Dominique Ramarlah: “Na dia monina eto Frantsa aza izahay efa-mianaka dia tsy manadino ny maha-malagasy “

Efa telopolo taona mahery no nonina tany an-dafy i Dominique Ramarlah. Hatramin’izao anefa dia mbola teny malagasy sy foto-pisainana malagasy no entiny mieritreritra. Raim-pianakaviana tia manao soa sy mizara ihany koa izy. Izany no nahatonga azy ho mpikatroka eo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny fandrosoana lovainjafy. Namoaka boky momba ny kolontsaina Bara sy ny fitsaboana nentin-drazana koa izy mba hizarany ny haren’io kolontsaina io amintsika ankehitriny sy ny taranaka fara aman-dimby. Ato anatin’ity antsafa ity ary no ahafantaranao ny sombim-piainan’i Dominique Ramarlah.

Voniary: nanao ahoana ny fahazazanao ?

Dominique Ramarlah: Samy metisy Malagasy-Frantsay na ny raiko na ny reniko, saingy tsaroako fa teny malagasy hatrany no nifaneraseranay tao an-trano. Dokotera mpiasam-panjakana ny raiko fahiny dia mifindra monina matetika izahay : tany Mantasoa (1960-62), tany Majunga (1962-65) av yeo teto Antananarivo (1965-68). Tamin’ny 1968 dia tapa-kevitra ny hiasa tena ny raiko ka nirona tamin’ny fitsaboana tantsaha ny safidiny. Nanomboka teo dia nifindra tany ambanivohitr’Itasy izahay. Noho izany azo lazaina hoe lehibe tany ambanivohitra izany aho, niara-nilalao tamin’ny zanaky ny mpamboly sy ny mpiompy.

Ny tanana any Itasy
cc : Dominique Ramarlah

Tany amin’ny sekoly miankina amin’ny finoana tany Analavory Itasy aho no nianatra fony kely. Nanomboka tamin’ny  taona 1971, nampiakarin’ny Ray aman-dreniko taty Antananarivo aho ary nampidirina kilasy mandry tao amin’ny ESCA Antanimena. Tamin’ny voalohany dia nanano sarotra ny fiainako tao amin’ny maha safiotra ahy. Etsy ankilany, nanilika ahy ireo mpiara-mianatra vazaha noho ny maha « malagasy » ahy. Etsy andaniny koa tsy nandray ahy ho namany ireo mpianatra malagasy satria noheveriny ho « vazaha »aho!

V: Azo lazaina hoe nanara-dia an-drainao ihany ianao teo amin’ny sehatry ny asa!

DR: Eny, nahasarika ahy ny tontolon’ny fitsaboana noho izy afahana mamonjy ain’olona sy manao soa. Saingy tsy dia mpitsabo loatra no asa nataoko fa mifanakaiky amin’izay ihany.

Noho ny fizakako zom-pirenena malagasy sy frantsay moa dia afaka monina eo amin’ireo firenena roa ireo aho. Nisafidy ny ianatra sy ipetraka taty Frantsa aho tao aorian’ny nahatontosako ny fanompoam-pirenena (SNHA) tany Madagasikara.

Vao tonga taty Frantsa tamin’ny taona 1983 aho dia niasa alina tamin’ny orinasa mpanao « emballage en polystyrène » famonosana hena sy voakazo no asa fivelomako nandritry ny 3 volana. Tao aorian’izay dia voaantso anao raharaha miaramila aho ka mpitsabo mpanampy no andraikitra nosahaniko tamin’izany. Sady niofana ho mpiasa amina laboratoara na “laborantin” ihany aho mandritra izany.

Rehefa nahazo ny mari-pahaizana Teknisianina amin’ny laboratoara aho dia niompana tamin’izany hatrany ny asako teo anivon’ny tafika frantsay. Tamin’ny taona 2000 anefa, nitsahatra niasa ho an’ny tafika frantsay aho ka niditra tamina « laboratoires d’analyses médicales » samihafa. Rehefa niasa ela tamin’ireny « laboratoires de biologie médicale » tsy miankina ireny aho dia izao no zavatra tsapako: tsy manampy amin’ny fitsaboana no tena antom-pisiany fa fitadiavana tombony. Tsy mifanandrify amin’ny toe-tsaiko anefa izany ka nitsahatra tsy niasa amin’ny laboratoara intsony aho.

Dominique Ramarlah

V: Tsy nahavaly ilay hetahetanao hanao soa izany ilay asanao, dia inona no nataonao?

DR: Teo am-panatontonsana azy ireny dia nihevitra hatrany aho fa manasoa ny fiarahamonina. Ankehitriny kosa, misy niova ny fijeriko ka izay no nahatonga ahy nanova ny fomba fianinako.

Niverina nianatra àry aho tamin’ny taona 2017, nanomana « Diplôme d’Etat Jeunesse Education Populaire Sport » nandritra ny herintaona. Ankehitriny, mpandrindra tetikasa miompana amin’ny fanabeazana sy ny tanjon’ny fandrosoana lovainjafy no asako ary tena mahaliana ahy tokoa izany.  Eto am-pikarakarana tetikasa fanomezana tany ho an’ny tantsaha any Itasy izao izahay ankehitriny.

Cette image a un attribut alt vide ; le nom du fichier est taninjanaka-2.jpg
Ny fandrosoana lovainjafy

V: Mipetraka any andafy ianao, ahoana no itazonanao sy anehoanao ny maha-Malagasy anao?

DR: Efa nikasa ny hody tany Madagasikara ihany izahay ny taona 2000, saingy tsy tontosa izany noho ny antony maro samihafa. Izao anefa, na dia monina eto Frantsa aza izahay efa-mianaka dia tsy manadino ny mahamalagasy !

Voalohany indrindra ho marik’izany, nomenay mivady fanampin’anarana malagasy ny zanakay na dia tsy mba manana fanampin’anarana aza malagasy aho.

Ny fampianarana ny teny malagasy ny zanakay no zavatra faharoa. Ny mampalahelo anefa dia rehefa miroso amin’ny ambaratonga samihafan’ny fampianarana eto Frantsa izy ireo dia resy tosiky ny teny frantsay ny teny malagsy. Amin’izao fotoana izao, mahazo resaka ihany ry zareo dia saingy sarotra ho azy ny miteny malagasy. Zava-mitranga matetika izany eo anivon’ny zanaky ny mpifindra monina izany.

Ny zavatra tsikaritro koa, na dia efa 30 taona nandaozana an’I Madagasikara aza aho dia matetika mieritreritra amin’ny fomba malagasy sy amin’ny teny malagasy, izay vao mandika izany amin’ny teny frantsay amin’ireo manodidina ahy.

Mahatsikaiky ihany koa fa rehefa tena reraka iny aho dia misy teny malagasy misisika eny anivon’ny fehezanteny frantsay eny. Mitranga matetika izany any am-piasana rehefa mifanakalo hevitra amin’ny frantsay mpiara-miasa amiko aho !

Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko

V: Inona no foto-kevitra ijoroanao eo amin’ny fiainana?

DR: Ho ahy dia samy olombelona jiaby ny eran-tany ka afaka mifanampy sy mizara : Valala iray ifanapahana… Mizara ny manta sy ny Masaka… hoy ny Ntaolo izay !

Ankoatr’izany, harena ny mifanerasera amin’ny kolontsaina samihafa. Tany tokana ity diavintsika ity. Noho izany, iray ihany isika olombelona ka tsy hitako izay dikan’ny tsy ifampizarana ny harena misy eto an-tany !

Izany ohatra no antony nanolorako ilay boky momban’ny kolotsaina Bara ho azo alain’ny rehetra any amin’ny habaka. Voalohany indrindra, harenan’ny Bara io. Faharoa, tsy avy amin’ny herimpoko manokana no nanatontosa azy fa boky nosoratan’ny Raibeko no niandohany ary maro ireo olona nanampy ahy tamin’ny fikarohana.  Fahatelo, satriko zaraina amin’ny faramandimby izany rehetra izany.

Nosoratako tamin’ny teny frantsay izy io satria tamin’io teny io ny ankamaroan’ny loharanom-pahalalana nanaovako fikarohana indrindra tany amin’ny aterineto. Noho io boky io manana zo malalaka dia azon’ny rehetra hatao ny mandika azy amin’ny teny malagasy.

V: Mba lazalazao misimisy kokoa hoe ny momba io boky nosoratanao io!

DR: Boky miompana amin’ny kolotsaina Bara sy ny fomba fitsaboana fahiny izy io. Amin’ny teny frantsay ilay izy fa “OMBIASA sy Oly ary Sikily” no lohateniny amin’ny tenindrazantsika.

Azon’ny rehetra tsidihina amin’ity rohy ity ilay izy:

http://classiques.uqac.ca/contemporains/Ramariah_Dominique/Croyances_et_sante_chez_les_BARA/Croyances_et_sante_chez_les_BARA.html

Ity boky ity indray, izay amin’ny teny malagasy, dia ny raibeko no nanoratra azy. Izy no Malagasy voalohany nandray an-tsoratra ny mombamomba ny fiainan’ny Bara notsaboiny tao Benenitra tamin’ny taona 1912:

http://malagasyword.org/bins/teny2/nyaminnyfinoannybara

Nandrana nandika azy io amin’ny teny frantsay fotsiny no hany mba nataoko. Hitanao ato ihany koa izany:

https://sites.google.com/site/barademadagascar/programmes-de-recherche

Manana blaogy manokana ihany koa aho:

http://bara-ihorombe-madagascar.blogspot.com/2012/03/quid.html

Ny raibeny, Antoine Marie Ramarlah
cc : Dominique Ramarlah

V: Hafatra ho an’ny mpamaky ny blaogy

DR: Ny famakiana ny bilaogy malagasy toy itony no mba afahako mitahiry izay mba kely tsaroako momba ny teny malagasy, izay miova toy ny teny rehetra eran-tany ihany.

Mamerina ny fisaorana ho an’ny Bara (indrindra fa i Tinahy Dorthine) sy ny malagasy rehetra nanampy ahy teo am-panoratana sy am-pamelarana ny habaka momban’ny Bara ary koa ho an’i Voniary, mpiandraikitra ny Blaogin’i Voniary.

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l’aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l’aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑

%d blogueurs aiment cette page :