Dominique Ramarlah: “Na dia monina eto Frantsa aza izahay efa-mianaka dia tsy manadino ny maha-malagasy “

Efa telopolo taona mahery no nonina tany an-dafy i Dominique Ramarlah. Hatramin’izao anefa dia mbola teny malagasy sy foto-pisainana malagasy no entiny mieritreritra. Raim-pianakaviana tia manao soa sy mizara ihany koa izy. Izany no nahatonga azy ho mpikatroka eo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny fandrosoana lovainjafy. Namoaka boky momba ny kolontsaina Bara sy ny... Lire la Suite →

Rija Rakotomalala sy ny fanangonana : fialamboly manjary vakoka ho an’ny Malagasy rehetra

Boky an’arivony, baiboly an-jatony amin’ny teny Malagasy sy fiteny hafa, vola Malagasy sy an’ny firenen-kafa, gazetiboky, hajia sy karazan-javatra maro samihafa no asehon-dRAKOTOMALALA Rivoniaina Rija ao amin’ny Tahala Rarihasina Analakely nanomboka tamin’ny 18 Martsa ka hatramin’ny 28 Martsa ho avy izao. Efa fanaony isan-taona ny fampirantiana toy izao ary andiany fahafolo ity tanterahina ity. Fialamboliny... Lire la Suite →

Tiasoa : “Tsy misy fanaka malemy izany!”

Vao 11 taona monja izy dia efa nanokatra blaogy. 10 taona taty aoriana, nanangana ny orinasany manokana, Book News Madagascar, miompana amin’ny blaogy sy ny tolodraharaha an-jotra, izy. 23 taona izao i Tiasoa Samantha na fantatry ny rehetra amin’ny solon’anarana hoe “Tiasy” any amin’ny tontolon’ny blaogy. Mbola manjohy eny ihany ny fankafizany miblaogy ary tanjony... Lire la Suite →

Ratsimandrava : ilay nampifandray ny Soatoavina Malagasy sy ny politika

Ny Soatoavina Malagasy : tsy hevitra manidina, tsy zava-tsy hay takarina ! Ny Soatoavina Malagasy : tsy hoe ianarana any an-tsekoly fotsiny, tsy hoe tononina fotsiny rehefa manatanteraka fomba Malagasy toy ny famangiana manjo, fanateram-bodiondry, famadihana sy ny sisa. Fa ny Soatoavina Malagasy : natao iainana andavanandro sy ampiharina eo amin’ny izay sehatra ikatrohanao. Ny kolonely Ratsimandrava, izay mpandala fatratra... Lire la Suite →

“Mbola tiako lavitra noho ny Louis Vuitton ny kitapo vita Malagasy” Momo Jaomanonga

Poeta manan-talenta, kiady sy reharehan’ny KOLONTSAINA MALAGASY AVY ANY AVARATRA raha i Momo Jaomanonga. Sarotiny fatratra amin’ny fanajana ny SOATOAVINA MALAGASY izy ary tsy ventesiny amin’ny tononkalony fotsiny izany fa iainany isan’andro ihany koa. Na teo aza ireo sedra maro nolalovany dia nanonga hatrany izy ary tsy nitsahatra nanoratra. Ny fandrosoana, ny fiainana andavanandro ary... Lire la Suite →

“Ifantohy izay atao ary aza manantena valiny eo no ho eo” – Tsiry

Miavaka raha samy tanora i Tsiry na RAKOTOARINOSY Tsiry Harinesy satria matotra ary mijoro ho mpitarika hatrany. Na any am-piangonana, na any am-pianarana na any anaty fikambanana dia izy ilay zoky, mpanentana ary mpampianatra. Ankafiziny mihitsy ny toeran’ny mpanabe satria afahany mampita hafatra tsara amin’ireo beaziny. Fampandrosoana an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fandraisana andraikitra mivantana, fiovana... Lire la Suite →

Gaelle – Mizara fitiavana amin’ny alàlan’ny firotsahana an-tsitrapo mba hampandrosoana an’i Madagasikara

Fitiavana mandehandeha raha I Gaelle na Ramamonjisoa Tsanta Gaelle: fitiavana ny fianakaviany sy ny olona rehetra, fitiavana ny asa ataony ary fitiavana an’i Madagasikara. Ny fiainany manontolo no entiny ijoroana vavolombelona satria rehefa misy zavatra hitanao hoe tsara tokony halain-tahaka, hoy izy, dia fadiana ny mibaiko fotsiny fa tonga dia ianao mihitsy no mila manao... Lire la Suite →

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑