Fano RAZAFIMAMONJIRAIBE : Sarotra ny manangana orinasa ka ilàna fahavononana

Isaky ny alakamisy fahatelon’ny volana dia miantso mpandraharaha iray ny « Le Centre d’Excellence en Entrepreneuriat » ao amin’ny ISCAM mba hifampizara traikefa amin’ny mpanatrika. Tao anatin’izany indrindra no nitondran’i Fano RAZAFIMAMONJIRAIBE, mpiara-managana sy tale jeneralin’ny TORIO Creatives, ny lohahevitra hoe : « ny fahasarotan’ny fananganana orinasa ». Marihina moa fa tamin’ny teny gasy ny fifanakalozan-kevitra. Voniary: Mba lazao fohifohy... Lire la Suite →

Tiana Voavison RAZAFITSIALONINA : ny fampandrosoana ao anatin’ny firaisankina sy ny fifampitsinjovana no fanoitra ho an’ny fampandrosoana lovainjafy

Ho tanterahina ny 12 hatramin’ny 17 Septambra 2016 izao ao amin’ny lapan’ny faritra Matsiatra-Ambony ao Fianarantsoa ny Forum « Economie Sociale et Solidaire » andiany fahatelo eto Madagasikara. Izy io dia hetsika entina ampiroboroboana ireo rafitra mivoy ny fandrosoana ao anatin’ny firaisankina sy ny fifampitsinjovana. Indro ary entina aminao ny tafatafa nifanaovan’i Voniary tamin’ny mpikarakara dia ny filohan’ny... Lire la Suite →

FANJA RAZAH : « TSY TOKONY ANDREFESANA NY MAHA-IZY AZY NY TSIRAIRAY NY FAHAIZANA TENY FRANTSAY »

Hiaraka amintsika ao anatin’ny antsan-tononkalo « FOHA FOTA-MANDRY » ny zoma 26 Aogositra izao amin’ny 4 ora tolakandro i Fanja Razah sy i Kaja. Ny Faribolana Sandratra dia manasa anao hianoka tanteraka ao anaty kanto amin’io fotoana io ao amin’ny foiben-toerany, Tahaka Rarihasina Analakely. Mpanoratra tononkalo sy tantara fihaino amin’ny onjam-peo no ahafantarana an’i Fanja... Lire la Suite →

Jly RAMAKAVELO Désiré : « Ny kolontsaina Malagasy dia rindra, lamina, fanajana ary fitiavana.»

Voniary : Ahoana ny fahitanao ny kolontsaina Malagasy amin’izao fotoana izao ? Jly RAMAKAVELO Désiré : Tsy misy intsony izany kolontsaina Malagasy izany izao. Ny maha-firenena ny firenena iray manko dia ny kolontsainy sy ny kolom-piarahamoniny. Amintsika Malagasy, azo avondrona ao anatin’ireto zavatra roa ireto izany dia ny hasina sy ny fihavanana. Ny HASINA dia fanomezana haja sahaza... Lire la Suite →

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑