Fahaleovantena Malagasy – feno 59 taona !

59 taona lasa izay no nahazoan'ny Malagasy ny fahaleovantenany. Raha tsiahivina kely ara-tantara dia ny 26 Jona 1960 no nanambarana fa mahaleo tena tanteraka i Madagasikara. Tena fahaleovantena marina ve ? Raha iverenana kely fotsiny ny lasa ara-tantara dia efa 65 taona no nanjanaka antsika ny Frantsay ka namela antsika hanana fahaleovantena ny 26 Jona... Lire la Suite →

« Ny tena fahaleovantena dia miantomboka aminao aloha» hoy i Ramose M.

Malagasy izy, Mpampianatra izy, izay ihany no satriny nampahafantarina ahy ! Izay no iantsoako azy hoe Ramose M. Rangahy sendra tafaresaka tamiko izy io, teo amin’ny toerana malalaka iray fipetrapetrahana (izay vitsy dia vitsy eto Antananarivo). Samy revo namaky boky aloha izahay, avy eo rehefa sendra nitraka dia nanomboka ny resaka. Resaka nahaliana tokoa satria nifandray... Lire la Suite →

Antoky ny fandrosoana ny fitiavan-tanindrazana

Aoka isika tsy ho voafitaka, tsy resaka kajikajy ekonomika fotsiny no mitondra any amin’ny fandrosoana. Tsy maintsy latsa-paka ao anatintsika ny fitiavan-tanindrazana ary asehontsika amin’ny fihetsika farany izay bitika indrindra, vao hiroso amin’ny tena fandrosoana isika. Tsy maintsy entanin’ny fihetseham-po iraisana isika Malagasy rehetra vao afaka miara-mandroso. Matoa mitotongana toy izao ny firenentsika na dia... Lire la Suite →

Ho avy mamiratra ho an’i Madagasikara

Loabary andasy nahafinaritra sy nahavelom-panantenana tokoa ilay mikasika ny “Ho avin’i Madagasikara” nokarakarain’ny banky iraisam-pirenena tamin’ny 28 Martsa 2018 teo. Anisan’ireo nanatrika tao ny tenako ary velom-bolo tokoa satria tsapa fa samy te hampandroso ny fireneny avokoa na ny tanora na ny lehibe ary tsy resaka toe-karena ihany ny fandrosoana fa mifandray amin’ny sosialy, ny... Lire la Suite →

FIRY ISAN-JATON’NY MALAGASY NO SAMBATRA ?

Any Bhoutan, 55% ny mponina no mahatsapa fa tena sambatra ary 11% monja no mahatsiaro mijaly araka ny antontan’isa tamin’ny 2010. Any amin’io firenena io manko ny FAHASAMBARANA FAOBE (Bonheur National Brut) no andrefesany ny fandrosoana fa tsy ny harin-karena faobe. Io no entiny mamaritra ny politikam-pandrosoana rehetra ary hita fa mahomby hatramin’izao. Aiza ho... Lire la Suite →

MILA NAMANA IANAO

Voafaoka ao anatin’io namana io ireo olona izay manohana, manoro hevitra, mananatra ary manampy anao. Mety ny iray tampo aminao, ny ray aman-dreninao, ny namanao akaiky, ny mpiray fikambanana na mpiara miasa izany. Tsy fidiny ho an’ireo singan’irery ny miatrika ny fiainana amin’ny heriny manokana. Koa aza tsinontsiniavina ny tombony azonao amin’ny fisian’ireo olona ireo.... Lire la Suite →

SERASERA.ORG : MANANDRATRA NY TENY MALAGASY AMIN’NY ATERINETO

Ny serasera.org no anisan’ny lohany amin’ireo takelaka mivoy ny teny Malagasy, noforonina Malagasy ho an’ny Malagasy. Vohikala fa tsy tranonkala no fiantso azy satria maro ny tolotra sy pejy hita ao. Ny bizina, ny ohabolana, ny baiboly, eny hatramin’ny tambazotra sosialy aza dia voarakitra ao anatin’io fitaovan-tserasera goavana mampifandray ny Malagasy io. Tantara fohy Tamin’ny... Lire la Suite →

Tiana Voavison RAZAFITSIALONINA : ny fampandrosoana ao anatin’ny firaisankina sy ny fifampitsinjovana no fanoitra ho an’ny fampandrosoana lovainjafy

Ho tanterahina ny 12 hatramin’ny 17 Septambra 2016 izao ao amin’ny lapan’ny faritra Matsiatra-Ambony ao Fianarantsoa ny Forum « Economie Sociale et Solidaire » andiany fahatelo eto Madagasikara. Izy io dia hetsika entina ampiroboroboana ireo rafitra mivoy ny fandrosoana ao anatin’ny firaisankina sy ny fifampitsinjovana. Indro ary entina aminao ny tafatafa nifanaovan’i Voniary tamin’ny mpikarakara dia ny filohan’ny... Lire la Suite →

COURT TRAITE DE DEVELOPPEMENT

Eric Thosun MANDRARA – 2003 L’Harmattan “Nous évoluons dominés au sein des grands systèmes économico-financiers à vastes extensions internationales… Les décisions aux centres de ces systèmes dictent notre avenir infiniment plus que toutes les actions que nous pouvons mener localement…” P.29 Famintinana: Ny fampianarana azontsika dia mampisandrahaka hevitra. Be loatra ny fahalalana atsofoka ao an-dohantsika,... Lire la Suite →

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑