Izay voleko no hotazako – Xena Zen Aom (Rakotomalala Amour)

Izay voleko no hotazako, izany hoe izay ataonao ihany no miverina aminao na karma amin’ny teny sanskrit. Raha io lohateny io no zohina dia manainga antsika hanao ny tsara hatrany mba hioty ny soa avy eo. 

“Koa mahaiza mamboly fahasambarana dia hioty fahasambarana fa izany no anisan’ny antom-pisiantsika.”

Xena Zen Aom (Rakotomalala Amour)

Dia izany tokoa no velabelarin-dRakotomalala Amour na Xena Zen Aom ato anatin’ity boky ity. Boky hipoka lesona ity, ho an’izay maniry ny hivoatra: voafehy ao avokoa ny fampivoaran-tena, ny fahaiza-miaina, ny fampivelaram-panahy, ny psikolojia ary ny fanabeazana sy ny fitaizana. Izaho manokana dia nahazo fahalalana sy lesona enti-miaina maro teo am-pamakiana azy. Ny tena mahafinaritra dia tsy ahitana resabe ao fa votoatin-kevitra sy lesona azo ampiharina avy hatrany. Fanampin’izany, tsy miolakolaka ny mpanoratra fa tonga dia hafatra tsy misorona avy hatrany no atolony. Tsy ampiandrasiko ela intsony ary ianao fa indro ny famintinana ny boky. 

Ireo singa mitondra amin’ny fampivoaran-tena

Ny fitiavana ny tena (amour de soi) no antoka voalohany hampivoatra ny tenanao. Hita taratra amin’ireto singa dimy ireto izany fahaizanao mitia ny tenanao izany: ny vatana, ny saina, ny fanahy, ny fiarahamonina ary ny toekarena. Mila kolokoloina tsirairay ireo mba hiroborobo ka hahatsara ny fiainanao. Ny vatana, ny saina ary ny fanahy dia mila omena ny sakafo sahaza azy avy. Ny lazaina hoe fiarahamonina indray dia ny fifandraisanao amin’ny hafa. Mila mahay mandray izay tsara avy ao ianao ary mitondra ny mampiavaka anao dia : ny hasinao, ny fisitrahan-tenanao ary ny maha ianao anao. Ny fivoarana ara-toekarena kosa dia miainga indrindra amin’ny fanajana sy ny fitiavana ny vola. Noho izany mila ovaina ilay rafi-tsaina novolena tamintsika izay milaza fa fototry ny ratsy rehetra ny vola. 

Ny singa manaraka dia  ny fahatokisan-tena (confiance en soi). Ny olona matoky tena dia mahatsapa fa miavaka, mahavita zavatra, manana fahasahiana, manana tanjona ary miezaka manatratra izany hatrany. Raha mbola tsy anananao ireo dia fantaro fa azo volena izany ary ho an’izay efa manana dia kolokoloy hiroborobo hatrany. 

Ary farany ny fihasinan-tena (estime de soi) izay mifototra amin’ny fiaikena fa “ny fanahy no olona” ary manana hasina ny tsirairay. Noho izany, mba hanomezana vahana ny maha fanahy dia tokony hivoatra ara-kasina hatrany ianao.

Photo by Snapwire on Pexels.com

Ahoana no hananana tokantrano tsara fototra?

Matoa mihamaro hatrany ny tokantrano rava amin’izao vanimpotoana iainantsika izao dia misy olana lalim-paka ao. Raha zohina dia mandeha an-jambany ny tanora manorin-tokantrano satria tsy ampy ny fampianarana azy ireo ny momba ny fitiavana sy ny fanambadiana. Manaraka izany koa, rehefa tonga ao an-tokantrano dia samy manao izay saim-pantany fotsiny ny mpivady. 

Vahaolana voalohany àry ny fahafantarana ny psikolojian’ny lahy sy ny vavy. Rehefa fantatra manko ny mahasamihafa ny lahy sy ny vavy dia hahay hifanaja sy hifandray kokoa ny mpivady. Manana ny anjara toerany koa ny zanaka ao an-tokantrano ka tokony homena ny fitiavana mendrika azy ireo. Fomba iray anisany manatsara ny fifandraisana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka ny fifampiresahana tahaka ny nataon’ny Ntaolo Malagasy taloha mandritra ny dinidinika amorom-patana takariva. Ilaina ihany koa ny fahaizan’ny ray aman-dreny manabe ny zanany satria ny tokantrano no sekoly voalohany. Tsindriana manokana ny tsy tokony hisoronana amin’ny fanabeazana momba ny fananahana, ny firaisana ara-nofo ary ny fitiavan’olon-droa. .Mba ahaizanao mifandray bebe kokoa amin’ny zanakao dia fantaro ihany koa ny psikolojian’ny zaza, ankizy ary tanora izany hoe ny toetra, ny fironana, ny filàna araka ny sokajin-taona.   

Ny fahafantarana ny tena sy ny hafa

Ekena fa marolafy sy saro-takarina ny olombelona, saingy efa nisy kosa ireo nandinika manokana ka nametraka fanasokajiana isan-karazany izay manampy antsika amin’ny fahafantarana ny tenantsika, ny zanatsika sy ny olona hafa. 

Fantaro fa azo sokajiana ho 6 ny olombelona araka ny toetra anaty miseho ety ivelany (tempérament): ny mpitarika (leader), ny mpanara-drona (sanguin), ny mpandindona (colérique), ny mpihizina (flegmatique) ary ny konetaka (mélancolique)

Ahitana sokajy efatra indray araka ny fiangaly am-piofanana (style d’apprentissage): ny mpanapa-teny (accomodateur), ny mpiahaka (divergent), ny be kenona (convergent) ary ny mpikajikajy (assimilateur).

Raha araka ny fiondanana ny vavahadin-tsaina (organe de sens) indray dia ahitana sokajy 5 : ny mpiondana maso (visuel), ny mpiondana tadîny (auditif), ny mpiondan-koditra (kinésthésique), ny mpiondana orona (olfactif) ary ny mpiondan-dela (gustatif).

Xena Zen Aom (Rakotomalala Amour)

Amaranako azy ity tenin’iny mpanoratra ity:

“Ilaina ny mahatsapa fa misy ny fanapahan-kevitra tokony horaisina, raha vonona tokoa hivoatra sy hiaina fahasambarana”

Xena Zen Aom (Rakotomalala Amour)

Manolotra fitaovana maro (tena maro tokoa) entinao hampivoaranao ny tenanao sy hitondra anao amin’ny fahasambarana tokoa raha ity boky ity. Amiko manokana, mahomby kokoa raha vakiana tsikelikely sy araka izay zava-miseho eo amin’ny fiainanao izy ity mba ho tonga dia ho hitanao avy hatrany izay hampiharana azy. 

Voniary

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l’aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l’aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑

%d blogueurs aiment cette page :