Fiofanana : « Miantomboka avy ao anaty ny fiadanana »

Sambany eto Antananarivo ary eto Madagasikara mihitsy no hisy fiofanana momba ny « Ho’oponopono », fomba avy any Hawai miompana amin’ny fampivelarana ny maha-olona. Hotanterahina ny Sabotsy 23 Martsa 2019 ho avy izao izy io, manomboka amin’ny 1 ora sy 30 minitra ka hatramin’ny 4 ora folakandro ao amin’ny Red Zone Coworing Tsiadana. Nathalie Rakotoniaina, mpanorina ny Creativeo no hitondra ny fiofanana. Indro ary entina aminao ny andinindininy mikasika izany.

« Ho’oponopono », inona moa izany ?

Fomba fampivoarana ny maha-izy azy ny tena avy any Hawai izy io. Miainga avy amin’ny tsirairay no ahavitana zavatra iray. Ohatra hoe raha misy fikasana na tetikasa ianao dia ianao mihitsy no mila vonona voalohany fa tsy miandry ny hafa. Izay no mahatonga ny lohahevitr’ilay fiofanana hoe « Miantomboka avy ao anaty ny fiadanana ». « Fomba iray hahatongavana amin’izany ity «Ho’oponopono » ity, tena mahomby ary hazoana tombontsoa tokoa ka mendrika ho fantatra na dia fomba avy any ivelany aza » hoy i Nathalie Rakotoniaina.

Photo by Snapwire on Pexels.com

Fampivelarana ny maha-olona : fiofanana miavaka, fomba hafa kely

Miavaka io fiofanana io satria zava-baovao mbola tsy nisy teto amintsika no entina ary tonga dia misy fampiharana avy hatrany. Tsy mila ireny mpanaraka manokana ireny ianao rehefa hampiahatra azy eo amin’ny fiainana andavanandro fa ianao ihany dia mahavita azy.

Raha tsorina dia fihetsika sy fomba efa iainantsika andavanandro ihany ilay izy fa tsy azontsika veroka fotsiny. Rehefa asiana anarana sy azavaina kosa ny tena foto-keviny dia hahomby kokoa ny fampiharana azy.

Ny tanjon’ny fiofanana voalohany dia ny fahafantarana ny tena. « Matetika ny olona iray raha vao anontaniana hoe : « iza moa ianao ?» dia ny anarany sy ny asany no amaliany izany. Lasa voafetran’ny toerana misy anao eo amin’ny asa ny maha-anao anao nefa tsy izay no izy. » Hoy ny fanazavan’ny mampiofana. Io fomba « Ho’oponopono » io dia afahana mamaly io fanontaniana io araka ny tokony ho izy. Ny tanjona faharoa dia mba hahatonga saina ny olona hoe mifandray avokoa ny olona rehetra. Izay hitanao ao aminao ihany no fomba hitsaranao ny olona avy eo. Ary ny tanjona fahatelo dia ny fanadiovana ny fitadidian-diso izany hoe ireo traikefa ratsy niainana tany aloha noho ny fihetsika na fiteny nataon’ny olona taminao ary misy fiantraikany ratsy amin’ny fiainanao ankehitriny.

Nathalie Rakotoniaina sy ny Creativeo, fantatrao ve ?

Vehivavy Malagasy tia manampy ny olona hivelatra sy hisondrotra eo amin’ny fiainany Rakotoniaina Nathalie ka izany no nananganany ny Creativeo, orinasa mpanolotra fiofanana amin’ny fampivelarana ny maha-olona. Tao aorian’ny nahavitany fianarana momba ny serasera dia nandalina manokana ny fampivelarana ny maha-olona izy. Raha ity « Ho’oponopono » ity indray dia herintaona sy tapany teo izay no nanatanterahany fikarohana mikasika azy io. Ankehitriny hanomboka hizara ny fototra sy ny fampiharana azy io izy mba hitondra soa ho an’ny besinimaro.

Rakotoniaina Nathalie S. Roberdison
cc : Miadanjato

Ilaina tokoa ny mahafantatra ireo karazana fomba fampivelarana ny maha-olona tahaka itony. Ny tanjona manko dia ny mba hahatsapan’ny tsirairay ny fisian’ny hery avy ao anatiny, izay afahany manova ny fiainany sy izao tontolo izao mihitsy aza. Izany no toe-tsaina mpandresy voizin’ny Blaogin’i Voniary hatrany. Araraoty ary ny fisian’ny fiofanana tahaka izao mba hanairana ny hambom-ponao sy hikolokoloana ilay toe-tsaina mpandresy. Miainga avy ao aminao ny fiadanana !

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l’aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l’aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑

%d blogueurs aiment cette page :