Fahaleovantena Malagasy – feno 59 taona !

59 taona lasa izay no nahazoan'ny Malagasy ny fahaleovantenany. Raha tsiahivina kely ara-tantara dia ny 26 Jona 1960 no nanambarana fa mahaleo tena tanteraka i Madagasikara. Tena fahaleovantena marina ve ? Raha iverenana kely fotsiny ny lasa ara-tantara dia efa 65 taona no nanjanaka antsika ny Frantsay ka namela antsika hanana fahaleovantena ny 26 Jona... Lire la Suite →

Antoky ny fandrosoana ny fitiavan-tanindrazana

Aoka isika tsy ho voafitaka, tsy resaka kajikajy ekonomika fotsiny no mitondra any amin’ny fandrosoana. Tsy maintsy latsa-paka ao anatintsika ny fitiavan-tanindrazana ary asehontsika amin’ny fihetsika farany izay bitika indrindra, vao hiroso amin’ny tena fandrosoana isika. Tsy maintsy entanin’ny fihetseham-po iraisana isika Malagasy rehetra vao afaka miara-mandroso. Matoa mitotongana toy izao ny firenentsika na dia... Lire la Suite →

Ho avy mamiratra ho an’i Madagasikara

Loabary andasy nahafinaritra sy nahavelom-panantenana tokoa ilay mikasika ny “Ho avin’i Madagasikara” nokarakarain’ny banky iraisam-pirenena tamin’ny 28 Martsa 2018 teo. Anisan’ireo nanatrika tao ny tenako ary velom-bolo tokoa satria tsapa fa samy te hampandroso ny fireneny avokoa na ny tanora na ny lehibe ary tsy resaka toe-karena ihany ny fandrosoana fa mifandray amin’ny sosialy, ny... Lire la Suite →

Gaelle – Mizara fitiavana amin’ny alàlan’ny firotsahana an-tsitrapo mba hampandrosoana an’i Madagasikara

Fitiavana mandehandeha raha I Gaelle na Ramamonjisoa Tsanta Gaelle: fitiavana ny fianakaviany sy ny olona rehetra, fitiavana ny asa ataony ary fitiavana an’i Madagasikara. Ny fiainany manontolo no entiny ijoroana vavolombelona satria rehefa misy zavatra hitanao hoe tsara tokony halain-tahaka, hoy izy, dia fadiana ny mibaiko fotsiny fa tonga dia ianao mihitsy no mila manao... Lire la Suite →

Ben J : « Amin’ny alalan’ny Rap gasy no ampitako hafatra hanovana ny toe-tsain’ny tanora »

Tao anatin’ny tarika Da Hopp, miangaly Rap gasy, no nahafantaran’ny besinimaro an’i Ben J na Dadlah BenJ. Mitondra ny anarany manokana ihany koa izy eo amin’io sehatra io. Ankehitriny, izy no filoha mpitarika ny fikambanana EKAH MADAGASIKARA izay manentana amin’ny fiovan-toe-tsaina. Fantaro bebe kokoa ao anatin’ity antsafa ity ary i Ben J. Voniary : Nanao ahoana... Lire la Suite →

Ben J : « fanehoana fitiavan-tanindrazana ny fambolen-kazo »

Nanatanteraka fambolen-kazo tany Benasandratra Fenoarivo ny fikambanana EKAH MADAGASIKARA tamin’ny 25 Martsa 2017 lasa teo. Nanotrona azy ireo tamin’izany koa ny vondrona Izany Ka Malagasy ao amin’ny Facebook sy ny mpianatrin’ny EPP Benasandratra. Nanararaotra nitafatafa tamin’ny filohan’ny fikambanana EKAH MADAGASIKARA, Ben J, aho tamin’izay. Indro ary taterina aminao eto izany antsafa izany. Voniary : Inona no... Lire la Suite →

Ho an’ny tanin-janako

Raha raisinao ho tanin-janaka koa fa tsy tanindrazana fotsiny i Madagasikara dia hiova ny toe-tsainao. Fantaro fa izay fihetsika ataonao rehetra, na tsara io na ratsy dia hisy fiantraikany amin’ny taranaka any aoriana. Singanina indrindra eto ny lafiny fanajana sy fikolokoloana ny tontolo iainana. Mambole hazo, hajao ny fahadiovana, aza dorana ny ala dia mba... Lire la Suite →

TENY MALAGASY ISAN’ANDRO

Andao hoe ezahintsika ny hiteny malagasy eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Andao ampiasaina ireo voambolana malagasy araka izay azo atao mba ialana amin’ny teny vahiny. Amin’ny voalohany mety ho sahirana ianao fa rehefa ampiarahana amin’ny fikirizana izany dia tsy maintsy ho vita. Ataovy an-tsaina fotsiny hoe tenindrazanao ny teny malagasy dia ho mora aminao ny hankafy... Lire la Suite →

FIRY ISAN-JATON’NY MALAGASY NO SAMBATRA ?

Any Bhoutan, 55% ny mponina no mahatsapa fa tena sambatra ary 11% monja no mahatsiaro mijaly araka ny antontan’isa tamin’ny 2010. Any amin’io firenena io manko ny FAHASAMBARANA FAOBE (Bonheur National Brut) no andrefesany ny fandrosoana fa tsy ny harin-karena faobe. Io no entiny mamaritra ny politikam-pandrosoana rehetra ary hita fa mahomby hatramin’izao. Aiza ho... Lire la Suite →

REHEFA ANY AMBANIVOHITRA (TAPANY III)

Araraoty ny fotoana iresahana amin’i Dadabe, Bebe, Dadatoa, rahavavy, anadahy sy ny sisa. Na dia sokajiana hoe tambanivohitra aza izy ireo dia afaka mifanakalo hevitra sy mifampizara aminao. Tsy ary hitovy ny tadin-dokanga fa raha miezaka mamantatra ireo havanao sy mizara aminy ny tontolonao ianao dia ho tsaratsara kokoa ny fifandraisana. HENOY NY AMBARAN’IZY IREO... Lire la Suite →

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑