Fiofanana fikirakirana blaogy sy teny malagasy – maro no liana

Tontosa soa aman-tsara ilay fiofanana FIKIRAKIRANA BLAOGY ary TSIPELINA SY FITSIPI-PANORATANA MALAGASY nokarakarain’ny vondrona TENY GASY 2.0 tamin’ny sabotsy 23 Novambra lasa teo. Nahavelom-bolo ny fihaonana. Tsy afaky ny tsy hiroborobo ny teny malagasy na aty amin’ny aterineto na any amin’ny sehatra hafa raha ny hafanam-pon’ireo vory tao no asian-dresaka. Blaogy hono hoe! Liana ny... Lire la Suite →

Fika efatra ahaizana teny gasy (Tapany faharoa)

Niresaka ireo dingana roa voalohany amin'ny fianarana teny malagasy isika tamin'ny lahatsoratra farany. Tsy inona izany fa ireo fomba ahafantaranao ireo voambolana malagasy, ny fitsipi-panoratana sy ny tsipelina ary ny fomba fanonona sy ny filanton'ny teny Malagasy dia ny : MAMAKY sy MIHAINO. Anio indray, hiroso amin'ny dingana roa managaka isika. Koa mamakia finaritra ary!... Lire la Suite →

Fika efatra ahaizana teny gasy (Tapany voalohany)

Fanontaniana matetika misy mametraka amiko ny hoe “ahoana kay ny fomba ahaizana teny gasy ? » Dia valiako hoe “filonana ao anaty teny malagasy sy ny fampiharana”, tsy misy hafa tsy izay ihany. Indramiko ny tenin’ilay namanana mpandika teny iray anazavana tsotsotra azy: “ny voambolana iray dia tsy maintsy miditra ao aminao vao hainao ny mamoaka azy”.... Lire la Suite →

Fahaleovantena Malagasy – feno 59 taona !

59 taona lasa izay no nahazoan'ny Malagasy ny fahaleovantenany. Raha tsiahivina kely ara-tantara dia ny 26 Jona 1960 no nanambarana fa mahaleo tena tanteraka i Madagasikara. Tena fahaleovantena marina ve ? Raha iverenana kely fotsiny ny lasa ara-tantara dia efa 65 taona no nanjanaka antsika ny Frantsay ka namela antsika hanana fahaleovantena ny 26 Jona... Lire la Suite →

Ny Malagasy sy ny fiteny vary amin’akotry.

Anisan'ny lasa fahazarantsika Malagasy ankehitriny ny mampiasa ny fiteny mifangaro na koa ilay antsoina hoe fiteny vary amin'akotry. Tena nanimba ny kolotsaina Malagasy indrindra moa fa eo amin'ny fitenin-drazantsika ny tsy fahaizana mampiasa intsony ny teny gasy fa afangaro amin'ny teny hafa. Ny tenindrazana tsy adinoina Marina fa mandroso be tokoa ny fivoarana eto Madagasikara... Lire la Suite →

Fanahy no olona – Tahala fikoloana ny fanahy

Vatana, saina, fo ary fanahy no mandrafitra ny olombelona. Ny Ntaolo Malagasy dia nahatsapa fa « ny fanahy no olona » ary hita taratra tamin’ny fiainany andavanandro izany. Te-hamerina io fahendrena nentin-drazana io Andriantsimiavona Christian ka izany no antony nanaganany ity toerana hafa kely ity. Ndeha ary ho fantarintsika bebe kokoa ao anatin’ity lahatsoratra ity ny tahala... Lire la Suite →

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑