Ny tena hevitry ny hoe: “Ny fianarana no lova tsara indrindra”

Ny fianarana dia tsy voatery any an-tsekoly ihany. Matetika isika mandiso ny hevitr’io ohabolan-drazantsika io ka manimba zavatra maro. Voafitaka ianao raha hanao tsinontsinona ny zavatra rehetra fa hifofotra mafy any am-pianarana. Ny fiainana koa dia fianarana Jereo i Jesoa. Izy moa no ohatra hitako akaiky indrindra sady izy no modely tsara alaina tahaka indridra... Lire la Suite →

Jly RAMAKAVELO Désiré : « Ny kolontsaina Malagasy dia rindra, lamina, fanajana ary fitiavana.»

Voniary : Ahoana ny fahitanao ny kolontsaina Malagasy amin’izao fotoana izao ? Jly RAMAKAVELO Désiré : Tsy misy intsony izany kolontsaina Malagasy izany izao. Ny maha-firenena ny firenena iray manko dia ny kolontsainy sy ny kolom-piarahamoniny. Amintsika Malagasy, azo avondrona ao anatin’ireto zavatra roa ireto izany dia ny hasina sy ny fihavanana. Ny HASINA dia fanomezana haja sahaza... Lire la Suite →

VITA MALAGASY

Indramiko ny famaritana nomen’i E. D. ANDRIAMALALA manao hoe « Ny fandrosoana dia fihezahana hihataka amin’ny maha-biby mba hanakatra fiainana sy fiaraha-monina ambonimbony kokoa sy mahafinaritra kokoa. » Noho izany, ny fandrosoana dia tsy midika velively ho fanariana ny maha-malagasy fa fijanonana amin’ny maha-malagasy ao anatin’ny fivoarana ho amin’ny tsaratsara kokoa. Nahoana ary isika no mihevitra fa... Lire la Suite →

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑