Taratasin’i Zaman’i Jao – Momo Jaomanonga

Ao anatin’ny taratasy roapolo, miendrika tononkalo no izaran’i Zaman’i Jao ny fiainana andavanandrony sy ny heviny amin’ny toe-javatra maro toy ny fandrosoana, politika ary ny adim-piainana. Nanapa-kevitra ny ila ravinahitra etsy andafin’ny riaka, etsy Mayotte, ny tovolahy ary avy any izy no mandefa ny ventsoventsony ho an’ireo havany aty an-tànana. Ao koa ireo hafatra tiana hiantefa amina sokajin’olona manokana toy ny: zandrivavy, mpañano lamoziky, mpitsikilo ary ny mpiasa Malagasy amin’ny tany arabo.

Zaman’i Jao mpandafo boantamo – anisan’ireo tononkalo ao anatin’ny « Taratasin’i Zaman’i Jao.

Ny amboaran-tononkalo “Taratasin’i Zaman’i Jao” nosoratan’i Momo Jaomanonga dia 76 pejy ianohana ny kanto amin’ny tenim-paritra avaratra. Tononkalo maha-te-hamaky, sanatria izay hahamonamonaina satria mitantara zava-marina amin’ny fomba mahasarika ny saina. Tsy voatery hoe hilantolanto fa mety hoe mitsatotsatoka koa. Mahatsikaiky indraindray ary mampalahelo koa indraindray. Ao koa ireo filazana amin’ny fomba mivantana mifanila amin’ny fampiasana sarin-teny. Tsotsotra ny sasany fa misy koa ireo misy hevi-dalina takarina. Tononkalo lava, andininy mihoatra ny folo hatrany no rangotra manokana apetrak’i Momo Jaomanonga. Izany rehetra izany dia vontosan’ny mpanoratra anatra mafonja mba hampieritreritra sy hahatonga saina ny mpamaky. Tsy mihambahamba izy manitsy ireo diso lalana sy manakiana ireo manao tsindrihazolena. Sitrany koa ny hampitraka ireo mandalo sedram-piainana ary hampitsiry fanantenana ao amin’ny tsirairay mikasika an’ity Madagasikara mamintsika ity.

34189482_1996761443972012_1506626458162823168_n

Maneho ny finiavany hanohy ny tolona nataon’ireo zoky teo aloha ny amin’ny fanandratana ny kanto Malagasy i Momo Jaomanonga amin’ny alalan’ity boky “Taratasin’i Zaman’i Jao” ity. Poeta vao misondrotra izy ary maniry ny hanaitra ihany koa ireo zandry izay mbola matory.

Un commentaire sur “Taratasin’i Zaman’i Jao – Momo Jaomanonga

Ajouter un commentaire

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l’aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l’aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑

%d blogueurs aiment cette page :