8 marsa – Hafatra tsy misorona avy amin’i Damy Govina

Lainga izany hoe efa nihaona tamin’i Damy Govina ianao ka hohadinoinao izy, na tsy niresaka mivantana taminy aza ianao. Vehivavy misongadina lalandava izy amin’izy rehetra alehany, tsy misalasala ny mametraka ny maha izy azy. Asa noho izy tsy misorona angaha : maneho ny heviny tsy miolakolaka, milaza ny marina tsy mialokaloka ao anaty voambolana voasarontsarona? Mampihomehy,... Lire la Suite →

‘Ndao tohanana ny tanorantsika hiatrika ny fifaninana maneran-tany momba ny robotika any Dubai

Rehefa nanao antso fanohanana ara-bola ny Barea volana vitsivitsy lasa izay dia nirohotra ny besinimaro. Misy aza hono nandrotsaka 300 Ar. Fiaraha-misalahy nahavelom-bolo sy nahavelom-panatenana teo amin’ny Malagasy tokoa iny ary nisy vokany tamin’ireo mpilalao satria nanosika azy ireo hanao izay tratry ny heriny. Fotoana hafa, sehatra hafa indray ity saingy miantso ny fanohanatsika ihany... Lire la Suite →

Creativeo – orinasa sosialy manolotra fiofanana mikasika ny fampivoarana ny maha-olona

Tonga indray ny fiofanana mitondra ny lohahevitra hoe "Ny fiadanana sy fahatoniana dia miantomboka avy ao anaty”, izay atolotry ny Creativeo ny 18 Mey 2019 izao manomboka amin’ny 2 ora ka hatramin’ny 4 ora ao amin’ny Koon Training Ambatonakanga. Efa nentina teto ny andinindininy momba io fiofanana io, izay miompana indrindra amin’ny Ho’oponopono, tamin’ny andiany... Lire la Suite →

Vela-kevitra – Ny Malagasy sy ny lanjan’ireo taratasy ara-panjakana

Tsy afa-misaraka amin’ny dingam-piainan’ny olombelona ny taratasy ara-panjakana. Izay no entin’i Hanitriniala Rakotoarivelo na Magie Gam ao anatin’ilay loabariandasy mitondra ny lohateny hoe: “Ny Malagasy sy ny lanjan’ireo taratasy ara-panjakana” ny Alahady 05 Mey izao amin’ny 11 ora ao amin’ny Lapan'ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina ao Mahamasina. Ho tanterahina ao anatin’ny "Salon du bien-être et... Lire la Suite →

100startups – mpandraharaha fito vaovao hotohanana

Rehefa vita ny fanombanana tamin’ny sabotsy 13 Aprily lasa teo dia mpandraharaha fito no voaray hisitraka ny fanampiana sy ny fanohanana avy amin’ny 100startups. Ny fizotry ny fanombanana Tamin’ny volana Novambra 2018 no nanatanteraka ny fanaikana tetikasa ny 100startups. Rehefa nandalo sivana ireo mpandraharaha nandefa ny antotan-taratasiny dia folo tamin’izy ireo no voafantina niatrika ity... Lire la Suite →

The Red Shalk : hetsika miavaka ampiroboroboana ny fandraharahana

Zava-dehibe ny fahaiza-mamorona amin’izao vaninandro iainantsika izao mba iavahana amin’ny besinimaro. Maneho izany indrindra ity hetsika nokarakarain’ny 100startups sy Passion 4 Humanity ity, mitondra ny anarana hoe « The Red Shalk ». Ny tanjona dia ny mba hampiroboroboana ny fandraharahana izay fantatra fa andry iankinan’ny fandrosoan’ny firenena iray. Notanterahina ny tontolo andron’ny sabotsy 30 Martsa lasa teo... Lire la Suite →

Rija Rakotomalala sy ny fanangonana : fialamboly manjary vakoka ho an’ny Malagasy rehetra

Boky an’arivony, baiboly an-jatony amin’ny teny Malagasy sy fiteny hafa, vola Malagasy sy an’ny firenen-kafa, gazetiboky, hajia sy karazan-javatra maro samihafa no asehon-dRAKOTOMALALA Rivoniaina Rija ao amin’ny Tahala Rarihasina Analakely nanomboka tamin’ny 18 Martsa ka hatramin’ny 28 Martsa ho avy izao. Efa fanaony isan-taona ny fampirantiana toy izao ary andiany fahafolo ity tanterahina ity. Fialamboliny... Lire la Suite →

Fiofanana : « Miantomboka avy ao anaty ny fiadanana »

Sambany eto Antananarivo ary eto Madagasikara mihitsy no hisy fiofanana momba ny « Ho’oponopono », fomba avy any Hawai miompana amin’ny fampivelarana ny maha-olona. Hotanterahina ny Sabotsy 23 Martsa 2019 ho avy izao izy io, manomboka amin’ny 1 ora sy 30 minitra ka hatramin’ny 4 ora folakandro ao amin’ny Red Zone Coworing Tsiadana. Nathalie Rakotoniaina, mpanorina ny... Lire la Suite →

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑