Fiofanana : « Miantomboka avy ao anaty ny fiadanana »

Sambany eto Antananarivo ary eto Madagasikara mihitsy no hisy fiofanana momba ny « Ho’oponopono », fomba avy any Hawai miompana amin’ny fampivelarana ny maha-olona. Hotanterahina ny Sabotsy 23 Martsa 2019 ho avy izao izy io, manomboka amin’ny 1 ora sy 30 minitra ka hatramin’ny 4 ora folakandro ao amin’ny Red Zone Coworing Tsiadana. Nathalie Rakotoniaina, mpanorina ny... Lire la Suite →

Tiasoa : “Tsy misy fanaka malemy izany!”

Vao 11 taona monja izy dia efa nanokatra blaogy. 10 taona taty aoriana, nanangana ny orinasany manokana, Book News Madagascar, miompana amin’ny blaogy sy ny tolodraharaha an-jotra, izy. 23 taona izao i Tiasoa Samantha na fantatry ny rehetra amin’ny solon’anarana hoe “Tiasy” any amin’ny tontolon’ny blaogy. Mbola manjohy eny ihany ny fankafizany miblaogy ary tanjony... Lire la Suite →

Fantaro ny tena fahombiazana ho anao

Ekena fa eo ireo fenitra napetraky ny rafitra sy ny fiarahamonina, ny tena marina anefa dia samy manana ny fahombiazany ny tsirairay. Ao ireo mieritreritra fa rehefa mahazo fiara izy dia izay no atao hoe tafa aminy. Ao kosa ireo manana tanjona hahazo toerana ambony ara-politika satria izay no atao hoe fahombiazana aminy. Misy kosa... Lire la Suite →

Akako lesona ny tsy fahombiazako

Tsy ary hizotra araka izay eritreretinao avokoa akory ny fiainana fa indraindray mety tojo tsy fahombiazana. Tsy tokony atao ahakivy anefa izany fa fombany ihany. Mitrakà, mandraisa lesona, ary tohizo ny lalanao dia ho mpandresy hatrany ianao. Ilaina koa ny tsy fahombiazana Misy ohabolana Malagasy manao hoe: “soa lavo hahay hamindra, soa kenda hahay hitsako”.... Lire la Suite →

Taona vaovao : toe-tsaina vaovao

Araraoty izao taona vao miantomboka izao andraisanao fanapahan-kevitra tsara. Raiso an-tànana ny fiainanao fa aza miankin-doha amin’ny hafa. Mandraisa lesona avy amin’ireo zava-nitranga teo aloha, sahia mametraka tanjona, manàna fijery miabo ary indrindra apetraho amin’Andriamanitra hatrany ny fiainana dia ho mpandresy lalandava ianao. Mandray lesona Manaova jery todika ny taona lasa. Inona ny vita ? Inona... Lire la Suite →

LESONA DIMY AZO TSOAHINA AVY AMIN’NY FAHOMBIAZAN’I TAHINA

Voahosotra ho mpandraharaha tanora mendrika indrindra eto Afrika i RANDRIARIMANANA Tahina tamin’ny 25 Oktobra 2016 lasa teo. Mirehareha tokoa isika Malagasy manana azy manandratra avo ny firenentsika. Tsy tokony avelanao handalo fotsiny anefa ny fandresena toy ireny fa tokony hisintonanao lesona mba hoentinao eo amin’ny fiainanao koa. Nofintiniko ao anatin’ireto teboka dimy ireto ny tsara... Lire la Suite →

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑