Tsy ny rafitra no mamaritra ny maha-izy azy ny olona

Samy manana ny maha-izy azy ny olona tsirairay, io no antsoin’ny Malagasy hoe HASINA. Tsy ny rafitra no mametraka an’io fa efa ao amiko, ao aminao, ao amin’ny olombelona rehetra. Noho ny rafitra anefa dia lasa voasokajy ny olombelona : ambony sy ambany, mahay sy dondrona, manan-karena sy mahantra sy ny maro hafa. Matetika misy manararaotra ny rafitra mipetraka mba ahazoany ny tombontsoany manokana ary misy lasa voailika. Tsarovy anefa fa mandalo ihany ny rafitra ary mety hiova fa ny maha-ianao anao no tokony hitoetra. Araho ange e !

Misy lesoka lalandava ny rafitra

art-board-game-challenge-163064

Lamina apetraka eo amin’ny sehatra iray ny rafitra, ohatra rafi-pampianarana, rafi-piarahamonina, rafitra politika, rafi-pitondrana sy ny sisa. Ifanarahan’ny olona maromaro izy io mba hampirindra ny fiaraha-miaina ao anatin’ilay sehatra. Matetika anefa dia misy foana ireo mahazo tombony ary misy ireo an-jorom-bala. Ny rafi-pampianarana eto amintsika ohatra izao mametraka ny rehetra ao anaty lasitra iray mitovy ary tsy manome lanja ny talenta sy ny fahaginkana ara-batana, hany ka izay manana fitadidiana sy marani-tsaina ka afaka mamerina izay lesona am-pianarana no mahazo naoty ambony. Noho io rafi-pampianarana io dia manjary manindraindra ny diplaoma ny rafi-piarahamonina. Mitaky mari-pahaizana iray ohatra ny fidirana ho mpiasam-panjakana na ny fiakaran’ny karama dia lasa mividy diplaoma ny olona mba ahazoana izany. Etsy andaniny, tafiditra miasa ireo manam-bola nefa tsy manana ny fahaizana takiana amin’ilay asa. Etsy ankilany, sahirana ireo tena manana ny fahaizana sy traikefa afahana miatrika ilay asa. Izany rehetra izany no ilazana fa tsy ialana lesoka ny rafitra.

Meteza ho olona afaka

Manoloana ireo lesoka ireo dia misy ireo olona manaja izay rafitra misy nefa tsy voagejan’ny fanasokajiana aterak’izany. Ireo no antsoina he olona afaka. Misy dadatoanay iray izay izao nijanona nianatra tamin’ny T5 rehefa hitany fa tsy hitany ampiarina amin’ny fiainana andavanandro ny zavatra nianarany tany an-tsekoly. Tsy nianona teo fotsiny anefa izy fa nanaraka ireny fandaharana amin’ny onjam-peo ireny, namaky ireo boky vitsy sendra azy, nihaino ireo olondehibe ary nandinika ny zava-boahary sy ny fiainana mba hakany lesona. Mpamboly no asa fivelomany amin’izao fotoana izao. Ekena fa ambany ny fari-pahaizany saingy tsy mitsanga-menatra izy miady hevitra amin’ireny manam-pahaizana ao anatin’ny fianakavianay ireny rehefa sendra mamangy azy any ambanivohitra izahay. Na toe-draharaha iraisam-pirenena na tantaram-pirenena na fomban-drazana na toe-karena na politika na fahasalamana dia hainy sy hananany hevitra avokoa.

1907926_935780516439878_370517336548151014_n

Ohatra anankiray hafa indray, ny minisitrin’ny fampianarana teo aloha : Andriamatoa Paul Rabary. Tamin’ny naha-minisitra azy dia tsy nanova ny fahazarany mihitsy izy, tsy nampiasa fiaram-panjakana fa mandeha fiarakaretsaka, moto na bisikileta, tsy nanana mpiambina manokana, tsy nipetraka tamina tranom-panjakana sy ny sisa. Hoy izy manko hoe « Ny politika politika eny ihany ary ny toerana ifandimbiasana ». Azo lazaina izany fa tsy niantehitra sy nanararaotra ny rafi-pitondrana nisy izy fa nijoro amin’ny maha-izy azy. Mety misy hilaza hoe tsy lavorary izy, fa amiko, misy toetra tsara sy fomba fiaina azo alain-tahaka any aminy.

Trandraho ny maha-ianao anao

Inona ary no tokony atao hoy ianao ? Raha olona nasondrotrin’ny fahaizanao ianao ka afaka miditra amin’izay asa tianao dia aza manao tsinontsinona ireo tsy manana diplaoma fa ny olombelona samy manana ny maha-izy azy fa ny rafitra no manasokajy ny olona ho ambony sy ambany. Raha olona mahatsiaro voailikin’ny rafitra kosa ianao, tsy manana mari-pahaizana na tsy manana toerana ambony, dia tsarovy fa misy zavatra tsara azonao trandrahina sy itondra anao amin’ny fahombiazana foana ao aminao. Izao koa no tadidio, nataon’Izy Mpahary tsy mitovy ny olombelona mba hifameno. « Harena ny fahasamihafana » hoy ny mpandinika ary « Izay tsy mahay sobiky, mahay fatambary » hoy ny ohabolan-drazantsika. Noho izany, aza manaiky sokajina ho ambony na ambany fa samy nomen’Andriamanitra fanomezam-pahasoavana avokoa isika mba samy hahazo tombotsoa.

boy-child-clouds-346796

Amaranako azy, averiko ihany fa ilay ao anatinao no maha-ianao anao fa tsy izay lazain’ny rafitra ety ivelany. Tsinjovy ireo izay voailiky ny rafitra (tsy nahavita fianarana, mahantra, manan-kilema sns). Raha mahatsiaro an-jorom-bala indray ianao, mijoroa ary indrindra mikiriza fa tsy maintsy ho tafita ianao.

2 commentaires sur “Tsy ny rafitra no mamaritra ny maha-izy azy ny olona

Ajouter un commentaire

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l’aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l’aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑

%d blogueurs aiment cette page :