Fiofanana fikirakirana blaogy sy teny malagasy – maro no liana

Tontosa soa aman-tsara ilay fiofanana FIKIRAKIRANA BLAOGY ary TSIPELINA SY FITSIPI-PANORATANA MALAGASY nokarakarain’ny vondrona TENY GASY 2.0 tamin’ny sabotsy 23 Novambra lasa teo. Nahavelom-bolo ny fihaonana. Tsy afaky ny tsy hiroborobo ny teny malagasy na aty amin’ny aterineto na any amin’ny sehatra hafa raha ny hafanam-pon’ireo vory tao no asian-dresaka.

Blaogy hono hoe!

Liana ny olona: inona moa izany blaogy? Atao inona izany? Ahoana ny fikirakirana azy? Raha adiny iray anefa dia kely dia kely tokoa raha iresahana momba ny fikirakirana blaogy. Noho izany, fampahafantarana fohy ary fampianarana manokatra blaogy no natao. Mbola maro anefa no tokony resahina: fitantanana blaogy, fampidirana lahatsoratra, fanapariahana izany, fiaraha-miasa, sns.

Tamin’ny tapany faharoa, araka ny fandaharana dia niroso tamin’ny fampahafantarana ireo fahadisoana mateti-piseho eo amin’ny teny malagasy miompana amin’ny faingo mihantona, haintso, feo kentsona, afaka sy azo ary ny tovana ina sy ana.  Nahaliana aoka izany ny fizarana sy ny adihevitra. Midika izany fa samy sarotiny amin’ny teny malagasy ireo vory tao.

Raha hiblaogy amin’ny teny malagasy tokoa dia tsy afa-misaraka amin’ny fahaiza-mikirakira azy ny fifehezana ny teny malagasy. Mahavaky fo loatra ny mahita ireo tranonkala sy blaogy maro tsy miraharaha izay fenitry ny teny malagasy akory fa rehefa tafita ny hevitra tiany zaraina dia izay. Izany indrindra no antony nanaovana ity fiofanana ity, mba hitombo ny mpisehatra aty amin’ny aterineto mivoy ny teny malagasy sady manaja ny hasiny.

Tsy hijanona eo ny TG 2.0

Olona 21 no tonga nanatrika. Tsikaritra fa liana amin’ny famoronana blaogy ireo nanatrika. Tsy izy ireo ihany anefa fa maromaro ireo izay naniry ny ho tonga nefa tsy afaka noho ny antony maro samihafa.

Tsy nisy ny elanelana teo amin’ny mpampiofana sy mpiofana. Fizarana, adihevitra, fifanakalozana, hanihany, tokelaka, izay no nisy tao. Tsy nisalasala nandray anjara ny rehetra, nametraka fanontaniana sy naneho ny heviny. Na dia efa nananontanona aza ny orana, malain-kisaraka ery ny rehetra.

Santatra ambavarano iny fa ny manetsabe mbola ho avy. Mbola vao miana-mandeha ny vondrona Teny Gasy 2.0 na eo amin’ny fandaminana na eo amin’ny fikarakarana ka ialana tsiny izay tsy fahatomombanana. Hotohizana ny fiofanana ary hatsaraina amin’ny lafiny rehetra.

Manome fotoana anareo sahady ary amin’ny hetsika manaraka e!

Voniary

4 commentaires sur “Fiofanana fikirakirana blaogy sy teny malagasy – maro no liana

Ajouter un commentaire

  1. Mankasitraka indrindra tamin’ny fifampizarana. Indrindra ilay izy atao ankitsipo sy ampifaliana tanteraka. Iriako loatra ny isian’ny olona tia mizara toa anareo izao izay lavitry ny fitiavam-bola. Izay mizara toa mantsy hono no mitombo hatrany ny fahalalany. Mba nikasa ny hanatrika ihany koa izay nefa ny elanelana amin’arivo kilometatra tsy afahana anatanteraka izany. Mirary soa anareo amin’izay mbola atao.

    J'aime

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l’aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l’aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑

%d blogueurs aiment cette page :