Diary sy Rakibolana 2020 – Andao hiteny malagasy mandritra ny taona!

Fanambin’ny Blaogin’i Voniary ny hamoaka vokatra vita malagasy miavaka sady tsara. Dibo-kafaliana izahay fa tanteraka izany ankehitriny na dia teo aza ny sedra maro nolalovana.  Ela niketrehana, fotoana maro nikotrehana. Eny! Masa-bary maito kitoza isika ankehitriny satria ny taona vaovao, ary fitaovana entina miatrika izany mihitsy no atolotray. Tsy inona izany fa ny Diary 2020. Tsy izay ihany anefa fa misy rakibolana kely voasokajy ao anaty lohahevitra 12 ao anatiny. Araho ange e!

Ividy Diary sy Rakibolana 2020 ianao? Ato

Diary sy Rakibolana 2020, inona izany?

Vokatra voalohany navoakan’ny Blaogin’i Voniary izy io.

  • Diary miavaka : efa nahita Diary sy rakibolana mitambatra izany ve ianao?
  • Forona sy rafitra, malagasy 100 %: i Andrianina, mpikirakira sarin’ny Blaogin’i Voniary no namorona ny haingo sy nandrafitra azy ary iVoniary kosa no tompon-kevitra sy mpandrindra.
  • Lohahevitra 12 mifanaraka amin’ny toetrandro: fampivelarana ny isam-batan’olona, fiovaovan’ny toetrandro, fitantanana sy fandraharahana…
  • Voambolana hampiasainao isan’andro: lohahevitra miompana amin’ny zava-misy ankehitriny sy ilaina eo amin’ny sehatra samihafa no nofidiana

Tahaka ny ahoana ny endriky ny Diary sy Rakibolana 2020?

  • Refiny: A5 (14,8 cm x 21 cm), mba ho tafiditra any anaty kitapo sy poketra, hoentinao na aiza na aiza
  • Fonony miloko: mahafatifaty, miavaka sy manintona avy hatrany
  • Anatiny miloko sy misy kisary : mba ho feno loko koa ny taona diavinao

Inona avy ireo karazana pejy hita ao amin’ny Diary sy Rakibolana 2020?

  • Izaho (mombamomba)
  • Tanjoko
  • Tetiandro 2020 sy 2021
  • Serasera (Olona mifanerasera aminao)
  • Tenimiafina (hitahirizana ireo tenimiafina marobe, oh: Facebook, Mailaka….)
  • Herinandro 1 ao anatin’ny pejy 2, misy faritra hanoratana naoty
  • Lohahevitra 12 (Rakibolana)

TOMBONY ho anao:

  • Fitaovana handaminanao ny tanjona sy lahasa mandritra ny taona
  • Fitaovana hianaranao voambolana malagasy ilaina amin’izao vanimpotoana izao
  • Fahafaham-po sy fifaliana manjifa ny VITA MALAGASY
  • Azonao atao fanomezana ihany koa amin’izao fanombohan’ny taona izao

Ividy Diary sy Rakibolana 2020 aho!

Fenoy avy hatrany ity: https://forms.gle/mSbCdd65Hm1qVLHX8

Azonao atao ihany koa ny miantso ny 033 73 477 93

Mandefa hafatra amin’ny Facebook: Blaogin’i Voniary

Aterinay any amin’izay misy anao amin’ny fotoana mety aminao ny Diary. 29 000 Ar ny vidiny.

Vitsivitsy no natonta ary amin’ny Talata 21 Janoary ny fara-fandraisana famandrihana koa aza miandry ela ary sao dia tsy hahazo ny anjaranao eo ianao!

Voniary

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l’aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l’aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑

%d blogueurs aiment cette page :