100startups – mpandraharaha fito vaovao hotohanana

Rehefa vita ny fanombanana tamin’ny sabotsy 13 Aprily lasa teo dia mpandraharaha fito no voaray hisitraka ny fanampiana sy ny fanohanana avy amin’ny 100startups. Ny fizotry ny fanombanana Tamin’ny volana Novambra 2018 no nanatanteraka ny fanaikana tetikasa ny 100startups. Rehefa nandalo sivana ireo mpandraharaha nandefa ny antotan-taratasiny dia folo tamin’izy ireo no voafantina niatrika ity... Lire la Suite →

The Red Shalk : hetsika miavaka ampiroboroboana ny fandraharahana

Zava-dehibe ny fahaiza-mamorona amin’izao vaninandro iainantsika izao mba iavahana amin’ny besinimaro. Maneho izany indrindra ity hetsika nokarakarain’ny 100startups sy Passion 4 Humanity ity, mitondra ny anarana hoe « The Red Shalk ». Ny tanjona dia ny mba hampiroboroboana ny fandraharahana izay fantatra fa andry iankinan’ny fandrosoan’ny firenena iray. Notanterahina ny tontolo andron’ny sabotsy 30 Martsa lasa teo... Lire la Suite →

Fiofanana : « Miantomboka avy ao anaty ny fiadanana »

Sambany eto Antananarivo ary eto Madagasikara mihitsy no hisy fiofanana momba ny « Ho’oponopono », fomba avy any Hawai miompana amin’ny fampivelarana ny maha-olona. Hotanterahina ny Sabotsy 23 Martsa 2019 ho avy izao izy io, manomboka amin’ny 1 ora sy 30 minitra ka hatramin’ny 4 ora folakandro ao amin’ny Red Zone Coworing Tsiadana. Nathalie Rakotoniaina, mpanorina ny... Lire la Suite →

Tiasoa : “Tsy misy fanaka malemy izany!”

Vao 11 taona monja izy dia efa nanokatra blaogy. 10 taona taty aoriana, nanangana ny orinasany manokana, Book News Madagascar, miompana amin’ny blaogy sy ny tolodraharaha an-jotra, izy. 23 taona izao i Tiasoa Samantha na fantatry ny rehetra amin’ny solon’anarana hoe “Tiasy” any amin’ny tontolon’ny blaogy. Mbola manjohy eny ihany ny fankafizany miblaogy ary tanjony... Lire la Suite →

Ho avy mamiratra ho an’i Madagasikara

Loabary andasy nahafinaritra sy nahavelom-panantenana tokoa ilay mikasika ny “Ho avin’i Madagasikara” nokarakarain’ny banky iraisam-pirenena tamin’ny 28 Martsa 2018 teo. Anisan’ireo nanatrika tao ny tenako ary velom-bolo tokoa satria tsapa fa samy te hampandroso ny fireneny avokoa na ny tanora na ny lehibe ary tsy resaka toe-karena ihany ny fandrosoana fa mifandray amin’ny sosialy, ny... Lire la Suite →

LESONA DIMY AZO TSOAHINA AVY AMIN’NY FAHOMBIAZAN’I TAHINA

Voahosotra ho mpandraharaha tanora mendrika indrindra eto Afrika i RANDRIARIMANANA Tahina tamin’ny 25 Oktobra 2016 lasa teo. Mirehareha tokoa isika Malagasy manana azy manandratra avo ny firenentsika. Tsy tokony avelanao handalo fotsiny anefa ny fandresena toy ireny fa tokony hisintonanao lesona mba hoentinao eo amin’ny fiainanao koa. Nofintiniko ao anatin’ireto teboka dimy ireto ny tsara... Lire la Suite →

Voambolana fampiasa eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fitantanana

Azo atao tsara ny mampiasa teny gasy eo amin’ny sehatr’asa rehetra. Ny Foibe momba ny Teny ao amin’ny Akademia Malagasy efa miezaka rahateo mamorona teny vao mifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny. Anio dia miantefa manokana amin’ireo mpiandraiki-draharaha sy tompon’andraikitra isan-karazany ny hafatra. « Fa angaha Aho voatery hiteny gasy e! » Izay angamba no ao an-tsaintsika izay zatra mampiasa teny frantsay. Hoy... Lire la Suite →

Fano RAZAFIMAMONJIRAIBE : Sarotra ny manangana orinasa ka ilàna fahavononana

Isaky ny alakamisy fahatelon’ny volana dia miantso mpandraharaha iray ny « Le Centre d’Excellence en Entrepreneuriat » ao amin’ny ISCAM mba hifampizara traikefa amin’ny mpanatrika. Tao anatin’izany indrindra no nitondran’i Fano RAZAFIMAMONJIRAIBE, mpiara-managana sy tale jeneralin’ny TORIO Creatives, ny lohahevitra hoe : « ny fahasarotan’ny fananganana orinasa ». Marihina moa fa tamin’ny teny gasy ny fifanakalozan-kevitra. Voniary: Mba lazao fohifohy... Lire la Suite →

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑