Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-dreny : efa voarafitra ny politikan’ny teny

Miverina ombieny ombieny ny fitakiana ny politikan’ny teny raha vao resahina ny ho avin’ny teny Malagasy. Ankehitriny àry, araka ny nambaran’ny filohan’ny Akademia Malagasy, Ranjeva Raymond nandritra ny lanonam-panokafana ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-dreny, teny ibeazana ny alakamisy 21 Febroary lasa teo, efa voarafitra ny politikan’ny teny fa miandry ny fankatoavan’ny fahefana... Lire la Suite →

Fanja Razah : « Mahatety vanim-potoana, tsy leon-driaka ary tsy leon’ny fandrosoana ny teny Malagasy »

Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-dreny rahampitso 21 Febroary. Andro iray natokan’ny UNESCO hanamarihana manokana ny fahasamihafana eran’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fiteny izy io ary indrindra hampahatsiahivana fa zon’ny tsirairay ny mampiasa an-kalalahana ny tenin-dreny eo amin’ny fireneny. Aiza ho aiza ary ny tenindrazantsika manoloana ny toa fanjakazakan’ny teny frantsay sy ny fanatontoloana amin’ny ankapobeny.... Lire la Suite →

Haverina amin’ny teny gasy hoe ny fampianarana?

Tafiditra ao anatin’ny PSE (Plan Sectoriel de l’Education) izay eo an-dalam-pandrafetana amin’izao fotoana izao ny fanovana ny teny ibeazana eny amin’ny ambaratonga fototra ho teny Malagasy. Hahasoa ve sa hitondra voka-dratsy ho an’ny ankizy Malagasy izany fanapahan-kevi-panjakana izany? Azo antoka fa hamerina ny hasin’ny tenindrazantsika io fiovana lehibe io. Efa niainantsika koa anefa ny fanagasiana... Lire la Suite →

Créez un site ou un blog sur WordPress.com

Retour en haut ↑