Ny fokonolona araka ireo kabary nataon’ny Kôlônely Richard Ratsimandrava eran’ny nosy 1973 – 1975

Koa atolotra àry ity boky ity, sao lahy mba hahitantsika vahaolana amin’izao andro manjombona diavin’ny firenentsika izao. Boky izay namelombelona ny fanantenan’ny maro noho izy  nitondra rivo-baovao feno hanitry ny maha-Malagasy ka tonga dia nambabo ny fon’ny tantsaha tsy ankanavaka na avy aiza na avy aiza. 

Ho hitanao ao anatin’ireo « kabary ala-olana » miisa 62 notsongaina nataon’ny Kôlônely RATSIMANDRAVA ny lalan-tsaina hahafahanao mikaroka ireo zavatra latsa-paka, sady tsy leon-driaka no tsy hilaozan’ny toetr’andro, hampitombo aina ny eto amintsika, na eo amin’ny olona tsirairay izany na eo amin’ny vahoaka Malagasy. Ho tsapanao fa ny fanagasiana ny fampandrosoana no alaolana fototra, fanoitra mahatoky, hampahomby ny fanatontoloana tsy maintsy sedraina.

Kabarin’ny kôlônely Ratsimandrava
cc : Facebook Richard Ratsimandrava

Ny tanjona : « ho fanandratana ny fanahy maha-olona »

Amin’ny alalan’ireto lalam-pisainana maro ireto :

  • Ny fokonolona : fototry ny fanorenana sy ny fanarenana, tsy manavakavaka, aron’ny fihavanana, ny fiandrianam-pirenena ary ny fizakana ny tany ;
  • Ny fikatsahana ny soa iombonana ;
  • Ny fifanatonana sy ny fifanakalozan-kevitra : fifanajana, fifanomezana hasina ao anatin’ny fiarahamonina ;
  • Ny fitantanana ny toe-karena ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka manontolo ;
  • Ny fampihavanana isan-karazany hoenti-mandrafitra fiarahamonina vaovao, hanana endrika maro ary hilatsa-paka eo anivon’ny vahoaka.

Ary olona mahay, tsy miamboho adidy, mahafantatra izay ilainy, olona afaka no olom-pirenena hiara-hizotra amin’izany lalam-pandrosoana laroan’ny fahamarinana izany.

RAtsimandrava eo am-perinasa
cc : Facebook Richard Ratsimandrava

Kabary miavaka sy misy votoatiny

Eny, kabary avokoa no ato anatin’ity boky ity, kabary ifamaliana amin’ny mpihaino. Fomba tsy dia mahazatra antsika loatra angamba izany satria matetika dia kabary tsy valiana no fahita sy fandre ataon’ny manam-pahefana rehefa mifanatrika amin’ny vahoaka izy.

Misy matoan-kevitra mandrakariva ny kabarin’ny kôlônely, matoan-kevitra miovaova araka ny toerana sy ny vahoaka tsidihiny ary koa ny zava-misy eo amin’ny tany sy ny fanjakana na ny taloha na ny ankehitriny na ny ho avy. Araka izany, ny matoan-kevitra ao amin’ity boky ity dia miompana amin’ny hoe : ilaina ny fiovan-drafitra, ny fiarahamonina vaovao, ny tanora sy ny toe-karena ary ny rafitra ifampifehezana.

Izany dia milaza fa lehilahy fatra-pandini-javatra ny kôlônely Richard Ratsimandrava fa raha fanontaniana izay heverina ho tsy misy antony iny, ohatra, no apetraky ny mpihaino, ny valinteny omeny kosa dia tena voahadihady lalina ary mahafaoka zavatra maro.

Rakotohova Edmond Clet

Notsongaina avy amin’ny Savaranonando sy teny fanolorana

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l’aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l’aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑

%d blogueurs aiment cette page :