Mahery fo ny vehivavy

Tsy dia fantatro loatra ny niavian’ilay fiteny hoe “fanaka malemy”. Tsy dia hampitaha ny herin’ny vehivavy sy lehilahy loatra ihany koa no tanjoko. Tsy izany velively, fa te hanaitra ny sainao aho, ianao vehivavy io, fa be herim-po ianao. Raha zohina tokoa manko ny fiainan’ny andriambavilanitra: ny dingana lalovany sy ny olana sedrainy amin’ny maha... Lire la Suite →

Vatana, fo sy saina ary fanahy: iza no omen-danja?

Ny kolontsaina malagasy, ny fivavahana isan-karazany na tandrefana na tantsinanana dia samy manaiky fa vatana, fo sy saina ary fanahy no maha olona ny olona iray. Saingy iza amin’izy ireo no omen-danja amin’ny fiainana andavanandro mba hananana fiadanana anaty ka afahana mizara fiadanana amin’ny manodidina? Tantara iray no zaraina amintsika androany mahakasika ny maha iray... Lire la Suite →

Tsara kokoa ny safidy miainga amin’ny fanantenana fa tsy ny tahotra

Maro ny boky sy lahatsoratra navoakan’ny mpikaroka sy mpandalina momba ny fahombiazana, fa zavatra iombonan’izy ireny dia ny hoe ilaina ny mametraka tanjona. Ireny tanjona apetraka ireny no mitaratra ny safidim-piainan’ny isam-batan’olona. Noho izany, misy ifandraisany tsara ny kalitaon’ny safidy atao sy ny tranga misy eo amin’ny fiainan’ny tsirairay. Tsy misy kisendrasendra io, fa izay... Lire la Suite →

Fiofanana : « Miantomboka avy ao anaty ny fiadanana »

Sambany eto Antananarivo ary eto Madagasikara mihitsy no hisy fiofanana momba ny « Ho’oponopono », fomba avy any Hawai miompana amin’ny fampivelarana ny maha-olona. Hotanterahina ny Sabotsy 23 Martsa 2019 ho avy izao izy io, manomboka amin’ny 1 ora sy 30 minitra ka hatramin’ny 4 ora folakandro ao amin’ny Red Zone Coworing Tsiadana. Nathalie Rakotoniaina, mpanorina ny... Lire la Suite →

Fantaro ny tena fahombiazana ho anao

Ekena fa eo ireo fenitra napetraky ny rafitra sy ny fiarahamonina, ny tena marina anefa dia samy manana ny fahombiazany ny tsirairay. Ao ireo mieritreritra fa rehefa mahazo fiara izy dia izay no atao hoe tafa aminy. Ao kosa ireo manana tanjona hahazo toerana ambony ara-politika satria izay no atao hoe fahombiazana aminy. Misy kosa... Lire la Suite →

Ny lesona tsara alaintsika Malagasy amin’ilay sarimihetsika Black Panther

Anisan’ireo sarimihetsika be mpankafy indrindra maneran-tany ity Black Panther ity, noho izy manome lanja ny mainty hoditra sy maneho firenena aty afrika mivoatra sy matanjaka.Tsy iresaka mikasika ny fanatontosana avo lenta an’iny sarimihetsika iny aho fa aleo anjaran’ny hafa iny fa ilay votoatin’ny tantara mihitsy no tiako ifampizarana aminareo. Eo ihany manko ilay fijery hoe... Lire la Suite →

Akako lesona ny tsy fahombiazako

Tsy ary hizotra araka izay eritreretinao avokoa akory ny fiainana fa indraindray mety tojo tsy fahombiazana. Tsy tokony atao ahakivy anefa izany fa fombany ihany. Mitrakà, mandraisa lesona, ary tohizo ny lalanao dia ho mpandresy hatrany ianao. Ilaina koa ny tsy fahombiazana Misy ohabolana Malagasy manao hoe: “soa lavo hahay hamindra, soa kenda hahay hitsako”.... Lire la Suite →

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑