Vondrona Izany KA MAlagasy -Mba hipaka hatrany amin’ny foto-pisainana, ny teny, ny atao ary ny fihetsika rehetra ny maha-Malagasy

Hanatanteraka lanonana fifampiarahabana 2019 ny Izany kA MAlagasy ny Sabotsy 16 Martsa ho avy izao, manomboka amin’ny 11 ora eny amin’ny Cafétéria ESCA Antanimena. Vondrona iray ao amin’ny Facebook manandratra ny maha-Malagasy ary ho feno dimy taona amin’ity taona ity no niforonany. Hetsika miavaka no ampanatenain’ny mpikarakara amin’ny fankalazana izany ary santatra am-bavarano ihany ity... Lire la Suite →

Fambolen-kazo am-pahamatorana mba holovain’ny taranaka ary hisy tombontsoa ho anao

Nanatanteraka fambolen-kazo ny Global Voices Malagasy, Namana Serasera Dago ary ny fikambanana Tetezana niaraka tamin’ny mpianatry ny EPP sy ny fokonolona tao Ampanataovana, ny sabotsy 02 Martsa. Fambolen-kazo niavaka satria nasiana fanaovan-tsonia mihitsy mba ho matotra ny fiaraha-mientana. Nanatrika sy nandray anjara tamin’ny fambolen-kazo ihany koa i Voniary. Fotoana nahafinaritra sy nahavelombolo no azo ilàzana... Lire la Suite →

Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-dreny : efa voarafitra ny politikan’ny teny

Miverina ombieny ombieny ny fitakiana ny politikan’ny teny raha vao resahina ny ho avin’ny teny Malagasy. Ankehitriny àry, araka ny nambaran’ny filohan’ny Akademia Malagasy, Ranjeva Raymond nandritra ny lanonam-panokafana ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-dreny, teny ibeazana ny alakamisy 21 Febroary lasa teo, efa voarafitra ny politikan’ny teny fa miandry ny fankatoavan’ny fahefana... Lire la Suite →

Fanja Razah : « Mahatety vanim-potoana, tsy leon-driaka ary tsy leon’ny fandrosoana ny teny Malagasy »

Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-dreny rahampitso 21 Febroary. Andro iray natokan’ny UNESCO hanamarihana manokana ny fahasamihafana eran’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fiteny izy io ary indrindra hampahatsiahivana fa zon’ny tsirairay ny mampiasa an-kalalahana ny tenin-dreny eo amin’ny fireneny. Aiza ho aiza ary ny tenindrazantsika manoloana ny toa fanjakazakan’ny teny frantsay sy ny fanatontoloana amin’ny ankapobeny.... Lire la Suite →

Ny fiarahantsika mientana no antoka hampiroborobo ny boky Malagasy

Tsy raharahan’ny mpanoratra samirery na ny mpanonta sy ny edisiona fotsiny ny fampivelarana ireo asa soratra Malagasy. Misy anjara birikin’ny mpanao gazety, ny mpahay serasera, ny mpandraharaha ary indrindra ireoolon-tsotra, mpamaky ihany koa ao. Nafotaka tokoa ny fifanakalozan-kevitra miompana amin’ny boky tao anatin’ny « Cercle littéraire » izay notanterahin’ny fikambanana « Opération Bokiko » ny sabotsy 15 desambra lasa... Lire la Suite →

Mila fiovana voarindra sy matotra ny rafi-panabeazana eto Madagasikara

 “Fanabeazana fototra toy inona no atolotsika ny zanatsika?” izay indray ny adihevitra nokarakarain’ny Banky iraisam-pirenena ny Alarobia 16 Mey 2018 lasa teo. Niray feo na ny mpandray anjara na ny mpanatrika ary samy nanaiky fa misedra olana goavana ny tontolon’ny fanabeazana eto Madagasikara. MITOTONGANA NY FARI-PAHAIZAN’NY ZANAKA MALAGASY ary tsy vitan’izany fa MIRORONA IHANY KOA... Lire la Suite →

Ny mpanoratra sy ny asa sorany amin’ny vanim-potoana ankehitriny: tolona, kanto, soatoavina Malagasy ary fanatontoloana

Amin’izao vanim-potoana iainantsika izao, toa saron’ny alasafay ny asa soratra kanto, toa takon’ny avy any ivelany ny diam-penin’ny mpanoratra Malagasy. Tsy milavo lefona anefa izy ireo fa mijoro hatrany ary mahatsapa fa mbola misy lanjany ny asa sorany ary mbola misy andraikiny eo amin’ny fiarahamonina. Mpanoratra samy manana ny hanitra ho azy ireo nandray anjara... Lire la Suite →

Ho avy mamiratra ho an’i Madagasikara

Loabary andasy nahafinaritra sy nahavelom-panantenana tokoa ilay mikasika ny “Ho avin’i Madagasikara” nokarakarain’ny banky iraisam-pirenena tamin’ny 28 Martsa 2018 teo. Anisan’ireo nanatrika tao ny tenako ary velom-bolo tokoa satria tsapa fa samy te hampandroso ny fireneny avokoa na ny tanora na ny lehibe ary tsy resaka toe-karena ihany ny fandrosoana fa mifandray amin’ny sosialy, ny... Lire la Suite →

Ben J : « fanehoana fitiavan-tanindrazana ny fambolen-kazo »

Nanatanteraka fambolen-kazo tany Benasandratra Fenoarivo ny fikambanana EKAH MADAGASIKARA tamin’ny 25 Martsa 2017 lasa teo. Nanotrona azy ireo tamin’izany koa ny vondrona Izany Ka Malagasy ao amin’ny Facebook sy ny mpianatrin’ny EPP Benasandratra. Nanararaotra nitafatafa tamin’ny filohan’ny fikambanana EKAH MADAGASIKARA, Ben J, aho tamin’izay. Indro ary taterina aminao eto izany antsafa izany. Voniary : Inona no... Lire la Suite →

« MIFANDRARY FITIA »: FANKALAZANA NY FAHA-20 TAONA NANORATAN’I FELANA

Hotanterahina ao amin’ny TAHALA RARIHASINA izy io ny 6 hatramin’ny 9 Desambra ary hofaranana amin’ny sakafom-pifaliana ao amin’ny HAITSIRON’IARIVO ny 10 Desambra. Toy izao àry ny andinindininy momba io hetsika io. MIFANDRARY FITIA Io no lohatenin’ny amboaran-tononkalo nosoratan’i Felana RAVELOARISON na Felana izay havoaka manokana amin’ity fankalazana ny faharoapolo taona ity. Raha tadidintsika efa namoaka ny... Lire la Suite →

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑