8 marsa – Hafatra tsy misorona avy amin’i Damy Govina

Lainga izany hoe efa nihaona tamin’i Damy Govina ianao ka hohadinoinao izy, na tsy niresaka mivantana taminy aza ianao. Vehivavy misongadina lalandava izy amin’izy rehetra alehany, tsy misalasala ny mametraka ny maha izy azy. Asa noho izy tsy misorona angaha : maneho ny heviny tsy miolakolaka, milaza ny marina tsy mialokaloka ao anaty voambolana voasarontsarona? Mampihomehy,... Lire la Suite →

Fiofanana fikirakirana blaogy sy teny malagasy – maro no liana

Tontosa soa aman-tsara ilay fiofanana FIKIRAKIRANA BLAOGY ary TSIPELINA SY FITSIPI-PANORATANA MALAGASY nokarakarain’ny vondrona TENY GASY 2.0 tamin’ny sabotsy 23 Novambra lasa teo. Nahavelom-bolo ny fihaonana. Tsy afaky ny tsy hiroborobo ny teny malagasy na aty amin’ny aterineto na any amin’ny sehatra hafa raha ny hafanam-pon’ireo vory tao no asian-dresaka. Blaogy hono hoe! Liana ny... Lire la Suite →

Ilaina ve ny fikarakarana vatana ho an’ny lehilahy?

Tamin'ny heriny, nentina teto ny fikarakarana vatana eo amin'ny vehivavy. Ary eo amin'ny lehilahy? Indro resahina amintsika anio indray izany. Tovolahy iray mpampianatra filozofia, Tsirery Chris, no nanontanianay mikasika ny antony ilana ny fikarakarana vatana sy ny fomba atao amin'izany. Tsirery Chris, mpampianatra filozofia eny amin’ny Anjery manontolo, very 10 kilao Miray Lalaina: Ilaina ve... Lire la Suite →

‘Ndao tohanana ny tanorantsika hiatrika ny fifaninana maneran-tany momba ny robotika any Dubai

Rehefa nanao antso fanohanana ara-bola ny Barea volana vitsivitsy lasa izay dia nirohotra ny besinimaro. Misy aza hono nandrotsaka 300 Ar. Fiaraha-misalahy nahavelom-bolo sy nahavelom-panatenana teo amin’ny Malagasy tokoa iny ary nisy vokany tamin’ireo mpilalao satria nanosika azy ireo hanao izay tratry ny heriny. Fotoana hafa, sehatra hafa indray ity saingy miantso ny fanohanatsika ihany... Lire la Suite →

Ilaina ve ny fikarakarana vatana, ho an’ny vehivavy?

Volana maromaro lasa izay dia notantaraina tamintsika teto ny momba ilay mpanjaka siberiana sy ireo vadiny efatra. Voasongadina tamin’izany fa mety kokoa raha omena laharam-pahamehana ny zavatra manan-danja dia ny fanahy. Kanefa, tsy vongam-panahy fotsiny isika fa vatana sy nofo aman-dra ihany koa. Ilaina izany ny mikarakara ny vatana satria io no lapa entintsika mivahiny... Lire la Suite →

Dominique Ramarlah: “Na dia monina eto Frantsa aza izahay efa-mianaka dia tsy manadino ny maha-malagasy “

Efa telopolo taona mahery no nonina tany an-dafy i Dominique Ramarlah. Hatramin’izao anefa dia mbola teny malagasy sy foto-pisainana malagasy no entiny mieritreritra. Raim-pianakaviana tia manao soa sy mizara ihany koa izy. Izany no nahatonga azy ho mpikatroka eo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny fandrosoana lovainjafy. Namoaka boky momba ny kolontsaina Bara sy ny... Lire la Suite →

Fika efatra ahaizana teny gasy (Tapany faharoa)

Niresaka ireo dingana roa voalohany amin'ny fianarana teny malagasy isika tamin'ny lahatsoratra farany. Tsy inona izany fa ireo fomba ahafantaranao ireo voambolana malagasy, ny fitsipi-panoratana sy ny tsipelina ary ny fomba fanonona sy ny filanton'ny teny Malagasy dia ny : MAMAKY sy MIHAINO. Anio indray, hiroso amin'ny dingana roa managaka isika. Koa mamakia finaritra ary!... Lire la Suite →

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑