Mianàra mankasitraka

Ny fahaizana mankasitraka dia fomba fikolokoloana ny toe-tsaina mpandresy sy ny fijery miabo ao aminao mba hahaizanao mahita izay tsara hatrany amin'izay mitranga

Creativeo – orinasa sosialy manolotra fiofanana mikasika ny fampivoarana ny maha-olona

Tonga indray ny fiofanana mitondra ny lohahevitra hoe "Ny fiadanana sy fahatoniana dia miantomboka avy ao anaty”, izay atolotry ny Creativeo ny 18 Mey 2019 izao manomboka amin’ny 2 ora ka hatramin’ny 4 ora ao amin’ny Koon Training Ambatonakanga. Efa nentina teto ny andinindininy momba io fiofanana io, izay miompana indrindra amin’ny Ho’oponopono, tamin’ny andiany... Lire la Suite →

TOE-TSAINA MPANDRESY

Eo ireo namana sy tapaka manohana anao, fa misy lanjany kokoa rehefa avy aminao ny hery entinao miatrika ny fiainana. Io ilay toe-tsaina mpandresy, tsy manoloana ny sedra ihany fa amin’ny fotoana rehetra. Na faly na ory ianao dia aoka hitoetra ho mpandresy hatrany. Mila kolokoloina toy ny voninkazo anefa io toe-tsaina io mba handrobona,... Lire la Suite →

MILA NAMANA IANAO

Voafaoka ao anatin’io namana io ireo olona izay manohana, manoro hevitra, mananatra ary manampy anao. Mety ny iray tampo aminao, ny ray aman-dreninao, ny namanao akaiky, ny mpiray fikambanana na mpiara miasa izany. Tsy fidiny ho an’ireo singan’irery ny miatrika ny fiainana amin’ny heriny manokana. Koa aza tsinontsiniavina ny tombony azonao amin’ny fisian’ireo olona ireo.... Lire la Suite →

ANKAFIZO NY DIA

Marina  fa tanjonao ny ho tonga amin’ny toerana iray. Azonao atao anefa ny maka tsirony eny an-dàlana. Omeo lanjany mitovy amin’ny tanjona tianao ho tratrarina ny làlana ahatongavanao amin’izany. MARO NY VOKA-TSOA AZO MANDRITRA NY DIA Nifampitantara ny fialan-tsasatra izahay mpinamana indray andro izay. Mailaka ery aho nilaza fa nanao lava alina : « tsy hitahita akory... Lire la Suite →

REHEFA ANY AMBANIVOHITRA (Tapany I)

Fotoanan’ny fialan-tsasatra izao, maro amintsika no misintaka kely miala ny tanan-dehibe. Andramo apetraka mihitsy ange ny finday, ny "écouteur" sy ireo fitaovana teknolojia avo lenta e ! Ho hitanao fa maro ny zava-tsoa azonao araraotina any ambanivohitra. Na ny rivotra madio, na ny fahanginana, na ny fihaonana amin’ireo havana dia misy voka-tsoa eo amin’ny fiainana avokoa... Lire la Suite →

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑