Mila mivoatra ianao mba handresenao ny Covid-19

Tafaresaka tamin’ny namako aho indray andro izay.

  • Raha izao angamba no mitohy dia any volana any taona rehefa lehibe ny zafikelintsika dia mijery ny sarintsika taloha dia gaga hoe « ary ianareo toa tsy manao arovava sady izay mifampihosonkosona be nefa olona maro miaraka maka sary ! »

Dia hovaliantsika miaraka amin’ny tsiky feno hanina ny fahiny :

  • Taloha rankizy an, tsy nisy an’izany aretina Covid izany, nalalaka tsara izahay niaina : tsy nanao arotava, afaka nifanakaiky sy nifamihina ny rehetra, afaka nivezivezy sy ny sisa

Dia ho lasa saina izy ireo haminavina izany tontolo mahafinaritra izany. Ny hany fantany manko dia ny fiainana voafehin’ny fepetra ara-pahasalamana efa hatramin’ny nahaterahany.

Dia lasa eritreritra izahay roa vavy hoe ahoana tokoa raha toy izao foana ny fiainana : isan-taona rehefa miha-manakaiky ny ririnina dia mirongatra ny tsimokaretina Coronavirus, mitombo ny isan’ny marary, mihabetsaka ny lavon’ny aretina. Dia hiaina ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana lavareny, tsy maintsy manao arotava, mifampihatakataka, mailomailo…

Mety resaka nandeha ho azy fotsiny iny saingy izany tokoa no hitranga raha izao toe-draharaha izao : toa tsy misy fanafanany tena mahomby ilay aretina ary tsy dia hita loatra koa izay fanefitra. Izany tontolo feno ahiahy, feno tebiteby, tsisy fahalalahana izany ve anefa no tianao holovain’ny taranakao ? Raha izaho manokana aloha dia tsy ekeko izany ! Any amin’ny olona tsirairay anefa ny vahaolana.

Hivoatra sa ho ringana ?

Mipetraka amin’ny tsirairay io fanontaniana io : mipetraka amiko, mipetraka aminao. Io ihany no safidy misy fa tsy misy toeran’ny marimaritra amin’izao fotoana izao : na ianao misafidy ny hivoatra dia ho velona, na ianao misafidy ny hilavo lefona dia ho ringana.

Tsarovy fa araka ny « théorie de l’évolution » napetrak’i Darwin dia mivoatra manaraka ny fiovan’ny toetrandro sy ny tontolo iainany ny zava-boahary. Izay tsy maharaka io fivoarana takina io dia ringana izay no antsoina hoe « sélection naturelle ». Ohatra amin’izany ireo karazam-biby lehibe nisy taloha : ny dinôzaoro sy ny « mammouth » izay nanjavona efa tapitrisa taona lasa izay. Efa ela loatra izany hoy angamba ianao. Fa vao tamin’ny taona 2020 izao no nisy karazan-trondron-dranomamy izay tsy hita afa-tsy tany amin’ny farihy Lanao tany Phillipines no ringana tao daholo.

Ny Dinozaoro, izay efa nanjavona tapitrisa taona maro izay
Photo de Mike sur Pexels.com

Ao anatin’io hevitr’i Darwin io ihany dia voalaza ny hoe izay zava-boahary mahay mifanaraka amin’ny fiovana misy eo amin’ny tontolony amin’ny alalan’ny « mutation », izany hoe fiovana hatrany amin’ny sela sy ny ADN dia mampita izany amin’ny taranany, no maharitra.

Hitanao amin’izany àry fa na ny biby aman-javamaniry aza mahay mivoatra. Fantaro àry fa isika olombelona dia mbola manana hery ambony lavitra noho izy ireny hivoatra manoloana ny fiovana.

Sakafo ara-pahasalamana iatrehana ny Covid-19

Anisany fiovana takin’izao vanimpotoana izao ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana ary tonga dia mety hita mivantana ny fiantraikany. Eo ihany ny fanafody isan-karazany fa ny sakafo voajanahary sady mora vidy kokoa no azonao ivalamparana tsara.

Ireto ary ny sakafo mampitombo hery fiarovana izany hoe sakafo betsaka Magnésium sy ny Vitamine A ary ao ko any Vitamine C:

– Legioma andrahoina, tsy atao masa-doatra: ovy, karaoty (Vit A), voatavo (Vit A), poarao, kotomila…

– Legioma atao lasary: karaoty, voatabia (Vit A), tongolo maitso (Magnésium)… Azo asiana voasary makirana (Vit C)

– Tsara atao fanampin-tsakafo ny sésame ( Magnésium + Calcium)

– Ny ananambo na moringa koa dia betsaka Vit A

Manaraka izany, ilaina koa ny mihinana voankazo amin’ny loko isan-karazany isan’andro. Ohatra: kaki, zavoka ary akondro. Tsara koa ny sakafo azo avy amin’ny ronono na soja. Marihina fa azo sasana amin’ny savony ny legioma sy ny voankazo fa mila kobanina tsara fotsiny.

Fomba iatrehana ny fitaintainana sy ny korontana ateraky ny Covid-19

 Efa dingana iray lehibe ny fihinananao sakafo ara-pahasalamana satria manampy ny vatanao hanohitra ny aretina izany. Misy zavatra hafa mahery vaika kokoa noho izany anefa. Tsarovy fa ny olombelona dia vatana, fo, saina ary fanahy. Ireo singa telo ankoatran’ny vatana ireo no mamaritra ny fiainana anaty ary ny tena mibaiko azy rehetra dia ny fanahy.

« Ny fanahy no maha-olona »

Ntaolo Malagasy

Fotoana izao iverenana amin’ny fototra

« Mampalahelo ankehitriny fa mbola marefo loatra ny finoantsika ny herim-panahintsika, ka tsy afaka mamongotra ny aretina sy ny fahafatesana »

Stefan Zweig

Izao ny torohevitra raha tsorina, mila miverina amin’ny fiainam-panahy isika olombelona. Izany hoe raha mpivavaka ianao, na inona na inona finoanao, dia fotoana izao tena hivavahanao marina. Ilay vavaka, tena fifandraisana amin’Andriamanitra no tiako tenenina eto fa tsy ilay mianona amin’ny fombafomba ivelany fotsiny. Ataovy vontom-bavaka ny fiainanao fa hery lehibe iatrehana ny fiovana sy ny fitaintainana ateraky ny valanaretina izany.

Raha mitoky amin’ny psykolojia kosa ianao, manao ireny « hypnose » ireny ohatra na miankina amin’ny herin’ny amparahatoka (subconscient) dia ataovy tsara izany mba hampitombo ny herin-tsainao.

Raha ao anatin’ny fampivoaran-tena sy ny fivelaram-panahy indray ianao dia mirosoa lalindalina kokoa, efa hitanao ny lalana sy ny fomba hampitomboana ny hery anaty anananao. Anisany fomba tsara ny fanaovana fierem-panahy (méditation). Iaino tsara ny fijery miabo sy ny toe-tsaina mpandresy isan’andro.

Mila miverina amin’ny fiainam-panahy ny olombelona
Photo de Eternal Happiness sur Pexels.com

Mifantoha amin’ny ankehitriny

Tsarovy fa ny tahotra sy ny tebiteby dia misy fiantraikany amin’ny hery fiarovana. Ilaina indrindra ary amin’izao vanim-potoana izao ny fananana saina tony na dia eo aza ny toe-javatra tsy azo ikimpiana.

Aza mandefa saina lavitra amin’izay ampitso tsy fantatra na koa mamisavisa ny lasa tsy hiverina intsony. Ny anio, izao ankehitriny izao no fiainanao ka anjaranao no miaina tsara azy.

Izany hoe aza be fanontaniana amin’izay mety hitranga rahampitso : « firy indray no ho isan’ny marary, inona ny orinasa hikatona, ho resy ve ny coronavirus… » Fadio ihany koa ny mandany andro mieritreritra ny taloha : « eee ! ohatran’izao izahay tamin’ny roa taona lasa, nadeha tany Mahajanga, nahazo nivezivezy tsara, nihinana mosakiky, nifoka rivo-dranomasina… ». Mampihena ny herinao ireo satria lasa tsy mahazo tsirony amin’ny ankehitriny ianao. Ny tsy tokony hohadinoinao anefa dia ny lasa tsy hiverina intsony ary ny hoavy mistery.

« Ny omaly, efa lasa. Ny ampitso tsy ahy. Andriamanitra ô ampio sy tantano aho anio. Anio ihany aloha »

Ny Ainga

« Ny lasa efa tantara, ny ampitso mbola mistery, ny anio fanomezana »

Kung Fu Panda

Noho izany, raiso toy ny fanomezana sarobidy izay ananao ankehitriny. Mifalia rehefa mbola afaka miaina : mampiditra sy mamoaka rivotra amin’ny fitaovam-pisefoana. Miderà an’Andriamanitra rehefa mbola salama tsara, afaka mifandray amin’ny fianakaviana, afaka mihinana, afaka miasa, sns. Na tsy salama aza ianao, fantaro fa misy azonao isaorana an’ilay mpahary foana ao.

Ankafizo izay azonao atao amin’izao fotoana izao : mikarakara zaridaina, milalao miaraka amin’ny zanakao, mikarakara sakafo, mamaky boky, mitaiza vatana sy ny maro hafa. Aza mandany andro mieritreritra izay zavatra tsy azonao atao any.

Vokiso zavatra miabo ny saina sy ny fo

Marina fa ilaina ny manara-baovao momba ny fivoaran’ny valanaretina Coronavirus saingy aleo atao amin’ny antonony ihany izany fa manjary mampitombo ny tebitebin-tsaina.

Izaho manokana izao tamin’ny herintaona toy izao, tena naharaka nihaino ny tatitra nataon’i Profesora Vololontiana isaky ny tamin’ny 1 ora atoandro. Nandritra ny iray volana teo aho no nanao an’izay dia tsapako fa nampitombo ny fikorontanan-tsaiko izany, ny olana maro nateraky ny fihibohana manginy fotsiny. Nanapa-kevitra aho ny tsy hanaraka isan’andro fa mahalana mba ahafantarana ny toe-draharaha fotsiny.

Araka ny fandinihan’ny mpahay psikolojia dia miisa 12 000 ka hatramin’ny 60 000 isan’andro ny eritreritra miodina ao an-tsainao : 80 % foronin’ny sainao, 5 % no tena marina ary ny ambin’izay dia izay ampidirinao ao. Izany hoe ianao ihany no afaka misafidy na zavatra tsara na ratsy no ampidirinao ao an-tsainao. Koa raha hisafidy ihany ve, tsy aleo izay mahasoa ny tena no atao sakafon-tsaina fa tsy izay manapoizina. Azonao atao tsara mihitsy ny misivana izay ampidirinao ao an-tsainao.

« Fafana izay rehetra miendrika fako ao an-tsaina sy ao am-po. Ny fiaboan’ny eritreritrao no mamaritra ny fivoaran’ny fiainanao »

Xena Zen Aom (Amour)
Photo by Snapwire on Pexels.com

Lavalava izay resaka izay fa aleo fintiniko kely. Mila mivoatra isika olombelona amin’izao fotoana mampihanaka ny Coronavirus izao mba tsy ho ringana tahaka ireny biby aman-javamaniry ireny. Raha tsorina dia tokony hatao izay hampatanjaka ny hery fiarovana mba handresen’ny vatana ny aretina. Miainga amin’ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana izany. Tsy ampy anefa izany fa ny hery anaty mihitsy no mila fohazina sy atanjahina amin’ny alalan’ny fiainam-panahy, fiankinana amin’Andriamanitra ary fananana fijery miabo sy toe-tsaina mpandresy. Atombohy amin’ny alalan’ny fahaizana miaina ny ankehitriny sy ny fanadiovana ny saina izany.

Voniary

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l’aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l’aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑

%d blogueurs aiment cette page :