‘Ndao tohanana ny tanorantsika hiatrika ny fifaninana maneran-tany momba ny robotika any Dubai

Rehefa nanao antso fanohanana ara-bola ny Barea volana vitsivitsy lasa izay dia nirohotra ny besinimaro. Misy aza hono nandrotsaka 300 Ar. Fiaraha-misalahy nahavelom-bolo sy nahavelom-panatenana teo amin’ny Malagasy tokoa iny ary nisy vokany tamin’ireo mpilalao satria nanosika azy ireo hanao izay tratry ny heriny.

Fotoana hafa, sehatra hafa indray ity saingy miantso ny fanohanatsika ihany koa. Tanora 5 mianadahy izy ireo no hisolo tena an’i Madagasikara amin’ity fifaninana iraisam-pirenena miompana amin’ny robotika amin’ny 22 hatramin’ny 27 Oktobra any Dubai ity.  Betsaka ny fandaniana tsy maintsy ataon’izy ireo any raha tsy hilaza hafa-tsy ny saran-dàlana ahatongavana any fotsiny. Koa miantso antsika Malagasy tsivakivolo hitondra izay voarambin’ny tanana hanohanana azy ireo.

“Na arivo ariary aza dia efa manova zavatra, hitambatambatra io raha entaninao koa ireo olona akaiky anao…Rehefa hoe « solotenan’i Madagasikara » dia raharahantsika rehetra fa tsy an’olom-bitsy. Na olon-tsotra ianao na olona manana andraikitra ambony eto amin’ny fanjakàna, tsy fangataham-bola tompoko no ataonay fa fanentanana handray andraikitra.”

Sahaza Marline, tompon’andraikitra ao amin’ny STEM4GOOD Madagascar

Azonao alefa amin’ny Mobile Money, kaonty banky na Paypal ny tolotrao.

Mba hahazoanao fanazavana misimisy:

Ny ekipa Malagasy tamin’ny fifaninana iraisam-pirenena momba ny robotika tany Mexico tamin’ny 2018
cc : FIRST Global Madagascar

Fa inona moa izany robotika?

“Ny robotika dia fitambarana teknika afahana mamolavola sy mamokatra milina mandeha ho azy na “robot”

Wikipedia

“ Fantaro fa fikarohana fotsiny io, mba hanehoana amin’ny rehetra ny fomba fampiharana ny taranja siantifika any an-tsekoly.”

Sahaza Marline, tompon’andraikitra ao amin’ny STEM4GOOD Madagascar

Izany hoe antoky ny fivoarana ny fahaizana robotika satria efa mirona amin’izany ny famoronana ataon’ny enjeniera maro amin’izao fotoana izao. Natao hanampy ny olombelona ny “robot” satria voafetra ihany ny herintsika sy ny fahaiza-manaontsika.

R2D2, ilay “robot” amin’ny horonantsary Star Wars no anisany malaza indrindra. Fantaro anefa fa tena misy ny “robot” fa tsy amin’ny sarimihetsika fotsiny. Vao tsy ela akory izao tany Etazonia no namorona ilay “robot” voalohany manampy amin’ny fizarana sakafo amin’ireny trano fisakafoanana ireny ny orinasa Bear Robotics.

R2 D2 ilay « robot » ao amin’ny horonantsary Star Wars
Photo de LJ sur Pexels.com

Fa maninona no asiana fifaninana maneran-tany amin’ny robotika?

Ny FIRST Global Challenge no mikarakara ity  fifaninana ity mba hisarihana ny tanora hitia ny Siansa, ny Teknolojia, ny Enjenieria ary ny Matematika izay afohezina hoe STEM. Nanomboka tamin’ny taona 2017 no nisy ny fifaninana FIRST Global Challenge voalohany izay nahavory solontenan’ny firenena 157, anisan’izany i Madagasikara.

Isan-taona dia miainga amin’ny lohahevitra iray mahakasika ny fanamby atrehin’izao tontolo izao amin’izao vaninandro iainantsika izao ny fifaninana fananganana “robot”. Tamin’ny taona 2017 izao dia ny fahazoana rano fisotro madio no lohahevitra, ary tamin’ny 2018 ny fiantraikan’ny fampiasana angovo. Amin’ity taona 2019 ity indray dia asaina mamorona “robot” mifandraika amin’ny soa fanararaotra avy amin’ny ranomasina ireo tanora ireo.

Ie, nahavita namorona robot ireo tanora malagasy ireo!

Tanora 14 ka hatramin’ny 18 taona izy ireo ary mpianatra eny amin’ny lisea. Tamin’ilay andiany voalohany dia nahazo medaly alimo tamin’ny loka Sofia Kovalevskaya ny ekipa Malagasy. Nandray anjara ihany koa ny tanorantsika tamin’ny taona 2018.

Kalesa 2.0 « Robot » Vita Gasy FGC 2018
cc : First Global Madagascar

Tamin’ity taona ity dia “robot” manadio ranomasina no noforonin’izy ireo.

“Robot ahazoana isa betsaka indrindra amin’ity no amboarinay ary hoentinay any Dubai.”

Facebook First Global Madagascar
Ilay « robot » namboarin’ny ekipa Malagasy FGC 2019
cc : First Global Madagascar

Iza avy ary ireo hisolo tena antsika any?

Dimy mianadahy izy ireo:

  • Mialimihanta Rivah Razafinandraina 18 taona, taona faharoa amin’ny “Génie Industriel” au CNTEMAD. Izy no kapitenin’ny ekipam-pirenena Malagasy.
  • Francia Marcelle Rasolomampionona 18 taona, taona faharoa amin’ny « Électronique, Systèmes Informatiques et Intelligence Artificielle » ao amin’ny ISPM Antsobolo.
  •  Harilanto Gonzalez Andrinirina 18 taona, mianatra Elektronika ao amin’ny ESPA Vontovorona
  • Kevin Aldo Rakotonirina 16 taona, TERMINALE A ao amin’ny Lycée André Resampa Antsirabe
  • Zion Alberson 18 taona, mahay mekanika
Izy dimy mianadahy hisolo tena antsika
cc : First Global Madagascar

Aman-jatony ny tanora nisoratra anarana tao aorian’ny antso fandraisana anjara tamin’ny volana Oktobra 2018. Telopolo tamin’izy ireo no afaka tamin’ny sivana voalohany ka niatrika antsafa mivantana tamin’ny tomponandraikitry ny STEM4GOOD Madagascar. Anisany fepetra notakiana tamin’ireo tanora ireo ny fahaiza-manao ara-teknika, ny fahaizana mifandray amin’ny hafa, ny fahaizana miketrika ary ny haitarika.

Ndao ary tohanana e!

Azontsika an-tsaina fa an-tapitrisany maro ny fandaniana ilaina iatrehana ity fifaninana ity manomboka amin’ny fananganana ilay “robot” ka hatramin’ny fivahinianana any Dubai.

“Next A, Ecole Bird ary Rio Tinto no manohana hatreto. Ny Dubai Future Foundation, izay niangatra manokana antsika Malagasy satria tsy tafavoaka mihitsy isika, no miantoka tapakilan’olona 7. Efa nitondra eo amin’ny 1 500 000 Ar eo ho eo isakin’ny ankizy. Nisy aza voatery nindrana. Mbola tsy ampy anefa izany. Dia mbola mila mitady 5 000 000 Ar eo farafahakeliny.”

Sahaza Marline tompon’andraikitra ao amin’ny STEM4GOOD Madagascar

Azonao alefa amin’ny Mobile Money, kaonty banky na Paypal ny tolotrao.

Mba hahazoanao fanazavana misimisy:

“Tsy hoe fanamboarana “robot” fotsiny izy io fa famohazana ny faniriana handresy ao am-pon’ireo tanora ary fisarihana azy ireo mba hitia ny Siansa, Teknolojia, Enjenieria ary Matematika”

Facebook First Global Madagascar

« Mamboatra Robots sy mandalina teknolojia no fialamboliko. Mahatsapa ho manana adidy lehibe amin’ny firenena aho, amin’ny maha-mpianatra enjeniera ahy. Tena mbola goavana ireo fanambin’ny fandrosoana lovainjafy tsy maintsy atrehintsika eto Madagasikara ».

Kevin Aldo, tanora ao amin’ny ekipa Malagasy FGC 2019

2 commentaires sur “‘Ndao tohanana ny tanorantsika hiatrika ny fifaninana maneran-tany momba ny robotika any Dubai

Ajouter un commentaire

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l’aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l’aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑

%d blogueurs aiment cette page :