Mila fiovana voarindra sy matotra ny rafi-panabeazana eto Madagasikara

 “Fanabeazana fototra toy inona no atolotsika ny zanatsika?” izay indray ny adihevitra nokarakarain’ny Banky iraisam-pirenena ny Alarobia 16 Mey 2018 lasa teo. Niray feo na ny mpandray anjara na ny mpanatrika ary samy nanaiky fa misedra olana goavana ny tontolon’ny fanabeazana eto Madagasikara. MITOTONGANA NY FARI-PAHAIZAN’NY ZANAKA MALAGASY ary tsy vitan’izany fa MIRORONA IHANY KOA... Lire la Suite →

Antoky ny fandrosoana ny fitiavan-tanindrazana

Aoka isika tsy ho voafitaka, tsy resaka kajikajy ekonomika fotsiny no mitondra any amin’ny fandrosoana. Tsy maintsy latsa-paka ao anatintsika ny fitiavan-tanindrazana ary asehontsika amin’ny fihetsika farany izay bitika indrindra, vao hiroso amin’ny tena fandrosoana isika. Tsy maintsy entanin’ny fihetseham-po iraisana isika Malagasy rehetra vao afaka miara-mandroso. Matoa mitotongana toy izao ny firenentsika na dia... Lire la Suite →

Haverina amin’ny teny gasy hoe ny fampianarana?

Tafiditra ao anatin’ny PSE (Plan Sectoriel de l’Education) izay eo an-dalam-pandrafetana amin’izao fotoana izao ny fanovana ny teny ibeazana eny amin’ny ambaratonga fototra ho teny Malagasy. Hahasoa ve sa hitondra voka-dratsy ho an’ny ankizy Malagasy izany fanapahan-kevi-panjakana izany? Azo antoka fa hamerina ny hasin’ny tenindrazantsika io fiovana lehibe io. Efa niainantsika koa anefa ny fanagasiana... Lire la Suite →

TENY MALAGASY ISAN’ANDRO

Andao hoe ezahintsika ny hiteny malagasy eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Andao ampiasaina ireo voambolana malagasy araka izay azo atao mba ialana amin’ny teny vahiny. Amin’ny voalohany mety ho sahirana ianao fa rehefa ampiarahana amin’ny fikirizana izany dia tsy maintsy ho vita. Ataovy an-tsaina fotsiny hoe tenindrazanao ny teny malagasy dia ho mora aminao ny hankafy... Lire la Suite →

FIRY ISAN-JATON’NY MALAGASY NO SAMBATRA ?

Any Bhoutan, 55% ny mponina no mahatsapa fa tena sambatra ary 11% monja no mahatsiaro mijaly araka ny antontan’isa tamin’ny 2010. Any amin’io firenena io manko ny FAHASAMBARANA FAOBE (Bonheur National Brut) no andrefesany ny fandrosoana fa tsy ny harin-karena faobe. Io no entiny mamaritra ny politikam-pandrosoana rehetra ary hita fa mahomby hatramin’izao. Aiza ho... Lire la Suite →

SERASERA.ORG : MANANDRATRA NY TENY MALAGASY AMIN’NY ATERINETO

Ny serasera.org no anisan’ny lohany amin’ireo takelaka mivoy ny teny Malagasy, noforonina Malagasy ho an’ny Malagasy. Vohikala fa tsy tranonkala no fiantso azy satria maro ny tolotra sy pejy hita ao. Ny bizina, ny ohabolana, ny baiboly, eny hatramin’ny tambazotra sosialy aza dia voarakitra ao anatin’io fitaovan-tserasera goavana mampifandray ny Malagasy io. Tantara fohy Tamin’ny... Lire la Suite →

ANDRIANIKO NY TENIKO, NY AN’NY HAFA KOA FEHEZIKO

Io tenin’i Di na Henri RAHAINGOSON io no noraisin’ny foibe momba ny teny Malagasy ho filamatra enti-miatrika ny taona arivo fahatelo. Anisan’ny fototra ijoroan’ny firenena iray ny teny, koa tsara raha mba fantatrao fa misy asa, misy finiavana, misy fikirizana ary misy tolona mba hampiroboroboana ny tenindrazantsika. MOMBAMOMBA NY FOIBE MOMBA NY TENY MALAGASY Ny... Lire la Suite →

FANJA RAZAH : « TSY TOKONY ANDREFESANA NY MAHA-IZY AZY NY TSIRAIRAY NY FAHAIZANA TENY FRANTSAY »

Hiaraka amintsika ao anatin’ny antsan-tononkalo « FOHA FOTA-MANDRY » ny zoma 26 Aogositra izao amin’ny 4 ora tolakandro i Fanja Razah sy i Kaja. Ny Faribolana Sandratra dia manasa anao hianoka tanteraka ao anaty kanto amin’io fotoana io ao amin’ny foiben-toerany, Tahaka Rarihasina Analakely. Mpanoratra tononkalo sy tantara fihaino amin’ny onjam-peo no ahafantarana an’i Fanja... Lire la Suite →

COURT TRAITE DE DEVELOPPEMENT

Eric Thosun MANDRARA – 2003 L’Harmattan “Nous évoluons dominés au sein des grands systèmes économico-financiers à vastes extensions internationales… Les décisions aux centres de ces systèmes dictent notre avenir infiniment plus que toutes les actions que nous pouvons mener localement…” P.29 Famintinana: Ny fampianarana azontsika dia mampisandrahaka hevitra. Be loatra ny fahalalana atsofoka ao an-dohantsika,... Lire la Suite →

FACEBOOK TENY GASY

Asa raha fantatrao, efa misy teny malagasy izao ny Facebook! Raha efa mampiasa ianao dia zarao amin’ny alalan’ny #facebooktenygasy ny fihetseham-ponao. Ho ahy aloha, mahafinaritra ny mahita ireo voambolana vaovao sady maha te-hidera ny finiavan’ireo tompon’andraikitra mikaroka ny teny mifanaraka amin’ny zava-misy. FACEBOOK TENY GASY: IREO VOAMBOLANA Mety manahirana na tsy mahazatra anao angamba ny... Lire la Suite →

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑