Fanahy no olona – Tahala fikoloana ny fanahy

Vatana, saina, fo ary fanahy no mandrafitra ny olombelona. Ny Ntaolo Malagasy dia nahatsapa fa « ny fanahy no olona » ary hita taratra tamin’ny fiainany andavanandro izany. Te-hamerina io fahendrena nentin-drazana io Andriantsimiavona Christian ka izany no antony nanaganany ity toerana hafa kely ity. Ndeha ary ho fantarintsika bebe kokoa ao anatin’ity lahatsoratra ity ny tahala... Lire la Suite →

Vondrona Izany KA MAlagasy -Mba hipaka hatrany amin’ny foto-pisainana, ny teny, ny atao ary ny fihetsika rehetra ny maha-Malagasy

Hanatanteraka lanonana fifampiarahabana 2019 ny Izany kA MAlagasy ny Sabotsy 16 Martsa ho avy izao, manomboka amin’ny 11 ora eny amin’ny Cafétéria ESCA Antanimena. Vondrona iray ao amin’ny Facebook manandratra ny maha-Malagasy ary ho feno dimy taona amin’ity taona ity no niforonany. Hetsika miavaka no ampanatenain’ny mpikarakara amin’ny fankalazana izany ary santatra am-bavarano ihany ity... Lire la Suite →

Ny fokonolona araka ireo kabary nataon’ny Kôlônely Richard Ratsimandrava eran’ny nosy 1973 – 1975

Koa atolotra àry ity boky ity, sao lahy mba hahitantsika vahaolana amin’izao andro manjombona diavin’ny firenentsika izao. Boky izay namelombelona ny fanantenan’ny maro noho izy  nitondra rivo-baovao feno hanitry ny maha-Malagasy ka tonga dia nambabo ny fon’ny tantsaha tsy ankanavaka na avy aiza na avy aiza.  Ho hitanao ao anatin’ireo « kabary ala-olana » miisa 62 notsongaina... Lire la Suite →

Ratsimandrava : ilay nampifandray ny Soatoavina Malagasy sy ny politika

Ny Soatoavina Malagasy : tsy hevitra manidina, tsy zava-tsy hay takarina ! Ny Soatoavina Malagasy : tsy hoe ianarana any an-tsekoly fotsiny, tsy hoe tononina fotsiny rehefa manatanteraka fomba Malagasy toy ny famangiana manjo, fanateram-bodiondry, famadihana sy ny sisa. Fa ny Soatoavina Malagasy : natao iainana andavanandro sy ampiharina eo amin’ny izay sehatra ikatrohanao. Ny kolonely Ratsimandrava, izay mpandala fatratra... Lire la Suite →

Takelaka Tsara Soratra 003 : Ny fitiavana raha tantaraina, ny fitiavana raha ventsoina

Ambetin-dresaka ny FITIAVANA tamin’ity Takelaka Tsara Soratra indray mitoraka ity. Efa hatramin’ny fahagolan-tany tokoa no nampikorina ranomainty ny fitiavana ary tsy ambakan’izany ireo nanolotra ny asa sorany hoankafizin’ny mpamaky ato amin’ity revio ity. « Tsy tantara ny tantara raha tsy ilafihan’ny fitiavana » hoy E.D. Andriamalala andrarezin’ny tantara foronina Malagasy, izay vao feno 100 taona tamin’ny 22... Lire la Suite →

Antoky ny fandrosoana ny fitiavan-tanindrazana

Aoka isika tsy ho voafitaka, tsy resaka kajikajy ekonomika fotsiny no mitondra any amin’ny fandrosoana. Tsy maintsy latsa-paka ao anatintsika ny fitiavan-tanindrazana ary asehontsika amin’ny fihetsika farany izay bitika indrindra, vao hiroso amin’ny tena fandrosoana isika. Tsy maintsy entanin’ny fihetseham-po iraisana isika Malagasy rehetra vao afaka miara-mandroso. Matoa mitotongana toy izao ny firenentsika na dia... Lire la Suite →

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑