Rasamy: Fitia mizara izay kely anana no nandrisika ahy hanoratra blaogy sy hamoaka amboaran-tononkalo

Mpiblaogy miroa teny, mpanoratra, mpampianatra ary tompona orinasa RASAMISON Aimé na RASAMY. Ny fitiavany ny teniny sy ny taniny no solika mandrehitra indrindra ny aingam-panahiny. Efa saika voatetiny ireo faritra rehetra eto Madagasikara noho ny fitiavany mianjoria sy mizaha tany ary zarainy ao anatin’ny blaoginy izany. Izao indray, nivoaka ny boky voalohany mirakitra ny amboaran-tononkalony,... Lire la Suite →

RANARIVELO Roël: “Aleoko tsy mihinan-kanina toy izay tsy mividy boky”

Izy no mpanoratra ny « VATO AMBANY RIANA », nahazo loka voalohany tamin’ny fifaninana tantara foronina nampanaovin’ny SYNAEL miompana amin’ny lohahevitra hoe « Sao hanambady aloha loatra ». Mpanoratra feno hatramin’ny fahatanorany, tsy nahasakana izany ny maha talen’ny fitantanam-bola azy eo amin’ny sehatry ny asa. Manasa anao ary ifampizara ny sombim-piainany. Voniary : Inona no mety zavatra niavaka tamin’ny fahazazanao... Lire la Suite →

Ben J : « Amin’ny alalan’ny Rap gasy no ampitako hafatra hanovana ny toe-tsain’ny tanora »

Tao anatin’ny tarika Da Hopp, miangaly Rap gasy, no nahafantaran’ny besinimaro an’i Ben J na Dadlah BenJ. Mitondra ny anarany manokana ihany koa izy eo amin’io sehatra io. Ankehitriny, izy no filoha mpitarika ny fikambanana EKAH MADAGASIKARA izay manentana amin’ny fiovan-toe-tsaina. Fantaro bebe kokoa ao anatin’ity antsafa ity ary i Ben J. Voniary : Nanao ahoana... Lire la Suite →

RAMIAKATRARIVO, MPITARIKA MAHAY

Tao Manjakadoria, tamin’ny vanim-potoanan’ny faha-Mpanjaka no niseho ny tantara. RAMIAKATRARIVO, mpanjaka nasondrotry ny sainy sy ny fahaizany anefa efa naneho fahaiza-mitarika nampitolagaga ny besinimaro. Vokatr’izany, tsy ny vahoaka teo ambany fifehezany ihany no nankamamy azy fa na ny mponina sy ny andriana manodidina aza dia nanaja azy fatratra. Eny fa na hatramin’ny fahavalo azony babo... Lire la Suite →

Môssieur Njo : « Raiki-pitia tamin’ny teny Malagasy aho ! »

Mpankafy « Question Pour Un Champion », mpamaky boky vahiny betsaka nefa tsy manary ny kolontsaina Malagasy. Sady manoratra amin’ny teny malagasy izy no manoratra amin’ny teny frantsay. Nivoaka tamin’ny 16 Desambra teo ny boky malagasy faharoa nosoratany : « Lisy Mianjoria ».Moa va tsy tanteraka ao aminy ilay teny filamatra hoe « Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko » !... Lire la Suite →

LESONA DIMY AZO TSOAHINA AVY AMIN’NY FAHOMBIAZAN’I TAHINA

Voahosotra ho mpandraharaha tanora mendrika indrindra eto Afrika i RANDRIARIMANANA Tahina tamin’ny 25 Oktobra 2016 lasa teo. Mirehareha tokoa isika Malagasy manana azy manandratra avo ny firenentsika. Tsy tokony avelanao handalo fotsiny anefa ny fandresena toy ireny fa tokony hisintonanao lesona mba hoentinao eo amin’ny fiainanao koa. Nofintiniko ao anatin’ireto teboka dimy ireto ny tsara... Lire la Suite →

Felana « Poetan’ny fo tena tia » – 20 taona niangaliana ny kanto

Hanatanteraka hetsika ho fankalazana ny faharoapolo taona nanoratany sy nivoizany zava-kanto i Felana RAVELOARISON na Felana ny 6 hatramin’ny 10 desambra ho avy izao. Izy no andriambavilanitra voalohany nanaiky ho vahinin’ny Blaogin’i Voniary. Hizara sombintsombiny amin’ny fiainany àry izy ao anatin’ity resadresaka ity. Voniary : Nanao ahoana ny fahazazanao sy ny nitaizana anao ? Felana : Nobeazina tamin’ny vakiboky... Lire la Suite →

FANJA RAZAH – MPANORATRA

Hanolotra antsan-tononkalo « FOHA FOTA-MANDRY » ny zoma 26 Aogositra izao amin’ny 4 ora tolakandro i Fanja Razah sy i Kaja ao amin’ny Tahala Rarihasina Analakely. Eto dia ifampizara sombintsombiny amin’ny fiainany RAZAFIMAMONJY Georges Eugène Fanja mba ahafantarantsika azy bebe kokoa. NY FIANARANA NORANTOVIKO Noho ny fankamamiako ny soatoavina Malagasy dia nandalina manokana momba izany aho ka... Lire la Suite →

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑