aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l’aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑

%d blogueurs aiment cette page :