Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-dreny : efa voarafitra ny politikan’ny teny

Miverina ombieny ombieny ny fitakiana ny politikan’ny teny raha vao resahina ny ho avin’ny teny Malagasy. Ankehitriny àry, araka ny nambaran’ny filohan’ny Akademia Malagasy, Ranjeva Raymond nandritra ny lanonam-panokafana ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-dreny, teny ibeazana ny alakamisy 21 Febroary lasa teo, efa voarafitra ny politikan’ny teny fa miandry ny fankatoavan’ny fahefana... Lire la Suite →

Ny fiarahantsika mientana no antoka hampiroborobo ny boky Malagasy

Tsy raharahan’ny mpanoratra samirery na ny mpanonta sy ny edisiona fotsiny ny fampivelarana ireo asa soratra Malagasy. Misy anjara birikin’ny mpanao gazety, ny mpahay serasera, ny mpandraharaha ary indrindra ireoolon-tsotra, mpamaky ihany koa ao. Nafotaka tokoa ny fifanakalozan-kevitra miompana amin’ny boky tao anatin’ny « Cercle littéraire » izay notanterahin’ny fikambanana « Opération Bokiko » ny sabotsy 15 desambra lasa... Lire la Suite →

Fandaharana 6 mivoy ny maha-Malagasy amin’ny fahitalavitra

Fahiny, ny takariva amorom-patana no itantaran’ireo raiamandreny amin’ireo zanaka aman-jafiny ny tantaran-drazana sy ny angano ary ampitany ireo lovantsofina. Ankehitriny, ny televiziona no anisan’ireo vato namelan-kafatra mampahalala antsika ny soatoavina, ny tantara, ny fomba sy ireo singa maro maha-Malagasy antsika. Manasa anao ary  hamantatra bebe kokoa sy hanaraka ireto fandaharana atolotry ny fahitalavitra Malagasy isan-karazany... Lire la Suite →

Ivon-toeran’ny Kolontsaina Malagasy, fantatrao ve?

Raha manana ny IFM ny frantsay eto amintsika, tsy ambakan’izany koa isika tompon-tanindrazana manana ny Ivon-toeran’ny Kolontsaina Malagasy na IKM. Manandratra ny kolontsaina Malagasy amin’ny endriny rehetra sady misokatra amin’ny hafa no tanjon’ny IKM. Tsarovy fa ny fainanao ny kolontsainao no antoka iray hampamiratra azy eo anivon’ny fanatontolona ary hampandroso ny firenenao ihany koa .... Lire la Suite →

Mandaitra kokoa amin’ny Malagasy ny Dina

Izay no hevi-dehibe azo tsoahina tamin’ny voka-pikarohana nentin’Andriamatoa Edally Ranoelson Tovondrainy nahazoany ny mari-pahaizana “doctorat es droit”. Ny marina dia aleon’ny Malagasy mirona amin'ny fitsaram-bahoaka toy izay miandry ny fitsarana ara-panjakana izay tsy atokisany intsony noho ny kolikoly sy ny fanodikodinana ao ambadika ao. Ratsy foana ve ny fitsaram-bahoaka? Misy karazany roa ny fitsaram-bahoaka eto... Lire la Suite →

Diary: vita Malagasy, kanto sy tena ilaina

Omano dieny izao ny taona vaovao 2018: mamarita tanjona, mametraha fanamby ary asio lamina ny fiainanao. Indro ary atolotra anao ny Diary an-kisary 2018 misy ireo pejy ilainao mba hanana fiainana milamina sy feno fifaliana. Inona avy no hitanao ao? Diary 2018 hafa kely Tsy misy datin’andro fa manaraka izay fandaminanao Ahitanao ny halaviran’ireo toerana... Lire la Suite →

Haverina amin’ny teny gasy hoe ny fampianarana?

Tafiditra ao anatin’ny PSE (Plan Sectoriel de l’Education) izay eo an-dalam-pandrafetana amin’izao fotoana izao ny fanovana ny teny ibeazana eny amin’ny ambaratonga fototra ho teny Malagasy. Hahasoa ve sa hitondra voka-dratsy ho an’ny ankizy Malagasy izany fanapahan-kevi-panjakana izany? Azo antoka fa hamerina ny hasin’ny tenindrazantsika io fiovana lehibe io. Efa niainantsika koa anefa ny fanagasiana... Lire la Suite →

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑