Mandaitra kokoa amin’ny Malagasy ny Dina

Izay no hevi-dehibe azo tsoahina tamin’ny voka-pikarohana nentin’Andriamatoa Edally Ranoelson Tovondrainy nahazoany ny mari-pahaizana “doctorat es droit”. Ny marina dia aleon’ny Malagasy mirona amin’ny fitsaram-bahoaka toy izay miandry ny fitsarana ara-panjakana izay tsy atokisany intsony noho ny kolikoly sy ny fanodikodinana ao ambadika ao.

Ratsy foana ve ny fitsaram-bahoaka?

Misy karazany roa ny fitsaram-bahoaka eto Madagasikara, izay mijoro tsy fidiny angaha no azo ilazana azy, rehefa hita fa tsy tomombana ny fitsaram-panjakana. Ny voalohany dia ilay fitsaram-bahoaka izay sokajintsika ho fanetribem-pirenena satria tsy mendrika ny maha-olona akory. Tsy inona izany fa ny fanasaziana, eo no ho eo na miendrika valifaty, ataon’ireo niharam-boina sy izay vahoaka namany na nanatri-maso na tsia. Ary matetika amin’ny fomba feno habibiana no anatanterahana izany toy ny fandoroana velona na famonoana. Moa va tsy toy ireny fitoraham-bato tamin’ny jiosy fahiny na ny fanapahan-tànana tany amin’ny tany arabo taloha ireny!!! Ny olana dia tsy afaka miaro tena na manamarin-tena akory ilay voampanga fa melohina maina tsotra izao.

MADAGASCAR

Ny Dina no endrika fitsaram-bahoaka faharoa. Eny, fitsaram-bahoaka io satria tsy miankina amin’ny fanjakana! Ny mampiavaka azy amin’ilay voalohany dia izy misy rindran-damina apetraka ary ifanarahan’ny mpiray monina eo ambany fitarihan’ny Olobe, Sojabe, Hazomanga na Raiamandreny eo amin’ny tanàna. Izay mandika lalàna dia iharan’ny sazy efa nifanarahana mialoha, toy ny fihavanam-bazimba e, izay mandrava aloha no kely ila. Raha fintinina dia fomban-drazana Malagasy nentina nandamina ny fiarahamonina fahiny ny Dina. Tao anatin’ny taona maromaro izay, noho ny fianahan’ny asan-dahalo dia eken’ny fanjakana ary natao ara-dalàna mihitsy ny , amin’ny faritra sasany eto Madagasikara.

Fa nahoana no tsy mandaitra amin’ny Malagasy ny lalàna sy Fitsarana ankehitriny?

Tsy matoky ny fanjakana sy ny rafitra intsony ny Malagasy ankehitriny araka ireny toe-javatra niseho tany Antsakabary sy Soamahamanina ireny. Mibaribary ny tsy fandriampahalemana ary ireo mpitandro ny filaminana (polisy, zandary na miaramila) antenain-kanirina indray no mampivandravandra satria na tsy tonga amin’ny fotoana iantsoana azy na mitaky vola amin’ny vahoaka indray. Fanampin’izay, rehefa voasambotra ilay olon-dratsy, mbola tsy azo antoka akory ny hampigadra azy na dia efa fantatra izao aza fa meloka izy. Omena tsiny ary ve ny vahoaka raha manangana fitsarana ho azy manokana sady ankatoavin’ny besinimaro?

MADAGASCAR

Hoy E.D. Andriamalala, “Ny fomba frantsay hatramin’ny fanjanahantany ka mbola tohizantsika mandrak’izao dia ny Fitsarana no mametra ny saziny, araka izay fanamaivanan-tsazy tsapany eo anoloan’ny toe-draharaha”. Betsaka ny zavatra tsy eken’ny sain-dRamalagasy ao anatin’io lalàna natao dika mitovy amin’ny lalàna frantsay io, raha tsy hilaza fotsiny afa-tsy ny hoe “tsy misy Malagasy hanaiky ho rariny raha voarohirohy izy fa nahafaty mpangalatra mitam-piadiana, tratra am-boidomby eto am-pandrobana ny fananany”. Ny toe-tsain’ny Malagasy dia manome lanja an’Andriamanitra, ny vahoaka ary ireo soatoavina toy ny tsiny sy ny tody ary ny rariny sy ny hitsiny. Ny lalàna eto amintsika anefa tsy misy idiran’ireo na dia kely aza. Ireo natao hampihatra izany koa moa manampy trotraka amin’ny fanaovana kolikoly sy fandikan-dalàna isan-karazany, hany ka maty hasina tanteraka ny rafitra.

Famerenana ny hasin’ny Dina

Ny lalàna 2001-004 dia mamaritra ny fitsipika ankapobe mifehy ny Dina amin’ny lafiny fandriampahalemam-bahoaka. Efa maro ihany koa ireo boky sy lahatsoratra miompana amin’ny fametrahana amin’ny tokony ho izy ny toeran’ny Dina eto Madagasikara raha tsy hilaza fotsiny ilay “Ny Fokonolona sy ny Dina” nosoratan’Andriamatoa Imbiky Anaclet. Mitohy amin’izay koa ity voka-pikarohana izay vao  tsy ela ity mitondra ny lohateny hoe “Ny tsy fahatomombanan’ny fitsaram-panjakana sy ny fitsaram-bahoaka: ny zava-misy any amin’ny faritra Atsimo Andrefana”. Na dia manana ny tsy fahatomombanany aza ny Dina toy ny “fifanitsahana eo amin’ny andraikitry ny manampahefana ara-pitsarana, fanamparana sy fanararaotana izay ts’izy ataon’ny mpitarika Dina sasany, fitongilanana amin’ny Lalàn’i “Talion” : famonoana ho faty ny olona voasambotra…” dia hita fa io no mandaitra eto amintsika satria mifanaraka amin’ny kolontsaina Malagasy. Efa maro ny olana voavaha tany amin’ireo faritra ikoizana amin’ny asan-dahalo ary inoana fa azo hatsaraina hatrany ny fampiharana azy.

32842134_1899092600135971_8062588775001227264_o

Mafana tokoa ny toe-draharaha raha ny fitsaram-bahoaka eto amintsika no asian-teny. Mendrika hoderaina ny fahasahiana sy fahamatoran’Andriamatoa Edally Ranoelson Tovondrainy hoy ireo mpitsara ny fanohanana izay nahitana ny  Pr Alphonse Dina avy ao amin’ny Oniversiten’i Toliara, Pr Jean Bertin Iréné Ramamonjisoa, Pr Clarisse Rasoamampionona, Pr Jeanne Ravaosolo,  Pr Henri Rasamoelina ary Pr Barthélémy Manjakahery. Marihana fa nahazo ny “mention très honorable” io boky io.


Loharanon-tsary:
Ny sary nentina nanaingoana ny lahatsoratra dia nalain’i Rijasolo, nindraminay tao amin’ny fampirantiana virtoaly:  https://culture261.com/rijasolo-5/
Loharanon-kevitra:
  • Toliara – Une thèse de doctorat sur la justice populaire- Francis Ramanantsoa / L’express de Madagascar 16 Mai 2018
  • Ny Fanagasiana, E.D. Andriamalala, Librairie Mixte, 1974
  • Lalàna laharana faha-2001-004, anaovana fitsipika ankapobe mifehy ny Dina eo amin’ny lafiny fandriampahalemam-bahoaka

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l’aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l’aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑

%d blogueurs aiment cette page :