Fanja Razah : « Mahatety vanim-potoana, tsy leon-driaka ary tsy leon’ny fandrosoana ny teny Malagasy »

Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-dreny rahampitso 21 Febroary. Andro iray natokan’ny UNESCO hanamarihana manokana ny fahasamihafana eran’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fiteny izy io ary indrindra hampahatsiahivana fa zon’ny tsirairay ny mampiasa an-kalalahana ny tenin-dreny eo amin’ny fireneny. Aiza ho aiza ary ny tenindrazantsika manoloana ny toa fanjakazakan’ny teny frantsay sy ny fanatontoloana amin’ny ankapobeny. Indro entina amintsika ny antsafa niaraka tamin’i Fanja Razah, mpanoratra, poeta ary tompon’andraikitra ao amin’ny Foibe momba ny teny an’ny Akademia Malagasy.

Fanja Razah, mpanoratra, poeta ary tompon’andraikitra ao amin’ny Foiben’ny teny an’ny Akademia Malagasy

Voniary : Raha ara-tantara dia manana fototra aostronezianina ny teny Malagasy izany hoe avy amin’ireo Indoneziana tonga teto tamin’izany. Raha zohina izany dia tenina mpiavy ! Avy eo nifangaro tamin’ny fitenin’ny mponina efa teto sy izay nifanerasera tamin’izy ireo taty aoriana. Tsy efa izay fifangaroana sy fandraisana ny an’ny hafa izay mihitsy ve izany no maha-teny Malagasy ny teny Malagasy. Inona no tokony atao manoloana ny toeran’ny teny Frantsay eto amintsika amin’izao ?

Fanja Razah : Tsy hoe mandà be fahatany ny fidiran’ny teny frantsay isika. Efa betsaka ange ny voambolana frantsay noagasiana e, ary tsy vitsy koa ny voambolantsika no novainy heviny araka izay tiany. Ohatra fotsiny izao ny saina, sainam-pirenena no tiana ambara eto. Faneva no filaza azy hatramin’ny faha-mpanjaka fa ny Frantsay no nanova azy hoe saina avy amin’ny « enseigne ». Toy izany koa ny Zanahary, ilay nahary izao tontolo izao sy nivavahan’ny Malagasy rehetra. Rehefa nitondra ny azy ny Kristianina dia nataony hoe Andriamanitra mba hiavaka tanteraka amin’ny Zanahary.

Izany no ilazako hoe tena mandray ny teny eoropeana isika ka izay zava-baovao, mbola tsy nisy teto, nentin’izy ireo dia ny fiantson’izy ireo ihany no noagasiantsika. Saingy ilay foto-pisainana nitondran’ny frantsay mpanjanaka azy teto no manitikitika ny hambom-pontsika Malagasy. Tenin’ny mpanjanaka io ka ankahalaintsika ary taty aoriana aza lasa « teny baiko » indray ilay izy. Amin’izao moa dia ampiasain’ny sasany hanambonian-tena sy hamingavingana ny sasany indray ny teny frantsay.

Sary famantarana ny iray volan’ny teny Malagasy

V : Ahoana ny fahitanao ny teny Malagasy amin’izao fotoana izao ?

FR : Amiko, mbola velona tanteraka ny teny Malagasy. Azo zaraina ho sokajy telo isika Malagasy manoloana ny fampiasantsika ny tenindrazanatsika. Ny sokajy voalohany dia ireo mponina any ambanivohitra izay tena mbola miaina tanteraka ny teny Malagasy sy ny foto-pisainana maha-Malagasy. Matetika mbola mirona amin’ny fiompiana sy fambolena nentim-paharazana izy ireo ka mazava ho azy fa ny voambolana taloha no ampiasaina toy ny hoe Fangady. Ao koa anefa ireo liam-pivoarana ka mahafantatra voambolana teknika sy mampiasa fitaovana nentin’ny vahiny dia ny anaran’ireny ihany no agasiany ohatra hoe « charrue » dia lasa lasaria, « sarcleuse » lasa hoe sarklezy.

Ny sokajy faharoa dia ireo atao hoe nandia fianarana monina ety an-drenivohitra. Mampifangaro teny fatratra izy ireo ary indraindray aza dia teny frantsay ranoray no ampiasainy. Miteny gasy ihany saingy amin’ny fisainana tsy Malagasy, hany ka na ny firafitry ny teny sy ny fehezan-teny aza dia manjary hafa mihitsy.

Ambohimahasoa, Ambanivohitra
Ny tontolo ambanivohitra no mbola mitazona ny teny Malagasy sy ny foto-pisainana tena Malagasy

Ary ny sokajy fahatelo dia ireo tsy nianatra na zara raha nandia fianarana monina ety an-drenivohitra. Izy ireo indray dia mampiasa ny teny rehetra araka izay takatry ny sainy. Ohatra hoe mitorona izay ilazana ihany koa ny hoe mihemotra. Raha zohina anefa dia avy amin’ny teny frantsay hoe « tourner » izy io izany hoe mihodina fa lasa mikisaka amin’ny tsy tokony ho izy ny dikan’ilay teny noho ny fampiasan’ny besinimaro azy ao anatin’ny tsy fahatakarana hevitra loatra .

V : Hanao ahoana ary ny ho avin’ity tenindrazantsika ity ?

FR : Izaho manokana aloha dia tsy kivy satria mbola ny maroanisa no mampiasa ny teny Malagasy raha raisina fotsiny hoe 80 isan-jaton’ny Malagasy dia mponina ambanivohitra. Noho izany, mino tanteraka aho fa mbola mahatety vanim-potoana tsara ny teny Malagasy, tsy leon-driaka, tsy leon’ny fandrosoana. Fantaro fa io teny Malagasy io anie no notetehin’ny Frantsay hopotehina voalohany mba haharingana ny kolontsaintika e, saingy tsy nety potika izy hatramin’izao.

Tsy mety potika ny teny Malagasy

Ny fototra mampateza ny teny Malagasy dia ny fampiasan’ny Malagasy tsivakivolo azy. Eto amintsika, mifankahazo hatrany ny fiteny na avy amin’ny foko samy hafa aza no mifampiresaka. Ireo lazaintsika hoe tenim-paritra manko dia io teny Malagasy iray io ihany fa misy miova ny fanonona azy na ny firafitry ny fehezan-teny. Eritrereto fa ny an-dry zareo Frantsay, tena fiteny hafa mihitsy io noraisina ho fiteny ofisialy io fa manana ny fiteniny manokana ny « Bretons », ny « Alsaciens » sy ny hafa. Noho izany, mananjara isika Malagasy manana io teny Malagasy tokana io.

Ny ezaka tokony hatao izao dia ny mandrafitra ny politikan’ny teny amin’ny fomba ofisialy izay mamaritra ny fenitra amin’ny famoronan-teny sy ny sampan-draharaham-panjakana tompon’andraikitra amin’izany.

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l’aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l’aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑

%d blogueurs aiment cette page :