Hanta Ramakavelo: “Ry vehivavy, misy fahazavana ao anatinao!”

Mpanabe, mpandraharaha, mpanoratra, poeta, vady, reny… Maro sahanina raha i Hanta Ramakavelo fa ny maha-reny azy no laharam-pahamehana aminy, hoy izy. Izay fon-dreny izay ihany koa no entiny misahana ny andraikiny rehetra am-pitiavana indrindra eo amin’ny fampivelarana ny maha-olona na ny fampivoarana-tena. Vokatr’izany mamiratra izy, mahomby ary miaina ao anaty fahasambarana.

Vehivavy mijoro amin’ny maha izy azy izy ary tsy misalasala mametraka izany avy hatrany eo amin’izay rehetra lalovany. Karazan’ireny olona toa misy hery sy fahazavana manokana tsapa avy hatrany ao aminy ary manazava ny manodidina azy ireny i Hanta Ramakavelo. Hany ka toa olona avo lenta sy saro-takarina izy ho an’izay mijery mitsipalotra ety ivelany saingy olona tsotra, tia mizara sy tia manasoa rehefa tomorina akaiky.

Mahaliana hatrany ny miresaka aminy, indrindra ny mihaino azy satria toa sompitra feno fahaiza-miaina, fahaiza-mitia ary fahalalana maro isan-karazany izy. Ary ny mahafinaritra koa dia mandala fatratra ny maha-Malagasy izy na dia efa ho roapolo taona aza no nonina tany ivelany. Tahaka ny fanaoko isan-taona dia mitondra vehivavy iray mamiratra eo amin’ny sehatra misy azy aho mba hanaitra ny hambom-ponao mpamaky amin’ny andron’ny vehivavy. Entiko aminao anio ary sombin-dresaka nifanaovako tamin’i Hanta Ramakavelo: mombamomba azy sy hafatra mahery vaika antenaiko fa hitondra vokatsoa ho anao.

Voniary (V): Mpanabe ianao, mpandraharaha, mpanoratra ary mitana andraikitra maro hafa. Ahoana ny fahitanao ny fandraisan’ny fiarahamonina malagasy ny vehivavy mamiratra sy mandray andraikitra?

Hanta Ramakavelo (HR): Ny fahitako azy, rehefa mahasoa ny zavatra entinao dia raisin’ny fiarahamonina tsara foana ianao. Rehefa manaja ianao fa tsy manitsaka ny hafa ka raisinao tsara ny andraikitrao dia manjary fantatry ny olona ianao. Dia eo no ilazana fa mamiratra ianao.

“Tsy ny toerana misy anao no mampamiratra anao fa ny fomba fiainanao eo amin’io toerana io”

Hanta Ramakavelo

Ny olona manko matetika mieritreritra hoe rehefa minisitra na tale jeneraly no atao hoe mamiratra. Izay no mampihazakazaka ny maro amin’ireny toerana ambony ireny. Amiko anefa, na sekretera ianao na mpanao taokaonty, rehefa hainao ny miaina tsara io toerana io dia mamiratra ianao. Izany hoe rehefa ao anatina toetra tsara no anaovanao azy ka mahomby sy mitondra fiadanana ianao. Raha tsorina izany, ny olona rehetra dia afaka mamiratra sy misongadina fa tsy izay eny ambony ihany akory. Ny fahatsaran-toetra no tena harena.

V: Anisany ahafantarana anao ihany koa ny fanomezan-danja ny maha-Malagasy ohatra amin’ny fitafy sy ny fiteny!

HR: Amiko, Lahatr’Andriamanitra ny maha-Malagasy ahy. Ireto soatoavina roa ireto no anisany maharesy lahatra ahy manokana:

  1. Tolo-janahary aho: Andriamanitra no namolavola ahy sy ianao ka misy fanomezam-pahazoavana (fahaiza-manao manokana, zavatra mahakinga sy mahaliana) manokana ho an’ny olona tsirairay. Nomeny talenta entina ianao anasoavana anao izay vao ny hafa, izany hoe mandalo aminao, amin’ny alalanao izay vao mankany amin’ny hafa.
  2. Izy no nisafidy sy nandahatra ahy ho Malagasy. Tsy nanaotao foana izy ary tsy miangatra. Resy lahatra aho fa ao anatin’ny maha-Malagasy ahy dia misy fanomezana sarobidy toy izany koa ny olombelona tsirairay na Frantsay, Somaliana, Thailandey, sns.

“Misy fanomezam-pahasoavana manokana isam-pirenena entina maneho ny voninahitr’ilay Mpahary”

Hanta Ramakavelo

Misy olona tsy tia ny maha-Malagasy azy ary mahamenatra azy mihitsy aza izany. Ny anton’izany dia afangarony ny vokatra sy ny maha izy azy. Tsy ilay maha isika antsika anefa no ratsy fa nisy fomba natao tsy nety ka nahazoana izao vokatra izao.

Tsy tokony hafangaro ny vokatra sy ny maha izy azy. Raha ohatra manamboatra latabatra ianao ka tsy refesinao tsara ilay izy, tsy mampiasa ny fantsika tena mety amin’ilay hazo ianao, tsy nandrasanao maina tsara ilay azo, nataonao tandrametaka ny fandrafetana azy. Mazava ho azy fa mivaralila ilay latabatra vitanao, sady ratsy no mora simba raha oharina amin’ny hafa. Izany anefa tsy midika fa ianao no ratsy fa ny fomba fiasanao no tsy nety. Raha mianatra anefa ianao, mitandrina sy manatontosa am-pitiavana ilay asanao dia ho hitanao fa hahavita zavatra tsara ianao.

Ny olombelona no manoratra ny tantarany. Any amin’ny olombelona ny fahefana hanova satria nomen’Andriamanitra safidy izy. Ny olona tsirairay no manapa-kevitra hanova ny toe-tsaina, hanatsara ny toe-pony, hampitombo ny fahaizany…

Manandratra ny maha-Malagasy. cc: Hanta Ramakavelo

V: Izay tsy fitiavana ny maha izy azy izay ve no mampahantra ny Malagasy?

HR: Ny tena marina dia very isika, tsy tafiditra ao anatin’ilay vatsim-pitiavan’Andriamanitra satria manambany tena, dia lasa manimba tena.

Ny Ntaolo Malagasy kosa anefa nahatakatra an’io fisian’ny fitiavana io ka nahatsapa hoe tiana ny olombelona tsirairay. Nanome lanja ny fiainana anaty izy ireo satria fantany fa ny fanahy, saina sy ny fo no zava-dehibe indrindra. Ireo no tena ianao sy harena mitoetra ho anao fa ny vatana miofo sy mody vovoka rehefa miala eto an-tany ianao.

“Ny sanda maha izaho ahy dia tsy miankina amin’ny zavatra vitako, ny fahaizako, ny firazanako, ny zavatra ananako na tsy ananako fa amin’ny maha olombelona ahy dia ny fanahiko”

Hanta Ramakavelo

Ankehitriny, tsy mahatsapa ilay sanda ananantsika io intsony isika. Efa tsy “ny fanahy no maha olona” intsony no mipetraka fa “ny vola no maha rangahy”. Eo koa ilay fomba fisainana ory hava-manana “raha maty aho matesa rahavana” dia misy ny olona misintona ny sasany ho any an-davaka hanaraka azy koa rehefa mitotongana ny fiainanay. Poizina manimba antsika Malagasy io.

Noho izany, mila mamerina ny fihavanana amin’Andriamanitra ny Malagasy tsirairay ka mahatsapa hoe tolo-janahary izy. Rehefa fantatry ny olona iray io fijerin’Andriamanitra io dia lasa fijeriny ny tenany aloha avy eo fijeriny ny hafa koa.

V: Izany antony izano no manosika anao anandratra ny maha-Malagasy!

HR: Anisan’ny ezaka nataoko tao anatin’ny roapolo taona izay ny mitrandraka ireo voambolana malagasy tsara, voambolana mamelona. Tsapako hoe anisan’ny antom-pisiako izay ary raisiko ho voninahitra ho ahy. Ny hoe “développement personnel” izao dia ny sary ao ambadiky ny teny no andraisako azy ka izao no andikako azy: fampivelarana ny maha-olona. Taty aoriana, nampiako hoe fahaizana mitantana ny fiainana satria ny foto-kevitra ijoroan’io sehatrasa io dia manampy ny olona handray an-tanana ny fiainany.

Izao kosa anefa, “ny soa fianatra” hoy ny fitenenana. Noho izany, tsy mikombona aho fa izay tsara rehetra avy amin’ny kolontsaina hafa dia raisiko avokoa. Raisiko tanteraka ilay teny feno fahendrena  nolazain’I Henri Rahaingoson: “Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko.” Izay mahasoa no raisina. Atao toy ny voankazo an’ala ka ny tsara sy mamy atelina, ny mangidy sy ratsy arina.

V: Ny hazo no vanon-ko lakana, hono, ny tany naniriany no tsara. Toy ny ahoana no nanabeazana anao, ny nitaizana anao ka nahatonga anao ho toy izao?

HR: Izaho aloha dia sahy milaza hoe nahazo hazon-damosina matanjaka, mahery vaika avy amin’ny ray aman-dreniko aho.

“Vitandry akia io a!” Izay foana no ambetin-tenin’i Dada rehefa misy zavatra nataoko ka nampisalasala ahy. Namafy fitokisan-tena tato amiko izany, hany ka latsa-paka tato anatiko ilay hoe: “vitako foana io”.

“Ianaro akia!” Izay hatrany indray ny valin-tenin’i Neny rehefa misy zavatra ampanaoviny ka mamaly aho hoe: “tsy haiko io!”.

Nijoro ho ohatra velona izy ireo ka mora niampita tamiko ny soatoavina napetrany. Ohatra amin’izany ny fitiavana ny fototra nipoirana. Hainy ny miaina sy manome lanja ny maha-Malagasy, tsy manambony tena ary tsy manambany tena. Olona tsy mba matimaty avy amin’ny any ivelany izy ireo fa milaza hatrany hoe “vitantsika koa io!”, “tsy mena-mitaha amin’ny an’ny hafa ny antsika ».

Olona sahy mijoro amin’ny maha izy azy izy ireo. I Dada tsy menatra mihitsy na izy irery ary no manao malabary rehefa misy hetsika atrehiny ireny. I Neny indray, vehivavy mpahay siansa, mpikaroka. Na sehatra maro lehilahy aza io dia tsy misalasala izy mijoro. I Neny dia nampianatra foana hoe raha mbola misy ny vokatra malagasy azo ampiasaina dia izay vita malagasy ihany no vidiana fa tsy ny avy any ivelany. I Dada moa fantatra amin’iny fitafiny, malabary sy lamba, iny hatrany na aiza na aiza alehany.

V: Inona no zavatra niainanao na vitanao nahafaly anao, mampirehareha anao indrindra?

HR: Ny fifaliako lehibe indrindra dia ny nanomezan’Andriamanitra ahy zanaka beazina. Efatra ny zanako ary ireo no tena diplaomako. Nanova ny fiainako, ny fandaharam-potoanako rehetra io zavatra io.  Ireo zanako ireo no vaindoan-draharahako, ireo aloha. Adidy lehibe amiko ny maha-reny.

“Ny tetikasako goavana indrindra dia mitantsoroka ireo zanako eo amin’ny lalana voasoratra ho azy.”

Hanta Ramakavelo

Mitantsoroka aho, manampy fa tsy mandidy manapaka satria an’Andriamanitra ireo zaza ireo fa tsy ahy. Miverina hatrany eto ilay hoe tolo-janahary ny olona tsirairay. Miara-mitaiza amin’Andriamanitra aho izany. Manabe azy ireo aho hahafantatra ny antom-pisiany sy manampy azy ireo handeha araka izay ary manome ny vatsy rehetra ilainy hahatongavany amin’izany.

Nametrahan’Andriamanitra fitokisana aho hahavanona sy hahasambatra an’ireo zaza ireo. Adidy goavana izany amiko. Marina fa eo ny asa sy ny adidy rehetra eo amin’ny fiarahamonina fa ireo zanako ireo no laharam-pahamehana amiko. Matiantoka aho raha rehefa mandao an’ity tany ity ka nahatsangana orinasa maro, nampianatra olona marobe nefa ny zanako tsy mahafantatra ahy akory. Ny faniriako lehibe indrindra dia mba ho hita ao amin’ireo zanako ireo ny tsara indrindra aty amiko. Izany hoe tsy ny endrika ihany fa ny toetra sy foto-pisainana nampahomby ahy no tiako hananan’izy ireo ihany koa.

V: Hafatra manokana ho an’ny vehivavy ary amin’izao 8 marsa izao!

HR: Inty misy fandalinana nataon’i Pasitera Rakotobe Jaomanjato. Ireto teny efatra ireto: lehilahy, vehivavy, tarehy ary hehy dia manana ny fototra iombonana hoe “EHI” avokoa, avy amin’ny hoe “EHR”, teny hebrio midika hoe: “fahazavana anaty hita ety ivelany”.

Hetsika iray notontosain’i Hanta Ramakavelo. cc: Hanta Ramakavelo

Tiako ho fantatry ny vehivavy rehetra hoe misy fahazavana ao anatiny. Ento misandrahaka izay fahazavana izay ary ataovy ao anaty fahatsoram-po, fitiavana, fikirizana ary finiavana te-hanasoa. Amiko, tsy misy ady tokony hatao, tsy ilaina ny mitabataba etsy sy eroa. Mijoro aho, mitondra ny maha izaho ahy, manazava ny manodidina dia izay fotsiny. Isika vehivavy no manoratra ny tantarantsika. Rehefa hitantsika hoe misy zavatra tokony harenina dia andao harenina.

Voniary

7 commentaires sur “Hanta Ramakavelo: “Ry vehivavy, misy fahazavana ao anatinao!”

Ajouter un commentaire

  1. Miarahaba tompoko. Maro ny oha-pitondran-tena azoko notsoahina tamin’ny resaka nifanaovanareo teo izany no itondrako ny fankasitrahana feno!

    J'aime

  2. Miarahaba Tompoko, Misaotra ny amin’ny fizaràna, kanto sy raitra tokoa ary maro ny lesona azo ary hampitaina amin’ny sehatra manandrify Mankasitraka VONINARIVO Herisoa

    J'aime

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l’aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l’aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑

%d blogueurs aiment cette page :