Hira

Ireto misy hira notsongaina hanentana anao, hiatrika ny fiainana, hitraka na inona mitranga ary hisongadina hatrany, satria MPANDRESY IANAO!

Ampy ho anao ny fahasoavako – Fara Andriamamonjy

Havaozin’Andriamanitra isa-maraina ny famindram-pony sy ny fitiavany. Aza misalasala fa raiso!

Vavaka – Rajery

Ny herin’Andriamanitra no hanampy anao hiatrika ity tontolo andro ity!

Baba Zagnahary – Père Sherz

Isaory an’Andriamanitra ny andro vaovao ary angataho izy homba anao anio!

Mifoha maraina – Hantatiana

Rivo-baovao, hafaliana, hery vao… Izany no atolotr’ity maraina vaovao ity ho anao!

Maraina – Man’dam

Ao anaty mozika manentana tsara. Hira entinao miatrika ny maraina vao! Mazoto! Vonona!

Aleo izy ho any – Raboussa

Tsy resy ny olona mangina. Banjino ny tanjonao!

Tompon-daka – Samoela

Mahareta amin’izay atao fa tsy maintsy hahazo valisoa ianao!

Mpandresy – Tafita

Aza kivy amin’izay olana sy sedra mandalo. Mpandresy ianao!

 Tsy maintsy mandresy – Antsan’i Kristy

Tsy maintsy mandresy ianao rehefa ao amin’Andriamanitra!

Mijoro fogna – Joyce Mena Makoa

Na misy manakiana, na misy manatsatso, tohizo ny làlanao!

Manonga l’escalier – Wawa

Tombony ho anao ny miakatra tsikelikely fa mahareta!

Chance-nao tsy voatagna – Mihary Vibration

Tsy misy mahasakana izay anjaranao. Mivonona handray azy!

Mpandresy ambonin’ny mpandresy – Raboussa

Miainga avy aminao ny fandresena. Aza manaiky ho resy fa mitrakà!

Mitsangana Mitraka – Shyn,Tovo J’hay,Anyah

Tsy maintsy mandalo olana sy fitsapana ny olombelona. Mitrakà!

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑