Ivon-toeran’ny Kolontsaina Malagasy, fantatrao ve?

Raha manana ny IFM ny frantsay eto amintsika, tsy ambakan’izany koa isika tompon-tanindrazana manana ny Ivon-toeran’ny Kolontsaina Malagasy na IKM. Manandratra ny kolontsaina Malagasy amin’ny endriny rehetra sady misokatra amin’ny hafa no tanjon’ny IKM. Tsarovy fa ny fainanao ny kolontsainao no antoka iray hampamiratra azy eo anivon’ny fanatontolona ary hampandroso ny firenenao ihany koa .... Lire la Suite →

Antoky ny fandrosoana ny fitiavan-tanindrazana

Aoka isika tsy ho voafitaka, tsy resaka kajikajy ekonomika fotsiny no mitondra any amin’ny fandrosoana. Tsy maintsy latsa-paka ao anatintsika ny fitiavan-tanindrazana ary asehontsika amin’ny fihetsika farany izay bitika indrindra, vao hiroso amin’ny tena fandrosoana isika. Tsy maintsy entanin’ny fihetseham-po iraisana isika Malagasy rehetra vao afaka miara-mandroso. Matoa mitotongana toy izao ny firenentsika na dia... Lire la Suite →

ANGANON’NY NTAOLO

Rev L. DAHLE sy JOHN SIMS – Trano Printy Loterana 1984 Indray andro hono… Misionera Norveziana no nanangona ireo anganon’ny Ntaolo sy fomban-drazana Malagasy araka ny fantany ka namintina azy amin’ny boky iray. Ireo angano ireo dia ahitana ny fahendrena nananan’ireo razantsika sy ny fahaizany mandaha-teny. 1.ANGANO SY ARIRA Nino ny fisian’ny fiainan-tsy hita ny... Lire la Suite →

REHEFA ANY AMBANIVOHITRA (TAPANY III)

Araraoty ny fotoana iresahana amin’i Dadabe, Bebe, Dadatoa, rahavavy, anadahy sy ny sisa. Na dia sokajiana hoe tambanivohitra aza izy ireo dia afaka mifanakalo hevitra sy mifampizara aminao. Tsy ary hitovy ny tadin-dokanga fa raha miezaka mamantatra ireo havanao sy mizara aminy ny tontolonao ianao dia ho tsaratsara kokoa ny fifandraisana. HENOY NY AMBARAN’IZY IREO... Lire la Suite →

REHEFA ANY AMBANIVOHITRA (TAPANY II)

Hoy angamba ianao hoe : « raha ampirimiko ny « écouteur » sy ny finday, ilaozako ny Facebook, dia inona izany no andaniako andro ? » Betsaka ny zavatra azonao atao, ampy ialana voly sady mampivelatra ny saina. TRANDRAKA AN-TANIMENA, NY VOLON-TANY NO ARAHANY Marina fa tsy mitovy amin’ny fiainanao andavanandro ny any ambanivohitra. Izany indrindra anefa no tokony hararaotinao mba... Lire la Suite →

FANJA RAZAH : « TSY TOKONY ANDREFESANA NY MAHA-IZY AZY NY TSIRAIRAY NY FAHAIZANA TENY FRANTSAY »

Hiaraka amintsika ao anatin’ny antsan-tononkalo « FOHA FOTA-MANDRY » ny zoma 26 Aogositra izao amin’ny 4 ora tolakandro i Fanja Razah sy i Kaja. Ny Faribolana Sandratra dia manasa anao hianoka tanteraka ao anaty kanto amin’io fotoana io ao amin’ny foiben-toerany, Tahaka Rarihasina Analakely. Mpanoratra tononkalo sy tantara fihaino amin’ny onjam-peo no ahafantarana an’i Fanja... Lire la Suite →

GASY AHO… TSY AN-TENDROMOLOTRA FOTSINY FA…

Andao hoe isika mba samy hilaza izay fihetsika fanaontsika na fanaon’olon-kafa fantatsika manambara ny maha-malagasy antsika, hatramin’ny goavana indrindra ka hatramin’ny bitika indrindra ! REHEFA MIHEVINA : VELONA… ISIKA REHETRA ! Ny ahy izao rehefa misy olona mihevina dia teneniko hoe : Velona ! Raha izaho indray no mihevina ka misy miteny tahaka izany dia valiako hoe : Isika rehetra ! FRANCOIS... Lire la Suite →

FACEBOOK TENY GASY

Asa raha fantatrao, efa misy teny malagasy izao ny Facebook! Raha efa mampiasa ianao dia zarao amin’ny alalan’ny #facebooktenygasy ny fihetseham-ponao. Ho ahy aloha, mahafinaritra ny mahita ireo voambolana vaovao sady maha te-hidera ny finiavan’ireo tompon’andraikitra mikaroka ny teny mifanaraka amin’ny zava-misy. FACEBOOK TENY GASY: IREO VOAMBOLANA Mety manahirana na tsy mahazatra anao angamba ny... Lire la Suite →

Jly RAMAKAVELO Désiré : « Ny kolontsaina Malagasy dia rindra, lamina, fanajana ary fitiavana.»

Voniary : Ahoana ny fahitanao ny kolontsaina Malagasy amin’izao fotoana izao ? Jly RAMAKAVELO Désiré : Tsy misy intsony izany kolontsaina Malagasy izany izao. Ny maha-firenena ny firenena iray manko dia ny kolontsainy sy ny kolom-piarahamoniny. Amintsika Malagasy, azo avondrona ao anatin’ireto zavatra roa ireto izany dia ny hasina sy ny fihavanana. Ny HASINA dia fanomezana haja sahaza... Lire la Suite →

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑