Ny fiarahantsika mientana no antoka hampiroborobo ny boky Malagasy

Tsy raharahan’ny mpanoratra samirery na ny mpanonta sy ny edisiona fotsiny ny fampivelarana ireo asa soratra Malagasy. Misy anjara birikin’ny mpanao gazety, ny mpahay serasera, ny mpandraharaha ary indrindra ireoolon-tsotra, mpamaky ihany koa ao. Nafotaka tokoa ny fifanakalozan-kevitra miompana amin’ny boky tao anatin’ny « Cercle littéraire » izay notanterahin’ny fikambanana « Opération Bokiko » ny sabotsy 15 desambra lasa... Lire la Suite →

Taratasin’i Zaman’i Jao – Momo Jaomanonga

Ao anatin’ny taratasy roapolo, miendrika tononkalo no izaran’i Zaman’i Jao ny fiainana andavanandrony sy ny heviny amin’ny toe-javatra maro toy ny fandrosoana, politika ary ny adim-piainana. Nanapa-kevitra ny ila ravinahitra etsy andafin’ny riaka, etsy Mayotte, ny tovolahy ary avy any izy no mandefa ny ventsoventsony ho an’ireo havany aty an-tànana. Ao koa ireo hafatra tiana... Lire la Suite →

“Mbola tiako lavitra noho ny Louis Vuitton ny kitapo vita Malagasy” Momo Jaomanonga

Poeta manan-talenta, kiady sy reharehan’ny KOLONTSAINA MALAGASY AVY ANY AVARATRA raha i Momo Jaomanonga. Sarotiny fatratra amin’ny fanajana ny SOATOAVINA MALAGASY izy ary tsy ventesiny amin’ny tononkalony fotsiny izany fa iainany isan’andro ihany koa. Na teo aza ireo sedra maro nolalovany dia nanonga hatrany izy ary tsy nitsahatra nanoratra. Ny fandrosoana, ny fiainana andavanandro ary... Lire la Suite →

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑