Fanatontoloana sy haitao vaovao : manjavozavo ny hoavin’ny teny malagasy

“Tsy miaina anaty firenena isika, fa miaina anaty fiteny. Sao lahy diso hevitra, fa ny tenin-drazana no tena tanindrazana”

hoy ingahy Emile Cioran izay, mpandinika sy mpandala fahendrena, tera-tany Romana.

Miroborobo ny tekinolojia, mahery fitsoka ny rivotra ny fanantontoloana; miteraka tontolo iray – tontolo iainana mihitsy ary – ivelaran’ny tanora rehetra tsy ankanavaka, tontolo miorina amina toko telo: ny aterineto (indrindra ny tambazotram-pifandraisana Facebook raha ny eto), ny finday, ary ny solosaina; izay mampiasa teny sy mivoy kolo maha-olona vahiny. Koa raha ny teny malagasy no asiana resaka, dia manjavozavo ny ho avy, toa tsy zarizary. Ny tenin’ireo vahiny no mahazo vahana, mahazo lanja hatrany, tsy maintsy arahana.

Toa fomba fiteny fotsiny ihany sisa, tahaka ny tsianjery masiso tsy fantatra mazava fa averimberina fotsiny ilay hoe “andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko”. Ny zava-misy tsikaritra izao dia hoe “feheziko ny teniko, lolohaviko ny an’ny hafa”. “Feheziko ny teniko” tsy amin’ilay heviny mahazatra ny besinimaro, fa amin’ny heviny hoe gejaiko, fatorako, tsy mivoatra, miala aina – tsy ampiasaina; fa mihidy – mikatona – mihatakona, mihamaizina, mihavery… vokatr’izany toa “ambaniana – ahetry” ankolaka, satria rehefa te hisongadina sy hisarika ny hafa, hilaza – hitantara – zava-dehibe dia miteny vahiny, toa hoe mandreraka sy sarotra hono mantsy ny teny malagasy, lazaina fa hoe tsy ampy voambolana, na koa hoe “teny frantsay no tenim-pirenena ofisialy”, toa manahirana e!… Nefa raha teny vahiny no resaka, hita eny rehetra eny, hatrany an-tsekoly ka hatrany an-trano, eny an-dalambe sy anelankelan-trano, amin’ny haino aman-jery rehetra iny, ary maro ny olona sarotiny sy hentitra amin’ny fitsipika sy tsipelin-teny… Toa hoe entina mitsara ny halalin-tsain’ny olona mihitsy ary ny fahaizana ny teny vahiny…

Teny Gasy 2.0

Firy amin’ireo Malagasy mpiangaly sy mpikirakira haitao vaovao sy tekinolojia, firy amin’ireo olona lazaina fa avara-pahalalana moa no mampiasa sy mahavoafolaka ny tenin-drazany? Izay miseho, maneho hevitra, mitatitra ny hita ( ny voka-pikarohana sy ny vaovao farany) raha tsy miteny vahiny dia mampiasa teny mifangaro (vary amina akotry hoy ny sasany, sakafon-kisoa hoy aho). Izany no miparitaka eny rehetra eny, hita sy heno amin’ny haino aman-jery, vakiana amin’ny efijerin’ny finday sy solosaina. Raha zava-miaina ny fiarahamonina, azo lazaina fa ny tekinolojia sy ny aterineto no fantsona mitondra ny ra sy ny otrik’aina mamelona azy, ary azo lazaina fa ny Teny no Aina taterin’ireo ra sy otrik’aina ireo. Vitsy loatra ny olona miteny sy mampiasa – tena mivoy sy mamelona – ny teny malagasy ankehitriny.

Raha ny lafiny ita sy serasera fotsiny no jerena, izay sehatra voalohany ivelaran’ny teny, dia manginy fotsiny ny diso tsipelina sy tsy fahaizana fitsipika hita amin’ny gazety, mitombo folo, zato, arivo avo heny rehefa tonga ao amin’ny aterineto, indrindra tratran’ny fanafohizan-teny tsy zarizarin’ny Facebook sy ny someso. Fanafohizan-teny tsy zarizary hoy aho, satria azo atao tsara ny manafohy teny raha asiana lalàna sy fitsipika mazava tsara, tsy mivaona lavitra amin’ny fiteny ofisialy, tsy mifanipaka na mamono ny fiteny tokony ho izy. Manoratra daholo izay te hanoratra, na “adala” na “hendry” (samy manana ny famaritany ny tsirairay); tsy olana, manana zo hiteny sy haneho ny heviny ny tsirairay, samy afaka mijoro amin’ny maha-izy azy; fa ny OLANA dia hoe ilay TSY TE HAHALALA izay resaka fitsipika sy tsipelina, ny fahadiovan’ny fomba fanoratra, fa hoe rehefa tafita ny hafatra dia izay no zava-dehibe. Sanatria ve hoe rehefa mitafy ny vatana dia izay no zava-dehibe, na maloto na madio ny eny an-koditra, na antonony na tsia ny akanjo, nefa miseho ho olona manan-tsafidy fa tsy hoe olona tsy misy fahafahana? Sa ve hoe safidy manokana ny hiakanjo maloto, ny haneho hevitra sy hanoratra teny tsy misy fotony, tsy hita hoe gasy sa vahiny?

Blaogy sy Teny Malagasy
Ireo mpiofana tamin’ny « Blaogy sy Teny Malgasy « andiany voalohany

Manjavozavo, tsy zarizary, toa maizina ny hoavin’ny teny malagasy raha avela mitohy ny zava-misy amin’izao. Ny ho avy, ny ampitso nefa mbola tsy nitranga, tsy nisy – tsy misy – fa hisy, ka azo ovaina, azo amboarina. Miankina amin’ny ataontsika anio, ny hoavintsika rahampitso. Mbola azontsika atao ny mamerina ny teny malagasy amin’ny lanjany teo aloha, mamerina ny hasiny sy ny voninahiny fahiny, mamerina azy amin’ny toerany, mametraka azy amin’ny tokony hisy azy. Anjarantsika tsirairay avy ny mamelona sy mampiroborobo ny tenintsika mba haharaka ny fihazakazaky ny tekinolojia sy ny haitao vaovao. Isika ve dia ho mena-mitaha amin’ny Sinoa, sy ny Japoney? Efa misy ny miezaka, ao ny tsy nilavo lefona, miady hatrany hatrany. Efa nisy ny Fanagasiana na tsy nahomby aza, ny lesoka omaly raisina ho lesona entina manatsara ny ampitso. Fankasitrahana sy fankaherezana manokana ho an’ny ezaka be ataon’ireo milofo sy mitolona hatrany, ny mpanoratra, ny blaogera, ny tanora miezaka mampiasa sy mamolaka ny tenin-drazany. Raha mbola misy ny olona toy ireny, tsy ho very ny teny malagasy.

“Masina ny Tanindrazana” hoy ny fiteny, hoy aho kosa hoe “Masina ny Tenindrazana”.

Rindra Rakotonirina

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l’aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l’aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑

%d blogueurs aiment cette page :