Ny fokonolona araka ireo kabary nataon’ny Kôlônely Richard Ratsimandrava eran’ny nosy 1973 – 1975

Koa atolotra àry ity boky ity, sao lahy mba hahitantsika vahaolana amin’izao andro manjombona diavin’ny firenentsika izao. Boky izay namelombelona ny fanantenan’ny maro noho izy  nitondra rivo-baovao feno hanitry ny maha-Malagasy ka tonga dia nambabo ny fon’ny tantsaha tsy ankanavaka na avy aiza na avy aiza.  Ho hitanao ao anatin’ireo « kabary ala-olana » miisa 62 notsongaina... Lire la Suite →

Takelaka Tsara Soratra 003 : Ny fitiavana raha tantaraina, ny fitiavana raha ventsoina

Ambetin-dresaka ny FITIAVANA tamin’ity Takelaka Tsara Soratra indray mitoraka ity. Efa hatramin’ny fahagolan-tany tokoa no nampikorina ranomainty ny fitiavana ary tsy ambakan’izany ireo nanolotra ny asa sorany hoankafizin’ny mpamaky ato amin’ity revio ity. « Tsy tantara ny tantara raha tsy ilafihan’ny fitiavana » hoy E.D. Andriamalala andrarezin’ny tantara foronina Malagasy, izay vao feno 100 taona tamin’ny 22... Lire la Suite →

Taratasin’i Zaman’i Jao – Momo Jaomanonga

Ao anatin’ny taratasy roapolo, miendrika tononkalo no izaran’i Zaman’i Jao ny fiainana andavanandrony sy ny heviny amin’ny toe-javatra maro toy ny fandrosoana, politika ary ny adim-piainana. Nanapa-kevitra ny ila ravinahitra etsy andafin’ny riaka, etsy Mayotte, ny tovolahy ary avy any izy no mandefa ny ventsoventsony ho an’ireo havany aty an-tànana. Ao koa ireo hafatra tiana... Lire la Suite →

Takelaka Tsara Soratra 002 – Asa soratra voakaly ho an’ny mpankafy ny kanto

140 pejy ianohana ao anatin’ny kanto an-tsoratra samihafa: tononkalo, poezia, riankalo, slam, sombintantara sy angano ary famakafakana, haingoin’ny pika sary, sary manjameva ary kisary tanana. Izay angaha no azoko amintinana ity Takelaka Tsara Soratra laharana faharoa ity. Asa soratra voafantina mba hijanona ho “dindon’ny fiarahamonina ho vela tsy ho fatin-kosoka” no miranty ao ary ao... Lire la Suite →

Hafatra – Amboaran-tonokalo nosoratan-dRasamy

Rediredy tokoa angamba ny an-dRasamy fa amin’izao fiainana efa sarotra izao ny olona no tadiaviny tsy ho kivy, hisikina herim-po sy hanana fikirizana . Rediredy angaha izany hanandratra ny teny Malagasy manoloana ny fiteny sadasada sy fiteny frantsay eto amintsika. Ary mbola toa hijanona rediredy fotsiny ihany ny fanakianana ireo zava-tsy mety eo amin’ny fiarahamonina,... Lire la Suite →

Rom-boay

"Kambana mirahavavy no naterany. Voalaza fa mitondra ozona ny fiterahana kambana ka tsy afaka hitaiza antsika izy mivady" P 133 Ny olona manapa-kevitra ny tsy hanaraka izay didian’ny fiarahamonina dia mivonona hisedra ilay antsoina hoe “rom-boay: izay mahasahy, homana !”. Asakasak’izay mankahatra fomba fa izy no hizaka ny tsiny sy hivesaran’ny ozona ary hailiky ny... Lire la Suite →

Lisy Mianjoria

Môssieur Njo – Ranjasoa Publishing 2016 Andro inona isika androany ? Andro inona androany ? Farandro letsy androany a! Izany ve dia tsy fantatr’ialahy? P112 Famintinana: Nitsingevaeva teo anelanelan’ny nofy sy ny tena izy Rabe tatoato izay. Nisafotofoto be ihany ny tao an-dohany ka andro roa sisa no tadidiny: ilay alatsinainy, izy nihisatra teo am-pandriana ary ilay... Lire la Suite →

ANGANON’NY NTAOLO

Rev L. DAHLE sy JOHN SIMS – Trano Printy Loterana 1984 Indray andro hono… Misionera Norveziana no nanangona ireo anganon’ny Ntaolo sy fomban-drazana Malagasy araka ny fantany ka namintina azy amin’ny boky iray. Ireo angano ireo dia ahitana ny fahendrena nananan’ireo razantsika sy ny fahaizany mandaha-teny. 1.ANGANO SY ARIRA Nino ny fisian’ny fiainan-tsy hita ny... Lire la Suite →

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑