Ivon-toeran’ny Kolontsaina Malagasy, fantatrao ve?

Raha manana ny IFM ny frantsay eto amintsika, tsy ambakan’izany koa isika tompon-tanindrazana manana ny Ivon-toeran’ny Kolontsaina Malagasy na IKM. Manandratra ny kolontsaina Malagasy amin’ny endriny rehetra sady misokatra amin’ny hafa no tanjon’ny IKM. Tsarovy fa ny fainanao ny kolontsainao no antoka iray hampamiratra azy eo anivon’ny fanatontolona ary hampandroso ny firenenao ihany koa . Manasa anao ary hahafantatra bebe kokoa ity Ivon-toerana iray ity.

Antom-pisian’ny Ivon-toeran’ny Kolontsaina Malagasy

Ny taona 2013 no natsangan’i Profesora RABENANTOANDRO Casimir ny IKM noho ny fahatsapany fa mila arenina sy kolokoloina ny kolontsaina Malagasy, indrindra eo anivon’ny tanora.

31052190_809401415911927_5752924219851669504_n
Fankalazana ny fahadimy taonan’ny IKM

30743025_809400765911992_6778012619962843136_n

 Ireto avy ary ny sahan’asan’ny IKM:

– Fivoizana sy fampiroboroboana ny kolontsaina mba hanabeazana sy hitondra amin’ny fandrosoana

– Fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana lovain-jafy sy ny fiarovana ny tontolo iainana.

26734017_760619030790166_1515214280668407729_n.jpg
Fanomanana ny fambolen-kazo tontosain’ny IKM isan-taona

Ao anatin’izany, hetsika maro no karakarain’ny IKM toy ny fampirantiana maharitra izay anehon’ny mpanakanto iray ny talentany ao anatin’ny iray volana. Mivelatra dia mivelatra ny sehatra ikatrohan’ireo mpampiranty raha tsy hitanisa fotsiny ny sary hosodoko, ny tantara an-tsary, ny sary sikotra, ny tononkalo sy ny sisa. Ankoatra izay dia mikarakara loabary andasy, atrikasa (fanorona, fanoratana boky…) ary fampiofanana isan-karazany (sary, kabary, hira, piano…) ihany koa ny ivon-toerana.

28378145_777513789100690_8658552813704824339_n
Fampirantiana iray tao amin’ny IKM Antsahavola

Foto-drafitrasa, fitaovana sy fandraisana raitra

Manana efitrano iray lehibe andraisana ireo orinasa, fikambanana, mpanakanto na olon-tsotra mikarakara hetsika ihany koa ny IKM. Mirary dia mirary ny hofany raha ny voalazan’ny mpandrindra ankapoben’ny Ivon-toerana. Io no anisan’ny fidiram-bolan’ny ivon-toerana ankoatra ireo tetikasa izay mahazo famatsiam-bola manokana.

33734911_825356677649734_8033479423699189760_n
« Neny tiako, fifaliako 2018 » anisan’ireo hetsika raisin’ny IKM

Ny 22 jona 2017 no notokanana ny efitrano FAMOLOANA izay ivon-toeram-pisiana ara-kolotsaina avy amin’ny fiaraha-miasa tamin’ny “Fond Commun multi-bailleurs” tao anatin’ny tetikasa MAROLOKO. Araka izany dia ao amin’io efitrano io no natao iainana andavanandro ny kolontsaina ka ahitana tranom-boky, solosaina, toeram-pilalaovana fanorona, katro sy kilalao hafa ao. 10000 Ariary isan-taona ny saram-pidirana ho mpikambana ao ary sary tapaka roa sy fanamarinam-ponenana no entina. Marihana fa afaka misitraka “accès Wifi” ny mpanofa ny toerana sy ny mpikambana ao amin’ny IKM.

DSC08162
Ny tranom-boky
DSC08156
Ny toeram-pilalaovana
DSC08165
Ireo solosaina

Raha te-hifandray amin’ny IKM Antsahavola

Aza misalasala manatona ny Ivon-toeran’ny Kolontsaina Malagasy ao amin’ny Tour Sahavola IBF 16 Ter A Antsahavola, rihana faharoa.

Omena anao ihany koa ny serasera afahanao mifandray amin’ny tompon’andraikitra

Laharan-tariby sy finday: 020 22 222 45 na 032 12 240 40

Mailaka: ikmalagasy@gmail.com

Tranonkala: http://www.ikm.mg

Facebook:IKMalagasy – Ivon-toeran’ny Kolontsaina Malagasy

 31061479_809399849245417_4150106372752539648_n.jpg

Les commentaires sont fermés.

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑

%d blogueurs aiment cette page :