Ny mpanoratra sy ny asa sorany amin’ny vanim-potoana ankehitriny: tolona, kanto, soatoavina Malagasy ary fanatontoloana

Amin’izao vanim-potoana iainantsika izao, toa saron’ny alasafay ny asa soratra kanto, toa takon’ny avy any ivelany ny diam-penin’ny mpanoratra Malagasy. Tsy milavo lefona anefa izy ireo fa mijoro hatrany ary mahatsapa fa mbola misy lanjany ny asa sorany ary mbola misy andraikiny eo amin’ny fiarahamonina. Mpanoratra samy manana ny hanitra ho azy ireo nandray anjara tamin’ny vela-kevitra notanterahina tao amin’ny Ivon-toeran’ny Kolontsaina Malagasy (IKM) Antsahavola ny zoma 20 Aprily 2018 lasa teo, saingy samy vavolombelon’ireo karazan-drivotra mitsoka eto amintsika ankehitriny. Indro ary taterina aminao ny ambangovangon’izany resadresakin’ny mpanoratra izany.

Tsiky Koloinjanahary Rabe

Izy no nanentana ny lohabary andasy. Mpanoratra izy no sady mpampianatra. Asa raha tsaroantsika ilay fifaninana tantara foronina niompana tamin’ny lohahevitra “sao hanambady aloha loatra” tao anatin’ny fihaonan’ny frankofonia teto Madagasikara tamin’ny Novambra 2016. Tsy gaga ve ianao hoe fa nahoana no nisy tamin’ny teny gasy ilay fifaninana nefa tany mampiasa ny fiteny frantsay no resaka. I Tsiky Koloinjanahary Rabe no anisan’ny vy nahitana sy angady nananana izany. Maromaro izy ireo no nitolona mafy tamin’izany mba hampitoviana lanja ny teny Malagasyamin’ny teny frantsay .

sary 1
Tsiky Koloinjanahary Rabe, Môssieur Njo, Riso Lalason, Rija Al-jonah, Riambola Mitia, Andrea Razafindraibe (avy any ankavia miankavanana)

Andrea Razafindraibe

Izy indray dia sekretera jeneralin’ny fikambanana “Operation Bokiko” ary anisan’ireo tanora maromaro voafantina tamin’ilay fifaninana voalaza tetsy ambony fa ilay tamin’ny teny frantsay no nandraisany anjara. “Entre les livres” no lohatenin’ilay sombin-tantarany. Raisiny ho fitaovana afahany maneho ny heviny ny teny frantsay satria izay no nitaizana azy hatrin’ny fahakeliny ary manavanana azy kokoa. Izany anefa hoy izy tsy midika ho fanambaniany ny teny Malagasy fa io teny io no itongilanan’ny aingam-panahiny kokoa.

Riambola Mitia

Izy no filohan’ny Faribolana Sandratra ary anisan’ireo poeta sangany amin’izao vanim-potoana izao. Taratra avy hatrany ny lovam-panahy notovoziny tamin’ireo zoky mpanorina ny Faribolana Sandratra toa an-dry Solofo José, Lidiary, Elie Rajaonarisaona sy ny hafa. Izany indrindra no maha-sarotiny azy amin’ny fitandroana sy fikolokoloana ny kanto tena izy any anaty tononkalo. Manoloana ny fahalalahana mamoaka tononkalo any anaty vondrona samihafa any amin’ny Facebook dia nilaza izy fa Ilay gazety “Ambioka” avoakan’izy ireo isam-bolana no tena fenitra satria mandalo sivana.

Riso Lalason

Ny sombin-tantara “Tapak’ahitra” no nandraisany anjara tamin’ilay fifaninanana tantara foronina niompana amin’ny  lohahevitra “Sao hanambady aloha loatra” ka nahazoany ny laharana fahatelo. Raha manantena hianoka tantaram-pitiavana ao anatin’io boky io ianao dia diso hevitra satria fisarihana ny mpamaky amin’ny voka-dratsy aterakin’ny fanambadiana aloha loatra no asongadiny ao. Misy fizarana iray ao mihitsy moa mitondra ny lohateny hoe “mamany lava”. Izay mihitsy i Riso Lalason, mipetraka ho mpanaitaitra fiarahamonina hatrany.

sary 5 sary 4

Rija Al-jonah

Ny sombin-tantara “Voatavo tsy mifandraka” no nahazoany laharana faharoa tamin’ilay fifaninana. Aposany ao ireo rafi-piarahamonina tsy ekeny, indrindra ny fanerena ny zazavavy vao 12 taona hanambady any amin’ny faritra atsimo.  Ireo efa nanaraka an’i Rija Al-jonah hatramin’izay dia nilaza fa tsikaritra any anatin’ny asa sorany hatrany ny rangotr’i E.D.Andriamalala. Tsy laviny izany satria mpanoratra Malagasy tena ankafiziny sy alainy ho fitaratra raha i EDA. Aminy, manana andraikitra ny mpanoratra toa azy ho solombavambahoakan’ny fiarahamonina ary hitondra fivoaran’ny toe-tsaina.

Môssieur Njo

Mijoro ho mpanoratra notorontoronina tao anatin’ny fanatontoloana kosa raha i Môssieur Njo, ka mahatsapa kokoa ho mponin’ny planeta tany fa tsy Malagasy fotsiny. Hita taratra ao anatin’ilay boky navoakany farany, “Lisy Mianjoria” izany. Mifangaro ao ny jery todikin’ny lasa sy ny fiatrehana ny ho avy ary koa ny fifanakalozan’ny kolontsaina maro. Satriny raha mpanoratra mahaleo tena izy ka ny feon’ny fieritreretana no hany fetran’ny aingam-panahiny. Aminy, toy ny mpahandro sakafo ny mpanoratra ka mifantina ireo laro manome tsiro sy misafidy fomba fahandro mifanaraka amin’izay mba handroso sakafo mafilotra hatrany.

Mahavelom-panantenana ny mahita ireto mpanoratra Malagasy sahy misetra ny sarotra hatrany, vonona hanandratra ny tena kanto sy hampisongadina ny maha-Malagasy mba tsy ho resy tosikin’ny fanatontoloana. Ary inoana fa misy lesona azon’ireo solofo dimbin’ny ala, avy ao amin’ny Lycée Jean Joseph Rabearivelo, noraisina tamin’iny fihaonana tamin’ireo mpanoratrin’ny vanim-potoana ankehitriny iny.

sary 3.jpg

sary 2.jpg
Ireo tonga nanatrika sy ny mpianatrin’ny Lycée Jean Joseph Rabearivelo

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l’aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l’aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑

%d blogueurs aiment cette page :