Ny Malagasy sy ny fiteny vary amin’akotry.

Anisan'ny lasa fahazarantsika Malagasy ankehitriny ny mampiasa ny fiteny mifangaro na koa ilay antsoina hoe fiteny vary amin'akotry. Tena nanimba ny kolotsaina Malagasy indrindra moa fa eo amin'ny fitenin-drazantsika ny tsy fahaizana mampiasa intsony ny teny gasy fa afangaro amin'ny teny hafa. Ny tenindrazana tsy adinoina Marina fa mandroso be tokoa ny fivoarana eto Madagasikara... Lire la Suite →

Fanja Razah : « Mahatety vanim-potoana, tsy leon-driaka ary tsy leon’ny fandrosoana ny teny Malagasy »

Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-dreny rahampitso 21 Febroary. Andro iray natokan’ny UNESCO hanamarihana manokana ny fahasamihafana eran’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fiteny izy io ary indrindra hampahatsiahivana fa zon’ny tsirairay ny mampiasa an-kalalahana ny tenin-dreny eo amin’ny fireneny. Aiza ho aiza ary ny tenindrazantsika manoloana ny toa fanjakazakan’ny teny frantsay sy ny fanatontoloana amin’ny ankapobeny.... Lire la Suite →

VOAMBOLANA FAMPIASA EO AMIN’NY TONTOLON’NY FANDRAHARAHANA SY NY FITANTANANA

Hanolotra santionam-boambolana Malagasy hanampy ireo izay efa anananao indray aho androany. Jereo ato ireo efa nivoaka teo aloha:  1- Voambolana fampiasa eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fitantanana 2- Voambolana fampiasa eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fitantanana Velona ny teny Malagasy Maro ny milaza fa sarotra ny teny gasy. Ao koa ireo nanatsatso avy hatrany raha... Lire la Suite →

TENY MALAGASY ISAN’ANDRO

Miroso hatrany isika amin’ny ezaka fampiroboroboana ny tenindrazantsika. Voambolana malagasy folo fampiasa andavanandro no natao fanamby tamin’iny volana lasa iny. Tohizantsika amin’ny teny hafa indray izy amin’ity volana ity. HAFANAM-PO Nahafinaritra ny nahita ny hafanam-pon’ny maro tao amin’ny Facebook nanoloana ilay fanentanana nataoko mikasika ny fampiasana teny malagasy isan’andro. Izany no isarihana ny sain’ny tsirairay... Lire la Suite →

Ny Teny Malagasy : Fanentanana ny Fon’ny Vahoaka amin’ny Fampandrosoana (Tapany I)

Lahateny nataon’i Rado tetsy amin'ny Akademia Malagasy tetsy Tsimbazaza, ny 25 Jona 1994, indray no entina amintsika anio. Samia àry maka izay tandrify azy avy : Tompokolahy sy Tompokovavy, Tantara kely iray no entinay ho fampidirana izao famelabelarana izao. Hoy ity tovolahy iray avara-pianarana sady tia tanindrazana, raha namory ireo tanora tantsaha sakaizany izy, teny ambanivohitra... Lire la Suite →

TENY MALAGASY ISAN’ANDRO

Andao hoe ezahintsika ny hiteny malagasy eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Andao ampiasaina ireo voambolana malagasy araka izay azo atao mba ialana amin’ny teny vahiny. Amin’ny voalohany mety ho sahirana ianao fa rehefa ampiarahana amin’ny fikirizana izany dia tsy maintsy ho vita. Ataovy an-tsaina fotsiny hoe tenindrazanao ny teny malagasy dia ho mora aminao ny hankafy... Lire la Suite →

ANGANON’NY NTAOLO

Rev L. DAHLE sy JOHN SIMS – Trano Printy Loterana 1984 Indray andro hono… Misionera Norveziana no nanangona ireo anganon’ny Ntaolo sy fomban-drazana Malagasy araka ny fantany ka namintina azy amin’ny boky iray. Ireo angano ireo dia ahitana ny fahendrena nananan’ireo razantsika sy ny fahaizany mandaha-teny. 1.ANGANO SY ARIRA Nino ny fisian’ny fiainan-tsy hita ny... Lire la Suite →

REHEFA ANY AMBANIVOHITRA (TAPANY III)

Araraoty ny fotoana iresahana amin’i Dadabe, Bebe, Dadatoa, rahavavy, anadahy sy ny sisa. Na dia sokajiana hoe tambanivohitra aza izy ireo dia afaka mifanakalo hevitra sy mifampizara aminao. Tsy ary hitovy ny tadin-dokanga fa raha miezaka mamantatra ireo havanao sy mizara aminy ny tontolonao ianao dia ho tsaratsara kokoa ny fifandraisana. HENOY NY AMBARAN’IZY IREO... Lire la Suite →

ANDRIANIKO NY TENIKO, NY AN’NY HAFA KOA FEHEZIKO

Io tenin’i Di na Henri RAHAINGOSON io no noraisin’ny foibe momba ny teny Malagasy ho filamatra enti-miatrika ny taona arivo fahatelo. Anisan’ny fototra ijoroan’ny firenena iray ny teny, koa tsara raha mba fantatrao fa misy asa, misy finiavana, misy fikirizana ary misy tolona mba hampiroboroboana ny tenindrazantsika. MOMBAMOMBA NY FOIBE MOMBA NY TENY MALAGASY Ny... Lire la Suite →

FACEBOOK TENY GASY

Asa raha fantatrao, efa misy teny malagasy izao ny Facebook! Raha efa mampiasa ianao dia zarao amin’ny alalan’ny #facebooktenygasy ny fihetseham-ponao. Ho ahy aloha, mahafinaritra ny mahita ireo voambolana vaovao sady maha te-hidera ny finiavan’ireo tompon’andraikitra mikaroka ny teny mifanaraka amin’ny zava-misy. FACEBOOK TENY GASY: IREO VOAMBOLANA Mety manahirana na tsy mahazatra anao angamba ny... Lire la Suite →

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑