Ilaina ve ny fikarakarana vatana ho an’ny lehilahy?

Tamin'ny heriny, nentina teto ny fikarakarana vatana eo amin'ny vehivavy. Ary eo amin'ny lehilahy? Indro resahina amintsika anio indray izany. Tovolahy iray mpampianatra filozofia, Tsirery Chris, no nanontanianay mikasika ny antony ilana ny fikarakarana vatana sy ny fomba atao amin'izany. Tsirery Chris, mpampianatra filozofia eny amin’ny Anjery manontolo, very 10 kilao Miray Lalaina: Ilaina ve... Lire la Suite →

Tsara kokoa ny safidy miainga amin’ny fanantenana fa tsy ny tahotra

Maro ny boky sy lahatsoratra navoakan’ny mpikaroka sy mpandalina momba ny fahombiazana, fa zavatra iombonan’izy ireny dia ny hoe ilaina ny mametraka tanjona. Ireny tanjona apetraka ireny no mitaratra ny safidim-piainan’ny isam-batan’olona. Noho izany, misy ifandraisany tsara ny kalitaon’ny safidy atao sy ny tranga misy eo amin’ny fiainan’ny tsirairay. Tsy misy kisendrasendra io, fa izay... Lire la Suite →

Akako lesona ny tsy fahombiazako

Tsy ary hizotra araka izay eritreretinao avokoa akory ny fiainana fa indraindray mety tojo tsy fahombiazana. Tsy tokony atao ahakivy anefa izany fa fombany ihany. Mitrakà, mandraisa lesona, ary tohizo ny lalanao dia ho mpandresy hatrany ianao. Ilaina koa ny tsy fahombiazana Misy ohabolana Malagasy manao hoe: “soa lavo hahay hamindra, soa kenda hahay hitsako”.... Lire la Suite →

Aza menatra miainga amin’ny kely

Na eo amin’ny sehatry ny asa, fananganana orinasa, tokantrano, fiharin-karena, fianarana dia mahatsara zavatra ny fiaingana amin’ny ambany avy eo miakatra tsikelikely. Lalàna voajanaharin'ny fitomboana Vao teraka ny OLOMBELONA iray dia tsy mahafantatra na inona na inona, avy eo mahay miarin-doha, mipetraka, mandady, mitsangana ary mandeha. Ny ZAVA-MANIRY indray dia miainga amin’ny voa nafafy na... Lire la Suite →

MILA NAMANA IANAO

Voafaoka ao anatin’io namana io ireo olona izay manohana, manoro hevitra, mananatra ary manampy anao. Mety ny iray tampo aminao, ny ray aman-dreninao, ny namanao akaiky, ny mpiray fikambanana na mpiara miasa izany. Tsy fidiny ho an’ireo singan’irery ny miatrika ny fiainana amin’ny heriny manokana. Koa aza tsinontsiniavina ny tombony azonao amin’ny fisian’ireo olona ireo.... Lire la Suite →

ANKAFIZO NY DIA

Marina  fa tanjonao ny ho tonga amin’ny toerana iray. Azonao atao anefa ny maka tsirony eny an-dàlana. Omeo lanjany mitovy amin’ny tanjona tianao ho tratrarina ny làlana ahatongavanao amin’izany. MARO NY VOKA-TSOA AZO MANDRITRA NY DIA Nifampitantara ny fialan-tsasatra izahay mpinamana indray andro izay. Mailaka ery aho nilaza fa nanao lava alina : « tsy hitahita akory... Lire la Suite →

REHEFA ANY AMBANIVOHITRA (TAPANY III)

Araraoty ny fotoana iresahana amin’i Dadabe, Bebe, Dadatoa, rahavavy, anadahy sy ny sisa. Na dia sokajiana hoe tambanivohitra aza izy ireo dia afaka mifanakalo hevitra sy mifampizara aminao. Tsy ary hitovy ny tadin-dokanga fa raha miezaka mamantatra ireo havanao sy mizara aminy ny tontolonao ianao dia ho tsaratsara kokoa ny fifandraisana. HENOY NY AMBARAN’IZY IREO... Lire la Suite →

REHEFA ANY AMBANIVOHITRA (TAPANY II)

Hoy angamba ianao hoe : « raha ampirimiko ny « écouteur » sy ny finday, ilaozako ny Facebook, dia inona izany no andaniako andro ? » Betsaka ny zavatra azonao atao, ampy ialana voly sady mampivelatra ny saina. TRANDRAKA AN-TANIMENA, NY VOLON-TANY NO ARAHANY Marina fa tsy mitovy amin’ny fiainanao andavanandro ny any ambanivohitra. Izany indrindra anefa no tokony hararaotinao mba... Lire la Suite →

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑