Vondrona Izany KA MAlagasy -Mba hipaka hatrany amin’ny foto-pisainana, ny teny, ny atao ary ny fihetsika rehetra ny maha-Malagasy

Hanatanteraka lanonana fifampiarahabana 2019 ny Izany kA MAlagasy ny Sabotsy 16 Martsa ho avy izao, manomboka amin’ny 11 ora eny amin’ny Cafétéria ESCA Antanimena. Vondrona iray ao amin’ny Facebook manandratra ny maha-Malagasy ary ho feno dimy taona amin’ity taona ity no niforonany. Hetsika miavaka no ampanatenain’ny mpikarakara amin’ny fankalazana izany ary santatra am-bavarano ihany ity... Lire la Suite →

TENY MALAGASY ISAN’ANDRO

Andao hoe ezahintsika ny hiteny malagasy eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Andao ampiasaina ireo voambolana malagasy araka izay azo atao mba ialana amin’ny teny vahiny. Amin’ny voalohany mety ho sahirana ianao fa rehefa ampiarahana amin’ny fikirizana izany dia tsy maintsy ho vita. Ataovy an-tsaina fotsiny hoe tenindrazanao ny teny malagasy dia ho mora aminao ny hankafy... Lire la Suite →

ANGANON’NY NTAOLO

Rev L. DAHLE sy JOHN SIMS – Trano Printy Loterana 1984 Indray andro hono… Misionera Norveziana no nanangona ireo anganon’ny Ntaolo sy fomban-drazana Malagasy araka ny fantany ka namintina azy amin’ny boky iray. Ireo angano ireo dia ahitana ny fahendrena nananan’ireo razantsika sy ny fahaizany mandaha-teny. 1.ANGANO SY ARIRA Nino ny fisian’ny fiainan-tsy hita ny... Lire la Suite →

REHEFA ANY AMBANIVOHITRA (TAPANY II)

Hoy angamba ianao hoe : « raha ampirimiko ny « écouteur » sy ny finday, ilaozako ny Facebook, dia inona izany no andaniako andro ? » Betsaka ny zavatra azonao atao, ampy ialana voly sady mampivelatra ny saina. TRANDRAKA AN-TANIMENA, NY VOLON-TANY NO ARAHANY Marina fa tsy mitovy amin’ny fiainanao andavanandro ny any ambanivohitra. Izany indrindra anefa no tokony hararaotinao mba... Lire la Suite →

FANJA RAZAH – MPANORATRA

Hanolotra antsan-tononkalo « FOHA FOTA-MANDRY » ny zoma 26 Aogositra izao amin’ny 4 ora tolakandro i Fanja Razah sy i Kaja ao amin’ny Tahala Rarihasina Analakely. Eto dia ifampizara sombintsombiny amin’ny fiainany RAZAFIMAMONJY Georges Eugène Fanja mba ahafantarantsika azy bebe kokoa. NY FIANARANA NORANTOVIKO Noho ny fankamamiako ny soatoavina Malagasy dia nandalina manokana momba izany aho ka... Lire la Suite →

FANJA RAZAH : « TSY TOKONY ANDREFESANA NY MAHA-IZY AZY NY TSIRAIRAY NY FAHAIZANA TENY FRANTSAY »

Hiaraka amintsika ao anatin’ny antsan-tononkalo « FOHA FOTA-MANDRY » ny zoma 26 Aogositra izao amin’ny 4 ora tolakandro i Fanja Razah sy i Kaja. Ny Faribolana Sandratra dia manasa anao hianoka tanteraka ao anaty kanto amin’io fotoana io ao amin’ny foiben-toerany, Tahaka Rarihasina Analakely. Mpanoratra tononkalo sy tantara fihaino amin’ny onjam-peo no ahafantarana an’i Fanja... Lire la Suite →

IRENY PITSOPITSONY IRENY NO MAHAMAMY NY FIAINANA

Raha jerena amin’ny ankapobeny ny fiainana dia mety ho fijaliana, olana, sedra sy ny sisa no mameno azy. Arakaraka ny fijerinao ihany anefa no mahatsara sy maharatsy ny fiainanao. Raha mahay mankafy sy manisy lanjany ny fotoana mamy ianao, dia ho hitanao fa mahafinaritra ny fiainana. FIJERY MIABO Faly ve ianao fa misy felan-draozy ilay... Lire la Suite →

LE SEIGNEUR DES ANNEAUX, HARRY POTTER, HUNGER GAMES, STAR WARS, TWILIGHT

Inona no itovizan’ireo horonan-tsarimihetsika malaza sy voarakitra ho tantara ireo ? Voalohany, samy tantara nofinofy (fiction) ireo, ao anaty tontolo hafa, ahitana zavaboahary sy fiainana hafa. Faharoa manaraka izany, boky avokoa ireo no navadika sarimihetika : nosoratana mpanoratra mahay ary narindran’ny mpanatontosa manan-talenta. Ary fahatelo farany, tsara dia tsara avokoa na ny boky na ny sarimihetsika : ny... Lire la Suite →

GASY AHO… TSY AN-TENDROMOLOTRA FOTSINY FA…

Andao hoe isika mba samy hilaza izay fihetsika fanaontsika na fanaon’olon-kafa fantatsika manambara ny maha-malagasy antsika, hatramin’ny goavana indrindra ka hatramin’ny bitika indrindra ! REHEFA MIHEVINA : VELONA… ISIKA REHETRA ! Ny ahy izao rehefa misy olona mihevina dia teneniko hoe : Velona ! Raha izaho indray no mihevina ka misy miteny tahaka izany dia valiako hoe : Isika rehetra ! FRANCOIS... Lire la Suite →

FACEBOOK TENY GASY

Asa raha fantatrao, efa misy teny malagasy izao ny Facebook! Raha efa mampiasa ianao dia zarao amin’ny alalan’ny #facebooktenygasy ny fihetseham-ponao. Ho ahy aloha, mahafinaritra ny mahita ireo voambolana vaovao sady maha te-hidera ny finiavan’ireo tompon’andraikitra mikaroka ny teny mifanaraka amin’ny zava-misy. FACEBOOK TENY GASY: IREO VOAMBOLANA Mety manahirana na tsy mahazatra anao angamba ny... Lire la Suite →

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑