Rasamy: Fitia mizara izay kely anana no nandrisika ahy hanoratra blaogy sy hamoaka amboaran-tononkalo

Mpiblaogy miroa teny, mpanoratra, mpampianatra ary tompona orinasa RASAMISON Aimé na RASAMY. Ny fitiavany ny teniny sy ny taniny no solika mandrehitra indrindra ny aingam-panahiny. Efa saika voatetiny ireo faritra rehetra eto Madagasikara noho ny fitiavany mianjoria sy mizaha tany ary zarainy ao anatin’ny blaoginy izany. Izao indray, nivoaka ny boky voalohany mirakitra ny amboaran-tononkalony, nampitondrainy ny lohateny hoe “Hafatra”. Araho ary ny tafatafa ahafantaranao bebe kokoa ity Malagasy mijoro amin’ny maha izy azy ity.

Voniary: Iza moa Rasamy?

Rasamy: Zanak’olona tsotra aho, olona feno fahatsorana ny raiamandreniko ary notezainy tamin’izany izahay. Nandalina manokana momba ny tontolo iainana sy fanajariana ny tany aho teny amin’ny Hainjerimanontolo ary nahazoako vatsim-pianarana nankany Allemagne izany. Ankehitriny, mpampianatra mpikaroka eny amin’ny ambaratonga ambony aho izao sady manana orinasa, “cabinet d’études” moa no ilazana azy, izay miompana amin’ny tontolo iainana sy fanajariana ny tany.

V: Ary ilay Rasamy mpanoratra?

R: Efa nanoratra tononkalo hatry ny ela aho saingy very ny ankamaroany. Izany indrindra no nahatonga ahy namoaka io amboaran-tononkalo “Hafatra” io mba andraketako ny asa soratro. Noho izay antony izay ihany koa nanombohako niangaly ny fanoratana blaogy tamin’ny 2015. Ny “Rediredin-dRasamy”, amin’ny teny gasy mazava ho azy, dia ahitana ireo tononkalo nosoratako mikasika ny tanindrazana, fiarahamonina ary fitiavana. Ny “Blog de Rasamy” indray, amin’ny teny frantsay dia entiko anasongadinana ireto toerana mahafinaritra eto amintsika ary izarako ny fomba fijeriko momba ny sosialy sy ny fandrosoana ary ny tontolo iainana sy ny fanajariana ny tany. Tiako ho marihina fa fitia mizara izay kely ananana no mandrisika ahy satria na ny blaogy na ny boky dia tsy nataoko itadiavam-bola velively.

dsc_15351
Sary nalaina tao amin’ny « Rediredin-dRasamy »

V: Inona no zava-bita na zavatra niainanao mahafaly sy mapirehareha anao indrindra?

R: Tsy hoe mirehareha loatra aho fa tiako tsotra izao ny mizara amin’ny vahiny ary indrindra ny mpiray tanindrazana amiko ny hakanton’ity nosintsika ity. Efa nahavita nitety ireo faritra 22 teto Madagasikara manko aho: nandeha fiara, dia an-tongotra eny na nandeha sarety aza nataoko tamin’izany. Ireny diako ireny no ezahiko zaraina amin’ny alalan’ny blaogiko. Ny olana anefa, matetika ny olona rehefa manam-bola dia ny ho any ivelany avy hatrany no ao an-tsainy. Ny ahy kosa aleoko manontona vola amin’i Madagasikara.

Ankoatra izany, faniriako fony fahazaza ny ho lasa mpampianatra ary tanteraka izany amin’izao. Torak’izany koa ilay tsy miasa amin’olona fa miasa tena ary manome asa olona, efa vinavinako hatramin’izay koa iny.

TsingyBemaraha-138
Anisan’ny toerana mahasondriana eto Madagasikara ny tsingin’i Bemaraha (Madagascar en Photos)

V: Mba zarao aminay ary ny teny entinao miaina

R: “Tsy misy mafy tsy laitran’ny zoto”. Izany hoe tsy mety ny mipetrapetra-poana sy mitaraina fa tokony hiezaka hanao zavatra hatrany. Izaho manko mpandala ny fijery miabo ary izay zavatra tsara hatrany no tiako asongadina. Izany akory tsy midika hoe tsy misy olana mihitsy eo amin’ny fiainako, fa tsy ireny no andeha atao ambetin-dresaka. Na hatramin’ny boky famakiko aza dia ireny mivoy fijery miabo ireny, mizara zavatra mahasoa, ohatra hoe resaka fitantanana, ary indrindra ireny gazetiboky mikasika fizahan-tany ireny. Eny na mijery horonan-tsary aza aho dia ireny mahafinaritra ireny ihany no tena ankafiziko.

V: Ahoana no iainanao ny maha-Malagasy anao?

R: Mitazona hatrany ny maha-Malagasy ahy aho. Ary tiako indrindra ny mampahafantatra ireo zanako ny fototra niaviany dia ny any Ambanivohitra. Miezaka midina any hatrany izahay isan-kerinandro, mandeha tongotra ary manaraka ny fombam-piainana any. Fanampin’izany, tsy maintsy miteny gasy izahay mianakavy rehefa ao an-trano, na dia mianatra amin’ireny sekoly miteny frantsay ireny aza ny zanako.

V: Hafatra ho an’ny mpamaky ny blaogin’i Voniary ary?

17458277_1448064041911707_3227028697520530682_nR: Izao ihany e: mila mitraka hatrany! Tsy ilaina ny kivikivy na dia mahantra aza ny firenena. Tsy tokony adinoina koa ny mifanampy araka izay azo atao.

Un commentaire sur “Rasamy: Fitia mizara izay kely anana no nandrisika ahy hanoratra blaogy sy hamoaka amboaran-tononkalo

Ajouter un commentaire

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l’aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l’aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑

%d blogueurs aiment cette page :